Seminera
2 Nefia 17–19: Ireo anarana iantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy


“2 Nefia 17–19: Ireo anarana iantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 17–19,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 17–19

Ireo anarana iantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy

Nahoana no olona iray azonao itokiana i Jesoa Kristy Mpamonjy? Ao amin’ireo toko ireo, ny Tompo dia namporisika mpanjaka roa izay norahonana tafika mahery hatoky Azy. Avy eo dia naminany momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy i Isaia, sy nitanisa ny maro tamin’ireo anarana iantsoana Azy sy ireo toetrany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hatoky an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana sy fahatakarana ny toetrany sy ny anarana iantsoana Azy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Inona no azontsika ianarana avy amina anarana iantsoana?

Alaivo sary an-tsaina hoe mbola tsy nahita ireto olona efatra manaraka ireto mihitsy ianao, saingy fantatrao ny anarana iantsoana azy ireo:

  • Dokotera

  • Mpitandro filaminana

  • Eveka

  • Filohan’ny Zatovovavy

  • Iza amin’ireo olona ireo no hanatonanao hitadiavanao fanampiana raha nisy olona nanandrana nandroba anao? Raha manana olana ara-pahasalamana sarotra ianao? Hitadiavana torohevitra ara-panahy?

  • Amina toe-javatra hafa inona no mety haha-hany olona mahafeno ny fepetra enti-manampy an’ireo olona ireo?

  • Manampy anao hahatakatra ny zavatra ahafenoan’izy ireo fepetra ahafahany manampy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana ny anarana iantsoana azy ireo?

Makà fotoana hisaintsainana izay zava-misy na fanamby mety hatrehinao ka ilanao fanampiana.

Manana anjara asa sy anarana iantsoana maro i Jesoa Kristy. Ny tsirairay amin’izy ireo dia mampianatra antsika zavatra manan-danja momba Azy sy ny fahafahany manampy antsika. Rehefa mandalina ianao anio, dia tadiavo ny anarana iantsoana Azy sy ny anjara asany ary saintsaino ny hoe mety ho Izy ihany no mahafeno fepetra hanampy anao.

Ny tenin’ny Tompo tamin’ireo mpanjakan’i Joda anankiroa

Nandritra ny andron’i Isaia dia samy niatrika toe-javatra faran’izay sarotra i Ahaza mpanjakan’i Joda ary avy eo dia ny zanany lahy, i Hezekia mpanjaka: nandrahona ny hanafika azy ireo ny firenena matanjaka. Amin’ireo tranga roa ireo dia namporisika ireo mpanjaka sy ny vahoakany hatoky Azy ny Tompo fa tsy hanao fifanekena amin’ny firenena hafa. Vakio ireto andininy manaraka ireto hitadiavana andian-teny milaza fa nanasa azy ireo hatoky Azy ny Tompo.

  • 2 Nefia 17:3–7. I Ahaza mpanjaka dia norahonan’i Rezina mpanjakan’i Syria sy i Peka mpanjakan’i Isiraely izay nikasa ny hanafika sy hametraka mpanjaka vaovao eo amin’ny seza fiandrianana.

  • 2 Nefia 18:11–13, 17. I Hezekia mpanjaka dia notafihin’ny Asyriana ary nahalala fa tsy dia matanjaka loatra ny tafiny ka hahasakana azy ireo. (Ny teny hoe kaonfederasiona dia manondro famoronana fifanekena amina firenena hafa mba hiarovana ny tenan’izy ireo.)

  • Inona no hitanao?

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny mpanjaka iray sy ny vahoakany ny hatoky ny Tompo raha oharina amin’ny fanaovana fifanekena atao amina firenena hafa?

  • Inona no ilain’izy ireo fantarina momba ny Tompo mba hatokiany Azy?

Rehefa manohy mandalina ianao, dia saintsaino ny dikan’ny hoe matoky ny Tompo amin’ireo fanamby manokana atrehinao.

Anarana iantsoana ny Mpamonjy

Ao amin’ny andininy iray nohalalininao, i Isaia dia nampiasa anarana iantsoana manokana an’i Jesoa Kristy izay, raha azo tsara, dia afaka manampy ireo mpanjaka ireo sy ny vahoakan’izy ireo hatoky Azy. Avereno jerena ny 2 Nefia 18:13 ary hevero ny hanamarika io anarana iantsoana io.

