Seminera
2 Nefia 12–15: “Ny zavatra hitranga amin’ny andro farany”


“2 Nefia 12–15: ‘Ny zavatra hitranga amin’ny andro farany,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 12–15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 12–15

“Ny zavatra hitranga amin’ny andro farany”

Sary
tendrombohitra sy andry afo

Efa hitanao ve fa ny mpaminany sasany dia miteny sy mampianatra ary manoratra amina fomba mahakasika ny fanahinao? Ho an’i Nefia dia i Isaia izany. “Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny teniny,” hoy ny nosoratan’i Nefia (2 Nefia 11:2) Mety ho finaritra amin’ny zavatra nambaran’ny Tompo momba ny andro farany tamin’ny alalan’i Isaia ihany koa ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ireo faminaniana an’ohatra nataon’i Isaia sy hisaintsaina ny fomba ahafahan’izany manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny tsara indrindra sy ny ratsy indrindra

Sary
icon, record
  1. Farano irery ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fehezan-teny manaraka ireto:

  • Ny zavatra tsara indrindra mahakasika ny hoe miaina ao anatin’nyy andro farany dia—

  • Ny zavatra ratsy indrindra mahakasika ny hoe miaina ao anatin’ny andro farany dia—

Nanambara fitahiana sy fampitandremana momba ny fiainana amin’ny andro farany tamina mpaminany taloha maro ny Tompo. Iray amin’ireny mpaminany ireny i Isaia mpaminanin’ny Testamenta Taloha, izay nipetraka tany Jerosalema zato taona mahery kely talohan’i Lehia sy ny fianakaviany. I Nefia dia nahalala fa vavolombelona hafa kelin’i Jesoa Kristy i Isaia (jereo ny 2 Nefia 11:2) ary tena finaritra tamin’ny teniny ka naka fotoana izy hampidirany ny maro tamin’ireo faminanian’i Isaia ho ao amin’ny rakitsorany.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto. Hiverina amin’ireo fanontaniana ireo indray ianao any amin’ny fiafaran’ny lesona.

  • Inona no antony mety hanambaran’ny Tompo fitahiana sy fampitandremana momba ny andro farany amintsika?

  • Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fahalalana ireo zavatra ireo anao?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamaly ireo fanontaniana ireo mandritra ny lesona.

Ireo olana amin’izao androntsika izao

I Isaia dia nampitandrina antsika amina fitondrantena sy fisainana amin’ny andro farany. Vakio ireto andian’andininy manaraka ireto, hitadiavana ny zavatra naminanian’i Isaia.

  • Inona no zavatra nanaitra anao?

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ireo zavatra ireo eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Nahoana no fitahiana ny nitenenan’ny Tompo antsika hitandrina amin’ireo zavatra ireo?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia mitadiava fitahiana nomen’ny Tompo ho an’ny andro farany. Saintsaino ny fomba mety hanampian’izany fitahiana izany antsika rehefa miatrika ireo fanamby hitan’i Isaia mialoha.

Ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo

Nampiasa sariohatra maro i Isaia tao amin’ny faminaniany. Ny fisaintsainana ny zavatra asehon’ireny sariohatra ireny dia afaka manampy anao hamoha heviny ho an’ny tena manokana avy ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny 2 Nefia 12:1–3, hitadiavana ny sariohatra fototra nampiasain’i Isaia hampianarana ny “zavatra hitranga amin’ny andro farany” (2 Nefia 12:2).

  • Mety ho inona araka ny hevitrao no tondroin’ny hoe “tendrombohitry ny tranon’ny Tompo”? Nahoana?

Mety hanampy ny hisaintsainana raha toa ka nanan-danja tao amin’ny soratra masina hafa ny sariohatra iray, amin’ity tranga ity dia tendrombohitra. Ohatra, i Mosesy sy ny mpaminany hafa dia nandeha nankany an-tendrombohitra mba hahalala ny Tompo ary handray toromarika avy Aminy (jereo ny Eksodosy 320). Nisy fotoana ny tendrombohitra dia nampiasaina amin’ny tanjona mitovy amin’ny tempoly.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny tendrombohitra iray hitovy amin’ny tempoly?

Rehefa fantatra ilay sariohatra, dia avereno vakina ireo andininy ireo ary tadiavo ny zavatra ataon’ny Tompo ho antsika ao an-tranony.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no nanampian’ny fitsaohana any amin’ny tempoly (na fiomanana hiditra ny tempoly) anao hianatra ny lalan’ny Tompo na handeha amin’ny lalany?

  • Ahoana no ahafahan’ny tempoly manampy antsika rehefa miatrika ireo olan’ny andro farany isika?

Rahona sy afo

Nanome faminaniana iray hafa i Isaia. Vakio ny 2 Nefia 14:5–6, hitadiavana ny zavatra hataon’ny Tompo ho an’ny olony. Mety hilainao ity fampahalalana manaraka ity:

  • Ny fitoerana dia trano.

  • Ny fivorian’ny Tendrombohitra Ziona dia toerana ihaonan’ny vahoakan’ny Tompo, toy ny sampana, paroasy ary tsatòka.

  • Ny tabernakely tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nanondro manokana ny lay iray azo nentina nandehandeha izay nampiasaina ho tempolin’ny Isiraelita an-jato taonany. Izany dia afaka maneho ny tempoly na toeram-pivavahana iray ankehitriny.

  • Ny fierena dia toeram-piarovana iray na fialofana.

  • Inona araka ny hevitrao no asehon’ny rahona mandritra ny andro sy ny afo midedadeda nony alina?

  • Nanao ahoana ny lanjan’ny rahona sy ny afo tamin’i Mosesy sy ny zanak’i Isiraely? (jereo ny Eksodosy 13:21).

  • Miaraka amin’izany fahatakarana izany, inona araka ny eritreritrao no nampanantenain’ny Tompo fa hataony ho an’ny olony ao amin’ny 2 Nefia 14:5–6?

Nanome fampanantenana mitovitovy amin’izany ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ho toera-mimanda ho an’ny tenantsika manokana ho fiarovana ny manodidina antsika sy hiaro antsika amin’ny herin’ilay ratsy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy, ny tokantranontsika, ny fianakaviantsika ary ny maha-mpikambana antsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. (Ronald A. Rasband, “Manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana,” Liahona, mey 2019, 110)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no naha toeram-piarovana ara-panahy sy fialofana ho anao ny trano, na ny paroasy, na ny sampana na ny tempoly misy anao?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampanantenana ireo manampy antsika rehefa miatrika ireo fanambin’ny andro farany isika?

Ny tenin’i Isaia eo amin’ny fiainanao

Makà fotoana hamaliana ireo fanontaniana telo nosaintsaininao tany am-piandohan’ny lesona. Hevero ny hanoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao momba ny Tompo sy ny fomba ahafahan’ireo faminaniana ireo manampy anao. Azonao ampidirina ao anatin’izany ny fitondrantena sy fisainana tianao hialana, eo ihany koa ireo fomba mety hahafahanao mikatsaka fanampiana ara-panahy avy amin’ny Tompo ao an-trano, na paroasy na sampana na ao amin’ny tempoly misy anao.

Hamoaka printy