“1 Nefia 13–14: ‘Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)
“1 Nefia 13–14: ‘Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna
1 Nefia 13–14
“Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”
Rehefa avy naseho azy tao anaty fahitana ny fihemorana sy ny faharavan’ny vahoakany amin’ny farany, dia nahita i Nefia fa hisy fiangonana makadiry sy maharikoriko hanimba ireo fampianaran’ny Baiboly ary hiady amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina ny fifalian’i Nefia tamin’ny fahitany ihany koa fa haverina amin’ny laoniny ny filazantsara ka hitahy ireo rehetra hanaiky ireo fampianarana sy fanekempihavanan’ny Mpamonjy. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fanekem-pihavanana ary hampitomboana ny fanirianao hanao sy hitandrina izany.
Fanamarihana: Ny 1 Nefia 13:20–42 dia hampianarina amin’ny antsipiriany kokoa amin’ny lesona manaraka.
Ny tànan’ Andriamanitra teo amin’ny tantara
Alaivo sary an-tsaina hoe nanehoana fahitana momba ireo zava-nitranga manan-danja indrindra tao anatin’ny 500 taona lasa ianao, ao anatin’izany ny androntsika.
-
Inona araka ny eritreritrao no zava-nitranga mety hitanao ao amin’io fahitana io? Nahoana?
I Nefia mpaminany dia nanehoana fahitana iray izay nahitana zava-nitranga manan-danja tamin’io vanim-potoana io. Mariho ny zavatra nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fahitan’i Nefia:
Isika no lohalaharana manatri-maso mivantana ny zavatra hitan’ny mpaminany Nefia tao anaty fahitana fotsiny ihany. …
Ianareo, ry rahalahy sy anabaviko, dia isan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay hitan’i Nefia ireo. Saintsaino anie izany e! (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88)
Rehefa mandalina ny 1 Nefia 13–14 ianao, dia mitadiava porofon’ny herin’ Andriamanitra ao amin’ireo zava-nitranga izay mitondra mankaty amin’ny androntsika sy ireo fampanantenana manan-danja hotanterahin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.
-
Tontosao ity sahanasa manaraka ity:
Vakio ny andalan-tsoratra masina ary ampifandraiso amin’ny zava-nitranga voatanisa eo ambany ny zavatra voafaritra ao amin’ireo andininy. Fanamarihana: Ny hoe Jentilisa araka ny ampiasana azy ireo ao amin’ireo andininy ireo dia manondro olona izay tsy avy any amin’ny tanin’i Joda na monina ao.
| |
| |
| |
|
-
Inona araka ny eritreritrao no zavatra manan-danja amin’ireo faminaniana ireo?
Araka ny fahitana hitan’i Nefia, “ny Fanahin’ Andriamanitra … dia nidina ka niasa” tamin’ireo izay nandeha ho any amin’ilay tany nampanantenaina (1 Nefia 13:12–13). Nahita ihany koa i Nefia fa “ny herin’ Andriamanitra” dia niaraka tamin’izy ireo (jereo ny 1 Nefia 13:16, 18–19).
-
Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo?
-
Ahoana no mety hitahian’io fahatakarana momba Azy io ny fiainanao amin’izao?
Mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika
Naseho an’i Nefia ny andro farany ary nahita ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny fanoherana hatrehin’izany izy. Hitany ihany koa ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay mpitandrina ny fanekempihavanana.
Vakio ny 1 Nefia 14:12–14, hitadiavana ny zavatra nianaran’i Nefia momba ireo mpikambana amin’ny andro farany ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
-
Inona no manan-danja aminao amin’ny famaritan’i Nefia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny mpikambana ao aminy amin’ny androntsika? Nahoana?
-
Inona avy ireo fitsipika azonao fantarina avy amin’ny andininy 14?
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika, dia hampirongoana antsika ho fiadiantsika ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra.
-
Inona no fanekempihavanana nataonao na hataonao amin’ Andriamanitra?
-
Inona avy no fomba sasantsasany manampy anao hijanona hifantoka amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao?
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny dikan’ny hoe ampirongoana ho fiadiana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe:
Ilay andian-teny hoe: “nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” [1 Nefia 14:14] dia tsy hoe hevitra tsara fotsiny na koa ohatra amin’ny fiteny kanto ao amin’ny soratra masina fotsiny. Fa ireo fitahiana ireo dia miharihary eo amin’ny fiainan’ireo mpianatry ny Tompo amin’ny andro farany tsy tambo isaina. …
… Mijoro ho vavolombelona aho fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ankehitriny dia tena nampirongoana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra amin’ny voninahitra lehibe. Nahita finoana aho, herim-po, fomba fijery, fikirizana ary fifaliana izay mihoatra lavitra noho ny azon’olombelona tratrarina—ary Andriamanitra irery no afaka manome izany. (David A. Bednar, “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe,” Liahona, nôv. 2021, 29–30)
-
Inona avy no mety ho ohatry ny olona mitovy taona aminao izay “nampirongoana ho fiadiana ny fahamarinana”?
-
Oviana no niainanao ny sasany amin’ireny karazana fitahiana “izay Andriamanitra irery no afaka manome izany”?
Mba hahitana ohatra iray momba ny vehivavy iray izay manao sy mitandrina fanekempihavanana, dia jereo ny horonan-tsary “Mijoro amin’ny toerana masina” (5:36), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Misaintsaina ireo fitahian’ny fandehanana amin’ny làlan’ny fanekempihavanana ny zatovovavy iray eo am-panaovana ny diany ho any amin’ny tempoly.