“2 Nefia 11: Vavolombelon’i Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“2 Nefia 11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
2 Nefia 11
Vavolombelon’i Kristy
Iza no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ireo vavolombelon’i Jesoa Kristy? Tena tian’i Nefia ny fijoroana ho vavolombelon’i Jakôba rahalahiny sy i Isaia mpaminany ka noraketiny an-tsoratra niaraka tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izany. Afaka manampy amin’ny fanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha tena misy an’i Jesoa Kristy ity lesona ity.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny maha zava-dehibe ny vavolombelona
Alaivo sary an-tsaina hoe mila manazava ianao hoe taiza omaly tamin’ny 6:00 hatramin’ny 7:00 hariva.
-
Ahoana no ahafahanao manamarina ny zavatra nataonao tamin’izany fotoana izany?
-
Misy vavolombelona ve afaka manamarina hoe taiza ianao?
-
Nahoana no zava-dehibe ny vavolombelona rehefa mitady ny marina isika?
Vakio ny 2 Nefia 11:2–3, hitadiavana ireo vavolombelona noresahin’i Nefia sy ny traikefa nananan’izy ireo.
-
Nahoana no vavolombelona mahery vaika ireo olona telo ireo?
-
Inona no tianao hianarana avy amin’izy ireo?
-
Inona avy no fahamarinana ianaranao momba an’ Andriamanitra ao amin’ny andininy 3?
Vakio ny 2 Nefia 11:4, 6, hitadiavana ny zavatra manokana tian’i Nefia ho fantatry ny olony.
Iray amin’ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ny 2 Nefia 11 ny hoe Nandefa vavolombelona mba hijoro ho vavolombelona momba ny maha misy marina ny Zanany Lahy ny Ray any An-danitra.
-
Nahoana araka ny hevitrao no nampiasa vavolombelona hijoro ho vavolombelona momba ny Zanany Lahy ny Ray any An-danitra?
Makà fotoana hisaintsainana ny finoanao sy fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Mieritrereta vavolombelon’ny Mpamonjy aryeritrereto ny fomba fiantraikan’ny fisian’izy ireo eo aminao sy ny finoanao momba Azy. Rehefa manohy ity lesona ity ianao, dia mitadiava fomba ahafahan’ny vavolombelona manampy sy manatanjaka anao eo amin’ny fiainanao.
Talohan’ny 2 Nefia 11, i Nefia dia nampiditra ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jakôba zandriny lahy. Taorian’ny 2 Nefia 11, i Nefia dia nampiditra ireo fampianarana sy fijoroana ho vavolombelon’i Isaia mpaminany. Azonao atao ny manoratra hoe “Ny 2 Nefia 9–10 dia fijoroana ho vavolombelon’i Jakôba” eo akaikin’ny anaran’i Jakôba ao amin’ny andininy 3 sy hoe “ny 2 Nefia 12–24 dia fijoroana ho vavolombelon’i Isaia” eo akaikin’ny anaran’i Isaia ao amin’ny andininy 2.
Vavolombelon’i Jesoa Kristy
Afaka manampy anao hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy ity lesona ity. Na efa fantatrao fa velona Izy na mbola manontany tena ianao raha tena misy marina Izy, dia afaka manampy anao ho tonga amin’ny fahalalana Azy tsara kokoa amin’ny alalan’ireo vavolombelon’ Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny halalin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy amin’izao fotoana izao dia tsy manan-danja tahaka ny fanirianao hahalala Azy tsara kokoa izay mandroso hatrany.
Halalino ireo zavatra nosoratan’ny roa farafahakeliny amin’ireto vavolombelon’i Jesoa Kristy manaraka ireto. Hevero ny hirakitra an-tsoratra izay zavatra ianaranao sy tsapanao rehefa mandalina ianao.
-
Jakôba—Mitadiava fampianarana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manan-danja aminao nozarain’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9–10. (Ny andininy mety ho hitanao dia ny 2 Nefia 9:10–12, 20–23, 41; 10:25.)
-
Isaia—Mitadiava fampianarana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manan-danja aminao nozarain’i Isaia ao amin’ny 2 Nefia 12–24. (Ny andininy mety ho hitanao dia ny 2 Nefia 16:1–3; 17:14; 19:6–7; 22:2; 24:3.)
-
Nefia—Mitadiava fampianarana na fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy izay manan-danja aminao tamin’ny zavatra nosoratan’i Nefia manokana. (Ny andininy mety ho hitanao dia ny 1 Nefia 11:31–33; 19:8–10; 2 Nefia 4:18–21; 25:26, 29.
Vavolombelona maoderin’i Kristy
Tsarovy fa i Nefia dia nijoro ho vavolombelona fa “nandefa vavolombelona misimisy Andriamanitra” (2 Nefia 11:3). Ny sasany amin’ireo vavolombelona ireo dia ireo Apôstôlin’ny andro farany. Jereo ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny roa farafahakeliny amin’ireto vavolombelona maoderin’i Jesoa Kristy manaraka ireto. Henoy tsara ireo fahatsapana sy eritreritra mety horaisinareo avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mijery ianareo. Ny horonan-tsary feno dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Ny tenivavolombelonao momba an’i Jesoa Kristy
Mariho fa i Nefia dia nisafidy mpaminany iray noderainy (i Isaia), olona iray fantany manokana (i Jakoba rahalahiny), ary ny fijoroan’ny tenany manokana ho vavolombelona mba ho vavolombelona telo hanamarina ny maha tena misy marina an’i Jesoa Kristy.