Ny famantarana sy fahatakarana ireo anarana iantsoana ny Mpamonjy dia afaka manampy antsika hahalala, sy hitia, ary hatoky Azy kokoa eo amin’ny fiainantsika. Mba hanampiana anao hahatakatra ilay anarana iantsoana hoe “Tompon’ny maro,” dia jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny dikany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy?

    • Ahoana no amaritan’io anjara asa io fa ny Mpamonjy no hany mahafeno fepetra hanampy ireo mpanjaka ireo sy ny vahoakan’izy ireo rehefa rahonan’ny tafika hafa izy ireo?

Ireo faminanian’i Isaia

Naminany momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fanjakany arivo taona tamin’ireo mpanjaka ireo sy ny olon’izy ireo ihany koa i Isaia. Vakio ny 2 Nefia 17:14–15; 19:2, 6–7, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Isaia momba an’i Jesoa Kristy, indrindra fa ny anarana iantsoana Azy.

Raha te hamantatra anarana hafa iantsoana ny Mpamonjy voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hatreto ianao, dia hevero ny hamaky ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto: 1 Nefia 10:4–6; 12:18; 13:41; 15:14–15; 17:30; 19:12; 2 Nefia 1:10; 2:6, 10; 9:5, 46; 10:3, 14; 15:16. Misy anarana iantsoana sy andinin-tsoratra masina ihany koa ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra Masina, eo ambanin’ny hoe “Jesoa Kristy.”

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Mifantena anarana iray iantsoana ny Mpamonjy izay tianao hofantarina kokoa. Avy eo dia ataovy izao manaraka izao:

    • Hazavao ny dikan’io andininy io aminao. (Hevero ny hijery ilay anarana iantsoana ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Raha tsy ao anaty lisitra ilay anarana iantsoana, dia hevero ny handalina teny iditra ankapobeny momba an’i Jesoa Kristy ary hisaintsaina izay mety hifandraisan’ilay anarana iantsoana nofidinao amin’ny toetrany sy ny iraka nataony amin’ny ankapobeny. Mety hanampy ihany koa ny hijery ilay anarana iantsoana amina rakibolana mahazatra.)

    • Mieritrereta tantara iray na mitadiava sary iray izay maneho ny Mpamonjy manao asa amin’ny anjara asa noraisinao.

    • Hazavao ny zavatra ampianarin’ilay anarana iantsoana anao momba ny hoe iza ilay Mpamonjy, ny antony manosika Azy, ny fitiavany ary ny heriny.

    • Hazavao ny fomba amaritan’io anjara asa io ny Mpamonjy ho hany mahafeno fepetra hanampy anao amin’ny fiainanao sy ny antony mety hahafahanao matoky Azy. (Izany dia mety hahitana ny fomba efa nanampian’ny Mpamonjy anao teo amin’ny fiainanao.)

Matoky ny Tompo

Indrisy anefa, nisafidy ny tsy hino an’i Isaia i Ahaza mpanjaka sy ny maro tamin’ireo olon’i Joda ary tsy natoky ny Tompo hiaro azy ireo. Voatafika ny vahoakany ary maro no voasambotra sy nandevozina. (Jereo ny 2 Mpanjaka 16; 2 Tantara 28.) Tsy tahaka an-drainy, i Hezekia Mpanjaka dia nisafidy ny hatoky ny Tompo sy hanaraka ny torohevitr’i Isaia. Vokatr’izany, narovan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fandefasany anjely iray hamotika ilay tafika nanafika ny olona tao Jerosalema. (Jereo ny 2 Mpanjaka 19:15–20, 32–35.)

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao momba an’i Jesoa Kristy tao amin’io lesona io. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny fomba ahafahanao mampitombo ny fahatokianao Azy. Azonao atao ny manoratra anarana iantsoana na anjara asa manokana ananany sy ny fomba tianao hahatokiana kokoa Azy amin’izay anjara asa izany.

Hamoaka printy