Seminera
2 Nefia 1: Mikaroka fitsipiky ny filazantsara


“2 Nefia 1: Mikaroka fitsipiky ny filazantsara,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 1: Mikaroka fitsipiky nyfilazantsara,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 1

Mikaroka fitsipiky ny filazantsara

Sary
I Lehia sy i Sarià mampianatra ny fianakavian’izy ireo

Alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapanao raha misy olona iray izay nankamamianao efa akaiky ho faty ary mizara torohevitra farany aminao. Fantatr’i Lehia fa ho faty tsy ho ela izy, koa dia niteny tamin’ireo zanany izy mba hanentanana azy ireo hitandrina ny didin’Andriamanitra. Ny fahamarinana nampianariny dia afaka ny ho loharanon’aingam-panahy sy tari-dalana ho anao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hianatra hamantatra fitsipika izay afaka mitarika anao handray ny fanampian’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao rehefa ampiharina.

Ny zavatra hotadiavina

Diniho ilay sary eo ambany ary jereo hoe firy amin’ireo zavatra miafina no hitanao afaka iray minitra.

Sary
Zavatra mahafinaritra–Tadiavo!
  • Iza tamin’ireo zavatra ireo no mora taminao ny nikaroka azy? Iza no nitaky ezaka bebe kokoa?

  • Mety ho niova toy ny ahoana ny fahaizanao mikaroka zavatra miafina raha tsy fantatrao ny zavatra hotadiavina?

  • Ahoana no itovitovian’io sahanasa io amin’ny fandalinana soratra masina?

Afaka ny hihatsara ny traikefanao amin’ny soratra masina rehefa mitady fitsipika ianao eo am-pandalinanao.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny atao hoe fitsipika:

Ny fitsipika anankirain’ny filazantsara dia torolalana iray mifototra amin’ny fotopampianarana ho an’ny fampiharana ara-drariny ny safidin’ny saina amam-panahy. Ireo fitsipika dia avy amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara mivelatra kokoa ary manolotra fitarihana sy fenitra arahina rehefa mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. (David A. Bednar, “Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123)

Ny ohatra vitsivitsy amin’ireo fitsipika nohalalininao teo aloha tao amin’ny 1 Nefia dia ny hoe raha mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika, dia hampirongoana antsika ho fiadiantsika ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 14:14) ary rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika isika, dia hianatra sy hahazo tombony amin’izany (1 Nefia 19:23).

  • Ahoana no hamintinanao ny atao hoe fitsipika?

  • Inona avy no antony vitsivitsy mahatonga ny famantarana fitsipika ho afaka manampy eo amin’ny fiainantsika?

Mikaroka fitsipika

  • Inona no nataonao tany amin’ny lasa ka nanampy anao hahita fitsipika tao amin’ny soratra masina?

  • Inona no hitanao fa sarotra rehefa nanandrana nikaroka fitsipika ianao?

Fomba mahomby iray hikarohana fitsipika ao amin’ny soratra masina ny mamaky ary mitady teny, na andian-teny, na hevitra manan-danja. Mety hanampy anao hanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no teny na andian-teny niverimberina na toa manan-danja?

  • Inona no fampitandremana na fampanantenana tafiditra tao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no mety ho hevi-dehibe nezahin’ny mpanoratra nampitaina?

  • Inona no nantitranterin’ny Fanahy Masina taminao?

Miainga amin’ireo teny na andian-teny na hevitra ireo, dia manorata fanambarana fahamarinana iray izay afaka manampy anao eo amin’ny fiainanao. Rehefa avy manoratra ianao dia apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Marina ve io fitsipika io amin’ny toe-javatra sy fotoana ary kolontsaina rehetra? Raha tsy izany, inona no fanitsiana atao hahatonga izany ho marina?

  • Hitondra ahy sy ny hafa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve io fitsipika io?

Ny 2 Nefia 1 dia ahitana ny sasany amin’ny torohevitra farany nomen’i Lehia ireo zanany talohan’ny nahafatesany. Nampahatsiahy azy ireo ny fahatsaran’Andriamanitra izy ary nampianatra fitsipika maro izay nantenainy hitarika azy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo.

Vakio ny 2 Nefia 1:1–4 hitadiavana fitsipika marina. Hevero ny hampiasa ireo fanontaniana voatanisa amin’ny lisitra eo ambony.

  • Inona no hitanao?

Ohatra iray amin’ny fitsipika nampianarin’i Lehia ny hoe: afaka ny harovan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampitandremany isika (jereo ny 2 Nefia 1:3–4).

Rehefa avy mahita fahamarinana iray, dia ilaina ny misaintsaina ny dikany sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Mety hilaina ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no niarovan’ny Tompo anao na ny olona fantatrao rehefa avy nanaraka ny fampitandremany?

  • Inona no ampianarin’ireo fampitandremany anao momba Azy sy ny zavatra tsapany aminao?

Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no mety hampitandreman’ny Tompo anao amin’izao fotoana izao sy ny fomba mety hamalianao izany.

Ampitomboy ny fahaizanao mikaroka fitsipika

Ampitomboy ny fahaizanao mikaroka fitsipika ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanarahana ity dingana arahina ao amin’ny sahanasa eo ambany ity.

Mamakia roa farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka momba ny torohevitra farany nataon’i Lehia tamin’ireo zanakalahiny ireto. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Nampianatra ny fianakaviany i Lehia” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:39 hatramin’ny 3:35, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hamerenana mijery ireo andalan-tsoratra masina ireo. Ampiasao ilay dingana arahina “Mikaroka fitsipika” mba hahitana fitsipika marina.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity manaraka ity:

    Mifantena fahamarinana iray avy ao amin’ny 2 Nefia 1 izay tsapanao fa tena hanampy indrindra anao, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

    1. Ny fitsipika hitanao sy ny andininy na ireo andininy hitanao tao amin’ny

    2. Fanazavana izay heverinao ho dikan’io fitsipika io

    3. Fomba tsapanao fa mety hitarihan’ilay fahamarinana anao sy hitondrany fitahiana manan-danja eo amin’ny fiainanao?

    4. Ny zavatra ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’io fitsipika io

Eritrereto ny zavatra nataonao hamantarana sy hahatakarana ireo fitsipika ao amin’ny 2 Nefia 1.

  • Ahoana no ahafahan’ny fitadiavana fitsipika tsy tapaka ao amin’ny fandalinanao soratra masina manokana manampy anao?

  • Ahoana no mety hiantraikan’izany amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy sy ny fanirianao ho tonga tahaka Azy?

Hamoaka printy