Seminera
Pejin-dohateny: Ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna


“Pejin-dohateny: Ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Pejin-dohateny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Pejin-dohateny

Ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna

Sary
I Môrônia zanak’i Môrmôna manoratra amin’ilay takela-bolamena

Nahoana isika no mila ny Bokin’i Môrmôna indray raha efa manana ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny Baiboly? Ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna, ny mpaminany Môrônia dia manampy antsika hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra sy hanazavana ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana ny tanjon’ny zavatra iray

Efa nahita fitaovana toy io amin’ny sary manaraka io ve ianao? Alaovy sary an-tsaina hoe tsy maintsy hanazava ny tanjona sy lanjana fitaovana iray tsy mahazatra amin’olona iray ianao.

Sary
Sarina sokeran’ny mpanao fandrefesana
  • Nahoana no manampy ny fahafantarana sy fahatakarana ny tanjona na lanjan’ny zavatra iray alohan’ny hampiasana azy sy hizarana azy amin’ny hafa?

  • Ahoana no mety hifandraisan’izany amin’ny fahatakarana ny tanjona sy lanjan’ny Bokin’i Môrmôna?

Hevero ny mety ho fahatsapanao fahatokisan-tena amin’ny fanazavana ny tanjona sy lanjan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray izay tsy nahalala izany mihitsy. Rehefa mandalina io lesona io ianao, dia tadiavo ny zavatra manampy anao hahatakatra ny tanjona sy lanjan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba ahafahanao mizara ny fahatakaranao amin’ny hafa.

Mahatakatra ny tanjona sy lanjan’ny Bokin’i Môrmôna

Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity.

Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba …

Ny pejin-dohateny dia ahitana ireo teny farany nosoratan’i Môrônia tamin’ny takelaka farany tamin’ny takela-bolamena. Vakio ny pejin-dohateny sy ny andiam-pehezan-teny telo voalohany ao amin’ny teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mitadiava fomba hamenoana ilay fehezan-teny eo ambony. Mety hanampy anao amin’ny fanaovanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nosoratana ho an’iza ny Bokin’i Môrmôna?

  • Miresaka momba an’iza ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no antony nanoratana ny Bokin’i Môrmôna?

(Ho an’ny fanazavana fanampiny, jereo ny “Fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna” ao amin’ny pejy fanolorana.)

Toy izao no nolazain’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha nijoro ho vavolombelona momba ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna izy:

Mijoro ho vavolombelona aho fa fitaovan’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna hanatanterahana ny fanangonana an’i Isiraely amin’izao androntsika izao ary hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jesoa Kristy Zananilahy. (Ulisses Soares, “Ny Fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna,” Liahona, mey 2020, 35)

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao manokana sy ny teny nambaran’ny Loholona Soares momba ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna?

Fahamarinana iray mety hitanao ny hoe ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy handresena lahatra ny olon-drehetra fa i Jesoa no Kristy.

Misafidiana sahanasa iray hovitaina amin’ireto manaraka ireto.

Sahanasa A: Ny Bokin’i Môrmôna dia natao hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Matetika no manondro ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo hanangonana an’i Isiraely ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny roa na telo amin’ireo andinin-tsoratra masina eo ambany.

[Ao amin’ny] Bokin’i Môrmôna ianao dia hianatra momba ny fotopampianaran’ny fanangonana, ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotany ary ny fahafenoan’ny filazantsarany izay tsy hita ao amin’ny Baiboly. Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ny fanangonana an’i Isiraely. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina. (Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018],” tovana ao amin’ny New Era sy ny Ensign, 13, ChurchofJesusChrist.org)

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Saintsaino ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao na ny hafa ho voangona ao amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny fitahiana izay tonga noho io fanangonana io.

  • Hanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna?

  • Iza no azonao izarana ny Bokin’i Môrmôna?

Sahanasa B: Ny Bokin’i Môrmôna dia natao handresena lahatra ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy

Saintsaino ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba niantraikàn’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fifandraisanao Aminy. Avy eo dia makà fotoana hitanisana soratra masina roa na telo avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra anao momba an’i Jesoa Kristy. Raha mila fanampiana ianao dia jereo ny “Jesoa Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Inona no anampian’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao hahatakatra momba an’i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Tontosao ity sahanasa manaraka ity:

    Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia miresaka amina namana iray izay tsy zatra ny Bokin’i Môrmôna na tsy mahatsapa hoe tena ilaina izany. Inona no mety hozarainao amin’io olona io momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny tanjony? Hevero ny hampiditra zavatra niainana manokana na andian-teny avy amin’ny pejin-dohateny sy ny teny fanolorana, na ny loharano nanovozan-kevitra avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tsapanao fa mety hilaina.

Hamoaka printy