Seminera
2 Nefia 25: Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy


“2 Nefia 25: Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 25,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 25

Voavonjy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
Jesoa Kristy

Efa nisy olona iray nanamaivana na nanavotra anao tamina toe-javatra sarotra ve? Inona no tsapanao momba izany olona izany taorian’ny fanampiany? Rehefa avy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ireo fampianarana ara-paminaniana i Nefia, dia nijoro ho vavolombelona izy fa i Jesoa Kristy irery ihany no manana ny hery hamonjena ny olona rehetra. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny fomba hamonjena anao amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Ny lalan-tokana ahafahantsika ho voavonjy

  • Afaka mieritreritra fotoana iray nanavotana na namonjena anao na olona iray fantatrao ve ianao? Inona no nitranga? Inona no tsapanao tamin’izany?

Ao amin’ny 2 Nefia 25, i Nefia dia nampahatsiahy ny olony fa ireo mpaminany dia nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mesia, izay midika hoe Ilay Voahosotra na Mpanafaka ny olona rehetra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Noraketin’i Nefia an-tsoratra fa na dia hiely aza ny Jiosy noho ny tsy finoan’izy ireo, raha mino an’i Jesoa Kristy izy ireo, dia hanangona sy “[hampody azy ireo] amin’ny laoniny ho afaka amin’ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana” ny Tompo (2 Nefia 25:15–17).

Vakio ny 2 Nefia 25:18–20, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny fomba hamonjena ny Jiosy (sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra). Mety hanampy ny fahafantarana fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe anarana dia azo ampiasaina hanehoana ny hery sy fahefan’ny olona iray. Marina tokoa izany indrindra rehefa ny Mpamonjy no tondroina.

  • Inona no amonjen’i Jesoa Kristy antsika?

  • Mety hanao ahoana raha toa ka tsy nanana Mpamonjy isika?

Voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana

Vakio ny 2 Nefia 25:23, hitadiavana ny fomba amonjen’i Jesoa Kristy antsika.

  • Inona avy ireo fanontaniana sasantsasany mety hapetrakao mba hahazoana fahatakarana lalina kokoa momba ireo fampianaran’i Nefia ao amin’ny andininy 23?

Ity tahirin-kevitra manaraka ity dia afaka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana mety anananao momba ny andininy 23.

Ny fahasovana dia fanampiana na hery avy amin’ Andriamanitra omena antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy. …

Ny fahasoavana dia fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra nomena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany lahy. Ny teny hoe fahasoavana araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia manondro voalohany indrindra ny hery mampatanjaka sy manasitrana ara-panahy natolotra tamin’ny alalan’ny famindrampo sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy. (Sujets de l’Évangile, “Grâce,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Nanazava toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tamin’izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Manontany tena aho indraindray sao diso ny fandraisantsika ny teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.” Tsy maintsy tokony ho takatsika fa ny hoe “rehefa” dia tsy mitovy amin’ny hoe “noho.”

Tsy voavonjy isika “noho” ireo zavatra rehetra azontsika atao. Moa ve isika rehetra samy nahavita ny zavatra rehetra izay azontsika natao? Moa ve Andriamanitra miandry antsika hahavita ny ezaka rehetra alohan’ny hidirany an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’ny famindrampony mahavonjy?

Maro ny olona no kivy satria tsy mahomby foana izy ireo. Fantatr’izy ireo tsara mihitsy fa “mety ihany ny fanahy fa ny nofo no malemy” [Matio 26:41]. Niara-nanandra-peo tamin’i Nefia izy ireo ka nanao hoe, “Malahelo ny fanahiko noho ny fahotako” [2 Nefia 4:17].

Tena azoko antoka fa fantatr’i Nefia fa ny famindrampon’ny Mpamonjy no mamela antsika sy manome fahafahana antsika handresy ny fahotana [jereo ny Almà 34:31]. Izany no antony nahatonga an’i Nefia niasa mafy mba handresy lahatra ireo zanany sy rahalahiny “mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra” [2 Nefia 25:23].

Rehefa dinihina tokoa dia, izany no azontsika atao! Ary izany no adidintsika eto amin’ny fiainana an-tany! …

Anio sy ho mandrakizay, dia ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ny fahasoavan’ Andriamanitra [jereo ny 3 Nefia 9:19–20]. (Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 110)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no hamaritanao ireo zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy, satria fantatrao fa afaka mahazo manokana ny fahasoavany ianao?

    • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao mahazo ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

    • Lafiny inona avy eo amin’ny fiainanao no mety ho hafa raha mahatsapa kokoa ny fahasoavan’ny Mpamonjy ianao? Amin’ny fomba ahoana?

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay lalan-tokana ahafahanao ho voavonjy. Inona no hafatra na fahamarinana nanan-danja indrindra taminao na nahatonga anao ho te hidera an’i Jesoa Kristy? Inona no tsapanao fa tokony hataonao noho ny zavatra nianaranao sy tsapanao? Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ireny eritreritra ireny ao amin’ny diary fandalinanao.

Mifalia ao amin’i Kristy

Satria nahalala momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny heriny hamonjena i Nefia, dia nanoratra izy mba hanampiana ny hafa hino an’i Kristy. Vakio ny 2 Nefia 25:26 hitadiavana ny zavatra azontsika atao mba hanampiana ny hafa hino an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ireo teny milaza asa samihafa izay ampiasaina ao amin’io andininy io.

  • Inona avy ireo teny ao amin’io andininy io izay nisarika ny sainao?

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nozarain’ny olona iray hafa momba an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy ho mafy orina amin’ny alalan’ny fizarana amin’ny hafa ireo zavatra tsapan’ny tena manokana momba Azy?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Ataovy ity manaraka ity ary raketo an-tsoratra ny ampahan’ny zavatra hozarainao amin’ilay olona tonga ao an-tsainao, saingy aza omena ny anarany.

    Mieritrereta olona iray eo amin’ny fiainanao izay mety ho afaka hahazo tombony amin’ny fampahatsiahivana azy momba ny fitiavana sy ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Mamoròna hafatra (toy ny hafatra fohy, zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera, na taratasy manokana) izay azonao zaraina amin’izy ireo.

Hamoaka printy