Seminera
2 Nefia 2:17–26: “Avotana amin’ny Fahalavoana”


“2 Nefia 2:17–26: -Avotana amin’ny Fahalavoana,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“2 Nefia 2:17–26: -Avotana amin’ny Fahalavoana,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 2:17–26

“Avotana amin’ny Fahalavoana”

Sary
Nandao ny Sahan’i Edena

Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no mbola ahafahan’ny safidy nataon’i Adama sy i Eva an’arivo taonany lasa miantraika aminao? Nampianatra ireo zanany momba ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva i Lehia ary nampianariny fa rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy isika dia afaka mandresy ny fanambin’ny fiainana an-tany rehetra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hankasitraka kokoa ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany rehefa mahatakatra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ianao.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Mitarika mankany amin’ny fankasitrahana ny fahatakarana

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amina ambaratonga 1 hatramin’ny 10 (ka ny 1 dia “tsia mihitsy” ary ny 10 dia “tena”), ahoana ny fahatsapanao ny fahatakaranao sy fankasitrahanao an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny sorona nataony ho anao? Nahoana?

  • Raha misy olona manontany anao hoe inona no tokony hataony mba hahatakarany sy hankasitrahany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia inona no holazainao?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampahafantatra ny dingana tsy maintsy atao hahatakarana tsara kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “[Fahamarinana,] fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa” manomboka eo amin’ny marim-potoana 6:51 hatramin’ny 7:26 na mamaky ity fanambarana manaraka ity:

Ny fahamarinana tsotra anefa dia hoe tsy afaka ny hahatakatra feno ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty isika ary tsy afaka ny hankasitraka araka ny tokony ho izy ilay tanjona tsy manan-tsahala nahatonga ny fahaterahany sy ny fahafatesany … raha tsy mahatakatra fa tena nisy izany Adama sy i Eva izany izay lavo ka voaroaka tao amin’ny saha Edena izay tena nisy niaraka tamin’ireo vokatra izay nentin’ny fahalavoana tamin’izany. (Jeffrey R. Holland, “Fahamarinana, fitiavana, famindrampo no tafaraka soa,” Liahona, mey 2015, 105)

Mba hanampiana anao hanombana ny habetsaky ny zavatra fantatrao momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ilay Fahalavoan’i Adama sy Eva?

  • Inona no vokatr’ilay Fahalavoana teo amin’izao tontolo izao? taminao?

  • Inona no anjara toeran’ny Fahalavoana amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra?

  • Ahoana no anampian’ilay Fahalavoana anao hahatakatra sy hankasitraka an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho anao?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava valiny amin’ireo fanontaniana ireo ary saintsaino ny mety hanampian’ny fahatakarana azy ireo anao?

Ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva

Rehefa niomana ny ho faty i Lehia, dia niresaka be tamin’i Jakôba zanany lahy momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva izy. I Adama sy i Eva ary izay endri-piainana rehetra nisy teto ambonin’ny tany dia nisy tamina endrika tsy mety maty, tsy mbola niharana fahafatesana ary teo amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra. Tamin’izany endrika izany, tsy nety lasa narary na maty izy ireo, ary ny saha dia namatsy sakafo azy ireo tsy nila niasa mba hamokatra izany akory. Tsy afaka nanana fianakaviana ihany koa izy ireo. Nampitandrina azy ireo ny Tompo fa raha mihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo, dia ho faty amin’ny farany (jereo ny Mosesy 3:16–17; Abrahama 5:12–13). Ny fanapahan-kevitr’i Adama sy i Eva hihinana izany voankazo izany sy ny fiantraikany tamin’izy ireo sy ny sisa eo amin’izao tontolo izao dia fantatra amin’ny hoe Fahalavoana.

Vakio ny 2 Nefia 2:19–23 sy ny Almà 42:6–9, hitadiavana ireo vokatry ny Fahalavoana. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

    Manaova lisitra amin’ny vokatry ny Fahavoana?

    Mety hanampy ny fanasana ny mpianatra hiaraka hiasa anatina vondrona kely na hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny iray kilasy.

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao raha ianao no Adama sy Eva niaina ireo vokany ireo?

  • Mihevitra ve ianao fa ireo vokany ireo dia tsara, na ratsy, na izy roa? Nahoana?

Vakio ny 2 Nefia 2:24–25, ary eritrereto ny fomba hamintinanao ireo andininy ireo amin’ny teninao manokana.

Ny 2 Nefia 2:25 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Fahamarinana iray nampianarin’i Lehia ny hoe ny Fahalavoana dia ampahany nanan-danja tamin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra.

Makà fotoana hisaintsainana ny antony naha-ampahany tena nanan-danja tamin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana rehefa mamaky ity teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao:

Ampahany tena nanan-danja tamin’ny drafitra masin’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Raha tsy nisy azy io dia tsy ho nisy zanaka mety maty naterak’i Adama sy i Eva, ary tsy ho nisy fianakavian’olombelona mba hiaina ny fifanoherana sy ny fivoarana, ny safidim-pitondran-tena, ny fifaliana avy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanavotana, ary ny fiainana mandrakizay [jereo ny 2 Nefia 2:22–27; Mosesy 5:11]. (Jeffrey R. Holland, “The Atonement of Jesus Christ,” Ensign, mar. 2008, 35)

  • Nahoana no ampahany tena nanan-danja tamin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana?

Mbola mila fanampiana isika

Na dia ampahany amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra sy natao hanampiana antsika handroso aza ny vokatry ny Fahalavoana, dia tsy afaka mahatsapa fifaliana marina isika raha tsy misy fanampian’ Andriamanitra.

Vakio tsara ny 2 Nefia 2:26, hitadiavana ny maha-azo atao ny hoe mandresy ny vokatry ny Fahalavoana sy mahatsapa fifaliana. Avy eo dia vakio ny Mosesy 5:10–11, hijerena ireo fahamarinana nitarika an’i Adama sy i Eva hifaly.

  • Inona no nianaranao?

  • Nahoana araka ny hevitrao no nifaly i Adama sy i Eva taorian’ny nahafantarany momba ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity manaraka ity:

    Alaovy sary an-tsaina hoe ao anatina fifanakalozan-kevitra amina namana iray, dia tsikaritrao fa tsy mankasitraka ny Mpamonjy na ny Sorompanavotana nataony izany namana izany.

    • Inona no fahalalana momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva afaka manampy azy hankasitraka ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

Hamoaka printy