Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2: “Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay”


“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2: -Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Ireo pejy fanolorana ny Bokin’i Môrmôna

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany faha-2

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Sary
Mpianatra miresaka

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny fanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy mba hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary hahita kokoa izany toy ny ahitan’ny Mpamonjy azy.

Fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy

Rehefa miatrika ireo fanamby amin’ny fiainana isika na miaina ao anatin’ny fanontaniana tsy ahitam-baliny, dia afaka manampy antsika ireto fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto:

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Hifantoka amin’ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay isika ato amin’ity lesona ity.

Fomba fijery voafetra

Mitadiava pipety na manorongoròna taratasy iray ka ataovy tery araka izay azonao atao ary mijere amin’ny alalan’izany. Alaovy sary an-tsaina raha toa ka toy izany no ahitanao izao tontolo izao amin’ny fotoana rehetra. Inona avy ireo olana mety ho tojo anao? Inona avy no asa mety ho mora ary inona no mety ho sarotra na tsy azo atao?

  • Inona no itovian’izany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manova fiainana na ny famaliana fanontaniana manan-danja amina fahatakarana voafetra momba ny drafitry ny famonjena?

Ny fahafahana mahita feno kokoa dia manampy rehefa mifanerasera amin’ny tontolo manodidina antsika isika. Mitovy amin’izany ihany, ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia afaka manampy antsika hahazo fahalalana ara-panahy.

Hevero ny hanisy marika ity fehezan-teny manaraka avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 8 ity ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022): Mba hamakafakana hevi-dehibe ara-potopampianarana, fanontaniana ary olana ara-piarahamonina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Halalino ny andiam-pehezan-teny 8–10 hitadiavana ny zavatra afaka manampy anao hamakafaka hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo olana sy fanontaniana izay heverinao fa mety ho hitan’ny Mpamonjy amin’ny fomba hafa noho ny ahitan’ny olona maro eto ambonin’ny tany azy?

    • Ahoana no anampian’ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena antsika hahita ny zavatra rehetra toy ny ahitan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany? (jereo ny Môzià 4:9).

    • Nahoana izany no mety ho fahaiza-manao manan-danja tokony hianaranao sy hampiharinao ary hampiasainao eo amin’ny fiainanao?

Ohatra avy ao amin’ny soratra masina

I Almà zanany dia nampiseho antsika ny fomba fijeren-javatra amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay rehefa namaly ireo fanontaniana sarotra nanahirana an’i Kôriantôna zanany lahy izy.

Vakio ny Almà 40:1; 42:1 hitadiavana ny roa amin’ireo olana nananan’i Kôriantôna. Hevero ny hilaza amin’ny fomba hafa ireo olany amin’ny teninao manokana.

Vakio amin’izay ny sasin-tenin’ny Almà 40; 4142 mba hahitana famintinana ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna rehefa niresaka ireo olany izy. Mitadiava singa ao amin’ny drafitry ny famonjena izay nampianarin’i Almà.

  • Inona avy ireo singa ao amin’ny drafitra izay hitanao?

  • Ahoana no mety ho nanampian’izany an’i Kôriantôna hahita ireo olany tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy

Sary
Vehivavy manao tranon-tsary amin’ny rantsan-tànany

Manaova endrika tranon-tsary anankiray amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanondronao sy ny ankihibenao. Misafidiana zavatra ao amin’ilay efitrano hatao zavatra ifantohan’ny sarinao.

  • Inona no tapakao fa hampidirina ao amin’ny tranon-tsarinao? Nahoana?

  • Inona no tsy nampidirinao tao amin’ilay sarinao? Nahoana?

Tahaka ny sary, ny fanontaniana ihany koa dia manana hevitra ifantohana na sahan-kevitra. Ilay hevitra hifantohana dia afaka maneho ny finoana sy ny fiheveran’ny olona iray izay mitarika azy hijery ireo fanontaniana amina fomba iray. Indraindray ireny finoana sy fiheverana ireny dia miorina amina tsy fahatakarana na zavatra tsy marina. Amin’ireny tranga ireny dia mety hanampy ny fampifanarahana azy ireny amin’ny sahan-kevitra tena izy. Mitranga ny fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy rehefa mamakafaka ireny finoana sy fiheverana ireny amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ny fampianaran’ny Mpamonjy isika.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Noho ny fahalalantsika io drafitra io sy ireo fahamarinana hafa izay nambaran’ Andriamanitra dia miainga amina fiheverana tsy mitovy amin’ny an’ireo izay tsy miombon-kevitra amin’ny fahalalana ananantsika isika. Vokatr’izany dia samy hafa ny fehin-kevitra raisintsika mikasika ireo lohahevitra manan-danja maro izay raisin’ny hafa fotsiny araka ny hevitr’izy ireo momba ny fiainana an-tany. (Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva niarahana tamina Manampahefana Ambony, 8 feb, 2013], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia nanana namana nantsoina hoe Adry izay nanontany hoe: “Raha tena misy Andriamanitra be fitiavana marina, dia nahoana no avelany hijaly ny olona?”

Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “Mamakafaka ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay” (2:55), izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana ohatra amin’ny fomba ahafahana mampifanaraka io olana io amin’ny sahan-kevitra tena izy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy ny fieritreretana momba ireo zavatra inoana na fiheverana izay mety ho niteraka ilay fanontanian’i Adry momba an’ Andriamanitra?

    • Mamela antsika hahatakatra ilay fanontaniana amin’ny heviny hafa amin’ny fomba ahoana ny sahan-kevitry ny zavatra fantatsika momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny?

    • Inona no tsapanao momba ny fahafahanao mamaly ireo fanontaniana sarotra amin’ny alalan’ny fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy? Inona avy no fanontaniana na olana anananao momba izany, raha misy?

Hanana fahafahana be dia be hampiharana fampifanarahana amin’ny sahan-kevitra tena izy ianao ao amin’ny seminera sy eo amin’ny fiainanao. Rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina ianao ary mampivelatra ny fahatakaranao ny drafitry ny famonjena sy ny fotopampianaran’i Kristy, dia hitombo ny fahaizanao mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Hanorina ihany koa ny fahatokian-tena anananao amin’ny fizarana ny zavatra fantatrao sy amin’ny fanampiana ny hafa izay manana fanontaniana sarotra sy olana izany.

Hamoaka printy