“2 Nefia 28:27–32: ‘Izay mandray no homen’ [Andriamanitra] bebe kokoa,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“2 Nefia 28:27–32,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
2 Nefia 28:27–32
“Izay mandray no homen’ [Andriamanitra] bebe kokoa”
Manana fanontaniana ara-panahy tsy voavaly ve ianao, na maniry ny hivelaran’ny fijoroana ho vavovolombelona anananao haingana kokoa ve ianao indraindray? Nohazavain’i Nefia fa ny fahalalana avy amin’ny Ray any An-danitra dia tonga tsikelikely rehefa vonona ny hanohy handray ny zavatra ampianariny antsika isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fomba anambaran’ny Ray any An-danitra fahamarinana amintsika.
Mampianatra antsika tsikelikely Andriamanitra
Alaivo sary an-tsaina hoe mijery tohatra lava be iray izay maneho ny fahalalanao sy ny fahatakaranao ara-panahy ianao.
-
Raha toa ka maneho ny fahalalan’ Andriamanitra ny tampon’ilay tohatra, dia aiza araka ny eritreritrao no misy ny ambaratongam-pahalalanao ankehitriny?
-
Inona avy ireo fomba anampian’ Andriamanitra antsika mba hampitombo ny fahalalantsika sy fahatakarantsika ara-panahy rehefa mandeha ny fotoana?
-
Inona no hitranga amin’ny olona iray izay tsy manao ny dingana manaraka fa mahatsapa ho afa-po amin’ny fahalalana efa ananany?
Ao amin’ny 2 Nefia 28, i Nefia dia nanohy ny faminaniany momba ny andro farany. Namaritra ny sasany amin’ireo toe-tsaina izay hanjaka amin’izao androntsika izao izy ary nizara lamina iray izay ampiasain’ny Tompo mba hanampiana antsika handray sy hahatakatra fahamarinana.
Vakio ny 2 Nefia 28:26–30, ary saintsaino ny fomba anampian’ilay fifanahafana amina tohatra anao hahatakatra ireo fahamarinana nampianarin’i Nefia momba ny Tompo. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny fitsipika dia didy na fitsipika izay mampianatra antsika ny fomba fanaovana asa.
-
Inona no anampian’io andinin-tsoratra masina io anao hahatakatra ny momba ny Tompo? Ahoana no ahafahan’io fahatakarana io mitahy ny fiainanao?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mandà ny fahafahana hianatra tenin’ Andriamanitra misimisy kokoa noho izay efa ananany ny olona sasany?
Avereno vakina ny andininy 30 ary eritrereto ny fomba hamintinanao amin’ny teninao manokana ny zavatra ampianarin’izany. Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ny famintinanao ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’io andininy io.
Lamina iray ho an’ny fivoarantsika ara-panahy
Iray amin’ireo fahamarinana hita ao amin’io andinin-tsoratra masina io ny hoe Manambara ny fahamarinana andalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra amin’ireo izay handray izany Andriamanitra.
ChurchofJesusChrist.org
Mamakia roa farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hitadiavana izay zavatra anampiany ny fahatakaranao ny 2 Nefia 28:30. Hevero ny hampifandray ireo andininy ireo amin’ny 2 Nefia 28:30 ao amin’ny soratra masinao.
Saintsaino ny fomba nitomboan’ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona nanananao tsikelikely rehefa nandeha ny fotoana. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hotadidinao sy hataonao noho ny zavatra nianaranao androany.