Seminera
1 Nefia 11: “Tazano ny fiambanian’ Andriamanitra!”


“1 Nefia 11: ‘Tazano ny fiambanian’ Andriamanitra!” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 11: ‘Tazano ny fiambanian’ Andriamanitra!” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 11

“Tazano ny fiambanian’ Andriamanitra!”

Sary
Ny fahitan’i Nefia an’i Maria Virijiny

Mampianatra antsika momba ny zavatra “mahatsiriritra indrindra” sy “mampiravoravo indrindra ny fanahy” amin’ny zavatra rehetra ankafizintsika eto amin’ity fiainana ity ny soratra masina (1 Nefia 11:22–23). Rehefa niresaka tamina mpitondra hafatra avy any an-danitra i Nefia, dia nahita fahitana momba ny Mpamonjy an’izao tontolo izao ary nandray ny fahatakarany manokana momba ny zavatra mitondra fifaliana be indrindra: ny fitiavan’ Andriamanitra. Afaka manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao ity lesona ity.

Ny maha-zava-dehibe ny fitiavan’ Andriamanitra

Ny Rahavavy Susan H. Porter ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany dia nilaza toy izao:

Sary
Rahavavy Susan H. Porter

Rehefa fantatrao sy takatrao fa tena tiana tanteraka ianao amin’ny maha zanak’Andriamanitra anao dia manova ny zavatra rehetra izany. (Susan H. Porter, “Ny fitiavan’ Andriamanitra: Ilay mampiravoravo indrindra ny fanahy,” Liahona, nôv. 2021, 33)

  • Inona no mety hiova rehefa mahafantatra sy mahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra azy ny olona iray?

  • Inona no mety fiantraikan’ny fahatsapanao hoe tian’ Andriamanitra ianao eo amin’ny fiainanao?

Saintsaino hoe toy ahoana ny haben’ny fahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao? Rehefa mandalina ny 1 Nefia 11 ianao, dia mitadiava porofon’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao.

Ny fahitan’i Nefia

Sary
Ny nofin’i Lehia
  • Inona avy ireo sariohatra lehibe tadidinao tamin’ny nofin’i Lehia voarakitra ao amin’ny 1 Nefia 8?

Naniry lalina ny hahatakatra ny hevitry ny nofin-drainy i Nefia ary nino fa hampahafantarin’ny Tompo azy izany. Rehefa nisaintsaina tao am-pony izy, dia niseho ny Fanahin’ny Tompo ary nampiseho azy ilay hazon’aina. Rehefa nangataka ny hahafantatra ny fanazavana ny hevitr’ilay hazo i Nefia, dia nisy anjely niseho nanampy azy hahalala kokoa momba ny zavatra hitany tao amin’ny fahitana (jereo ny 1 Nefia 11:1–14).

Tao anatin’ny fanampiany an’i Nefia hahatakatra ny hevitr’ilay hazo, dia nametraka fanontaniana iray tamin’i Nefia ilay anjely. Vakio ny 1 Nefia 11:16 mba hahitana ilay fanontaniana napetraka.

  • Ahoana no mety hamalianao ilay fanontaniana ao amin’ny andininy 16?

Vakio ny andininy 17 mba hahitana ny fomba namalian’i Nefia.

  • Inona no manan-danja aminao amin’ny valintenin’i Nefia ao amin’ny andininy 17?

Ny “fiambaniana” dia midika hoe fidinana an-tsitrapo avy amin’ny ambaratongam-boninahitra na voninahitra iray. Ohatra, ny fanasan’ny Mpamonjy ny tongotry ny mpianany dia azo raisina ho fiambaniana (jereo ny Jaona 13:3–17). Na dia afaka mampianatra momba ny fiambanian’ny Ray any An-danitra aza ny fiambanian’ Andriamanitra voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo, ity lesona ity dia mifantoka voalohany indrindra amin’ny fiambanian’i Jesoa Kristy.

Vakio ny zavatra hitan’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 11:13–23, hitadiavana porofon’ny fiambanian’ Andriamanitra.

  • Inona no porofo hitanao momba ny fiambanian’ Andriamanitra?

  • Inona avy ireo fahamarinana ianaranao momba ny fiambanian’ Andriamanitra?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe ny fiambanian’ Andriamanitra dia maneho ny fitiavany antsika.

  • Ahoana no iheveranao fa ny fahaterahan’ny Mpamonjy dia maneho io fahamarinana io?

Vakio ny 1 Nefia 11:26–33 hitadiavana fomba hafa niambanian’i Jesoa mba hampisehoany ny fitiavany ny olombelona.

Azonao atao ny mitady ny fomba ahitana taratra ireo sary maneho ny fiainan’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no porofon’ny fiambanian’ny Mpamonjy hitanao?

    • Ahoana no anehoan’ireo zavatra nataony ireo ny fitiavany?

    • Inona avy ireo ohatra hafa avy amin’ny fiainan’i Kristy tsapanao fa maneho ny fitiavany sy ny fiambaniany?

Vakio ny zavatra nambaran’ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fomba anampian’ireo zava-nitranga ireo antsika hahita ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika. Na azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:01 hatramin’ny 4:43, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Loholona Quentin L. Cook

Ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fanetrentena sy ny fahafoizan-tena ho an’ny zanakolombelona rehetra no fotoana miavaka indrindra eo amin’ny tantara. Ny Mpamonjy, na dia mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra aza, dia vonona ny ho ety an-tany toy ny zaza tsotra ary nanomboka niaina fiainana izay nahitana fampianarana sy fanasitranana ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifarana tamin’ny fiaretana fijaliana tsy hay lazaina tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana mba hanatanterahany ny Sorompanavotany. Io fanehoam-pitiavana sy fanetrentena avy amin’i Kristy io no antsoina hoe ny fiambaniany. Nataony izany ho an‘ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay nohariana sy hoharian’ Andriamanitra. (Quentin L. Cook, “Ireo zavatra iainana mahazatra any amin’ny mandrakizay,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 52)

  • Ahoana no anampian’ny teny nataon’ny Loholona Cook anao hahatakatra tsara kokoa ny fiambanian’ Andriamanitra?

Ireo fitahiana mitohin’ny fiambanian’ny Mpamonjy

Ny fiambanian’ny Mpamonjy dia mitohy ho porofon’ny fitiavany antsika ankehitriny.

Jereo ilay horonan-tsary hoe “Tsapako ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy” (3:39), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ireo fomba nizaran’ireo ankizy ao amin’ilay horonan-tsary ny fahatsapan’izy ireo ny fitiavany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no fomba nanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fitiavan’ Izy ireo anao?

    • Inona no fiantraikan’ny zavatra efa nataon’Izy ireo amin’ny fahatsapanao momba Azy ireo?

    • Tsapanao fa voatosika hanao inona ianao mba hanehoana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy