Seminera
2 Nefia 9:50–52: “Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely”


“2 Nefia 9:50–52: -Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 9:50–52,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 9:50–52

“Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely“

Sary
zatovo miara-mamaky soratra masina

Efa nisy fotoana ve ianao nanantena fahasambarana lehibe tamina zavatra iray kanefa dia diso fanantenana avy eo? I Jakôba dia namarana ny toriteniny tamin’ny fanoroana hevitra ny Nefita hiala amin’ny fandaniana fotoana na vola amin-javatra izay tsy hanome fahafaham-po maharitra. Nanasa azy ireo hanatona an’i Jesoa Kristy sy hiravoravo amin’ireo fitahian’ny filazantsara izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka ireo fitahiana sy fahafaham-po izay i Jesoa Kristy irery ihany no afaka manome azy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Manala hanoanana sy hetaheta

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao naha-noana na nangetaheta be anao.

  • Inona avy no sakafo na zava-pisotro mahafapo indrindra ary manampy amina toe-javatra toy izany? Inona avy no sakafo na zava-pisotro tsy dia manampy? Nahoana?

Mety ho efa voamarikao fa ny fanahintsika, tahaka ny vatantsika, dia mila sakafo sy fahafaham-po.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azontsika anomezana sakafo sy fahafaham-po maharitra ny fanahintsika?

  • Inona avy no zavatra itodihan’ny olona mba hahazoana fahafaham-po ka afaka manome azy ireo fahatsapana ho noana na mangetaheta ara-panahy?

  • Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny olona hitodika amin’ireo zavatra tsy mitondra fahafam-po maharitra akory indraindray?

Saintsaino ny ifandraisan’ireto fanontaniana ireto amin’ny fiainanao manokana.

  • Misy zavatra itodihanao ve mba hahazoanao fahasambarana sy fahatsapana ho nahavita zavatra izay tsy manome fahafam-po ireo faniriana ireo akory? Inona no nanampy anao hahatsapa fiadanana sy fahasambarana maharitra teo amin’ny fiainanao?

  • Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiaina ireo fitahiana sy fahafaham-po izay i Jesoa Kristy irery ihany no afaka manome azy.

“Mivokisa amin’izay tsy mety simba”

Tsarovy avy amin’ny fandalinana ny 2 Nefia 9:27–49 fa i Jakôba dia nampitandrina ny olony tamin’ireo fanao feno fahotana nataon’izy ireo. Avy eo dia nofaranan’i Jakôba tamina fanasana manan-danja ny teny nataony.

Vakio ny 2 Nefia 9:50–52, hitadiavana ny fanasan’i Jakôba ny olony.

  • Inona no teny na andian-teny sasantsasany hitanao fa manan-danja taminao ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

  • Ahoana no anampian’ireo andininy ireo anao hahatakatra ny fanirian’i Jesoa Kristy amintsika? Inona no ampianarin’izy ireo anao momba ny zavatra omeny antsika?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka ny ho afa-po ny fanahintsika.

Mampiasa fampifandraisana soratra masina mba hampitomboana ny fahatakaranao

Ny fitadiavana andinin-tsoratra masina izay mifandray amin’ny zavatra halalininao dia afaka ny ho fomba iray manampy amin’ny fampitomboana sy fankasitrahanao ny zavatra ao anatin’ny soratra masina.

Ampiharo amin’ny alalan’ny fitadiavana fampifandraisana soratra masina izay mifandray amin’ireo fampianarana ao amin’ny 2 Nefia 9:50–52 izany fahaiza-manao izany.

Hevero ny hanao kisary mitovitovy amin’ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao ary hanoratra ny hoe “2 Nefia 9:50–52” eo amin’ny faribolana afovoany. Rehefa mahita soratra masina mifandray amin’izy io izay tianao hotadidiana ianao dia azonao atao ny manoratra ireo toko sy andininy ao amin’ny faribolana hafa.

Sary
kisarina faribolana

Ny dingana voalohany ataonao amin’ny fitadiavana fampifandraisana soratra masina dia mety ho ny fitadiavana toko sy andinin-tsoratra masina sy lohahevitra voatanisa ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy. Manaraka izany, hevero ny hamantatra teny manan-danja avy ao amin’ny 2 Nefia 9:50–52 ary hijery izany teny izany na voambolana mifandray amin’izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fahafahana manao fikarohana ao amin’ny Bibliothèque de l’évangile.

Ireto misy teny na andian-teny azonao jerena: manatòna; rano velona; mahafa-po; henoy; mivokisa; mivavaha; manolòra fisaorana; aoka hiravoravo.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ity manaraka ity:

    • Inona no fampifandraisana soratra masina roa farafahakeliny hitanao?

    • Ahoana no nanatsaran’izany fampifandraisana soratra masina izany ny fahatakaranao na ny fankasitrahanao ireo fampianarana ao amin’ny 2 Nefia 9:50–52?

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Eritrereto ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy androany sy ny fomba ahafahan’ireo fampianarana ireo mitahy ny toe-java-misy anao ankehitriny.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Mba hanampiana anao hisaintsaina ny zavatra nianaranao, dia valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny.

    • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy androany ka tianao hotadidina?

    • Ahoana no ahafahan’ny fisafidianana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy mamatsy ny fanahinao amin’ny fahafaham-po maharitra?

    • Inona avy no safidy manokana sasantsasany azonao atao ka hitondra fahafaham-po maharitra izay azo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy