Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 3


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 3

Takaro ary hazavao

Sary
tanora mifampiresaka

Ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina manokana sy fahaizana manazava ireo fahamarinana izay ampianarin’izy ireny no fototra ifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia natao hampitomboana ny fahatakaranao sy mamela anao hizatra hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Eritrereto ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna avy ao amin’io tabilao io izay nohalalininao hatreto tamin’ity taona ity.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no tsapanao fa takatrao tsara?

  • Inona no zavatra niainana nanampy anao hahatakatra ny (ireo) fahamarinan’izany andalan-tsoratra masina izany?

  • Inona amin’ireo andininy ireo no tianao ho takatra tsara kokoa?

Misafidiana iray farafahakeliny amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay tianao ho takatra tsara kokoa ary vitao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana anao hampitombo ny fahatakaranao ny fotopampianarana ampianariny. Raha vitanao haingana izany, dia misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa dia mamità sahanasa hafa.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ny sahanasa A, B, D, na E.

Sahanasa A: Maka sary an-tsaina

Manamboara sary, kamban-tsary, sary maneho hafatra, haingon-tsoratra na habakaban-teny (nuage de mots), na zavatra hafa fanehoan-javatra hita maso izay maneho ny zavatra ampianarin’ny andinin-tsoratra masina nosafidinao.

Tsindrio ireto rohy ireto mba hahafahanao mahita ohatra sasantsasany:

Sahanasa B: Mizara amin’ny hafa

Manaova drafitra entinao mampianatra ny andinin-tsoratra masina nofidinao. Izany dia mety hahitana fanontaniana mety hapetrakao mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahatakatra tsara kokoa ilay andinin-tsoratra masina. Azonao heverina ihany koa ny hanao horonan-tsary izay ahitana anao mamaly ireo fanontaniana noforoninao na manazava ny hevitry ny teny sy andian-teny manan-danja.

Sahanasa D: Mandalina samirery

Misafidiana teny manan-danja iray na roa avy amin’ilay andinin-tsoratra masina hohalalinina. Mampiasà fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny soratra masinao, ny application Médiathèque de l’Évangile, na ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra mba hahitana famaritana, ny fampifandraisana amin’ny soratra masina hafa azo atao, na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, izay mampitombo ny fahatakaranao. Raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao, ao anatin’izany ny zavatra ampianarin’ireo zavatra ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sahanasa E: Manao fampitahana

Mitadiava zavatra azo tsapain-tanana na mamoròna fampitahana izay afaka maneho ilay andinin-tsoratra masina na teny sy andian-teny avy amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ho an’ny 2 Nefia 2:27 azonao atao ny mametraka fanalahidy iray amin’ny tanana iray mba hanehoana fa isika dia “afaka misafidy fahafahana sy fiainana mandrakizay” ary gadanà amin’ny tanana iray mba hanehoana “fahababoana sy fahafatesana.”

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe aminao ny mahatakatra ny andinin-tsoratra masina nosafidinao?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io andinin-tsoratra masina io manampy anao hampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy na ho tonga tahaka Azy kokoa?

Hamoaka printy