Seminera
2 Nefia 28:1–26: Mamantatra sy mandresy ireo tetikadin’i Satana


“2 Nefia 28:1–26: Mamantatra sy mandresy ireo tetikadin’i Satana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 28:1–26,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 28:1–26

Mamantatra sy mandresy ireo tetikadin’i Satana

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Mahatsiaro ho matoky tena amin’ny fahaizanao mamantatra ny ezaka ataon’i Satana hitarihana anao hiala amin’ny Mpamonjy ve ianao? Nahita ny sasany amin’ireo hevi-diso sy paikady hampiasain’i Satana eo amin’ny fiezahana mba hampanalavitra ny olona amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kisty amin’ny andro farany i Nefia. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahafantatra ireo tetikadin’i Satana feno hafetsifetsena sy hikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy mba handresena izany.

Ireo tanjon’i Satana

Mandray anjara amin’ny ady iray amin’ny ratsy izay mitohy isika. Ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika ao amin’io ady io:

Mampiharihary ireo fahavalon’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Mandrava ireo fotopampianarana sandoka izy io ary mampitsahatra ny fifandirana. (Jereo ny 2 Nefia 3:12.) Hampatanjahany eo anatrehan’ireo lamina sy tetika ratsy ary ireo fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao ireo mpanara-dia an’i Kristy feno fanetrentena. (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Jan. 1988, 3)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao ny Bokin’i Môrmôna manao ny sasany amin’ireo zavatra ampianarin’ny Filoha Benson ireo?

Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahafantatra sy handresy tsara kokoa ireo tetikadin’i Satana feno hafetsifetsena.

Fampianaran-diso sy paikadin’i Satana

Ao amin’ny 2 Nefia 28, i Nefia dia nanohy ny faminaniany momba ny andro farany. Vakio ny 2 Nefia 28:5–9 mba hitadiavana ny sasany amin’ireo fampianarana sy toe-tsaina izay hitan’i Nefia fa hisy amin’izao androntsika izao.

  • Inona no porofo hitanao maneho ireo fampianarana sy toe-tsaina ireo amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no maha-zava-doza ara-panahy ireo fampianaran-diso voalaza ao amin’ireo andininy ireo sy ny toe-tsain’ireo izay mino izany?

Ireo andininy ireo dia maneho ny sasany amin’ireo toe-tsaina sy finoana izay vokatry ny famitahan’i Satana. I Nefia dia nanohy ny fampianarany tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ireo paikady manokana hampiasain’i Satana eo amin’ny fiezahana mba hihazona antsika amin’ny heriny.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao izao manaraka izao: I Satana dia mikatsaka izay hihazonana antsika amin’ny gadrany maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny …

Vakio ny 2 Nefia 28:19–22 mba hitadiavana fampianarana izay afaka manampy anao hameno io teny nambara io:

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Raha miainga amin’ny zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy ireo dia inona avy ireo fomba sasantsasany azonao amenoana ilay teny nambara hoe: I Satana dia mikatsaka izay hihazonana antsika amin’ny gadrany maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny …?

Fahamarinana iray izay azontsika ianarana ny hoe: I Satana dia mikatsaka izay hihazonana antsika amin’ny gadrany maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny …

  • famporisihana ny olona ho tezitra amin’izay tsara.

  • fampitoniana sy fandrotsirotsiana ny olona amin’ny fiadanana ara-nofo, ary

  • filazana amin’ny olona fa tsy misy izany helo sy devoly izany.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ilay andian-teny hoe “horotsirotsiany amin’ny fiadanana ara-nofo” (andininy 21) dia manondro ny ezaka ataon’i Satana mba hahatsapan’ny olona ho mahazo aina ao amin’ny toetra feno fahotana misy azy ireo ary mba tsy hilany fiovana.

Eritrereto hoe inona amin’ireo tetikadin’i Satana ao amin’ny andininy 20–22 no aseho ao amin’ny tsirairay amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  1. Nanapa-kevitra ny hampiasa hafetsifetsen-dratsy amin’ilay asa hampanaovina azy any an-tsekoly i Maria mba hahafahany mahazo naoty tsara. Nahatsiaro ho meloka izy tamin’ny voalohany, saingy hitany fa tsy tratra mihitsy izy ka lasa nampiasa hafetsifetsen-dratsy tamin’ny asa hafa nampanaovina azy ihany koa tamin’ny farany. Mieritreritra amin’izay izy fa afaka manampy azy mba hahazoana izay tiany eo amin’ny fiainana ny fanaovana zavatra tsy amim-pahamarinana.

  2. Tsikaritr’i Jude fa rehefa mamaky zavatra avoaka amina tambajotran-tserasera momba an’i Jesoa Kristy na ny Fiangonana izy, dia matetika no misy fanehoan-kevitra miiba maro izay mamely ny Fiangonana na olona izay mino ny Mpamonjy.

  3. Manana namana vitsivitsy izay miezaka mandresy lahatra azy hampidina ny haavon’ny fenitra arahiny i Skye. Lazain’izy ireo hoe satria tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana dia hadalana ny manahy momba ny toerana alehan’ny olona hamborahana ireo antsoina hoe fahotan’izy ireo.

  • Inona avy ireo ohatra hafa azonao eritreretina izay maneho ireo paikadin’i Satana voatanisa ao amin’ny andininy 20–22?

Eritrereto ny fiainanao manokana. Mahatsapa ve ianao fa misy amin’ireo paikadin’i Satana nianaranao miantraika aminao? Hevero ny hirakitra an-tsoratra ireo eritreritrao ao anatin’ny diary fandalinanao. Rehefa manohy mandalina ianao, dia tadiavo ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao handresy ny fitak’i Satana eo amin’ny fiainanao.

Mitodika any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handresena an’i Satana

Afaka mandresy an’i Satana sy ny famitahany isika rehefa mitoky amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Foròny ao amin’ny diary fandalinanao ity lohateny manaraka ity: “Ny fomba anampian’ny Ray any An-danitra ahy handresy an’i Satana.”

Mitadiava andinin-tsoratra masina na fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy anao amin’ireo ezaka ataonao handresena an’i Satana. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo hevitra hitanao.

Hevero ny handalina ny sasany amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina voatanisa eo ambanin’ny “Fakam-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Azonao halalinina ihany koa ny fampianaran’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 28:17, 26–32. Ireo andinin-tsoratra masina hafa manampy dia ahitana ny 1 Nefia 15:24; Helamàna 5:12; ary ny 3 Nefia 18:15, 18.

  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo andinin-tsoratra masina hitanao manampy anao handresy ireo paikadin’i Satana nofantarinao tany alohaloha tao amin’ny lesona?

Saintsaino ireo zavatra niainanao tamin’ny fandalinana androany. Makà fotoana hanaovana drafitra miainga amin’ny zavatra tsapanao fa hampanaovin’ny Tompo anao mba hiarovana tsara kokoa ny tenanao amin’ireo tetikadin’i Satana. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao izany drafitra izany. Hanana fahafahana hijery io drafitra io ianao ao anatin’ny lesona hoe “Tombano ny fianaranao” izay ho avy.

Hamoaka printy