Seminera
2 Nefia 32:1–7: “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy”


“2 Nefia 32:1–7: ‘Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 32:1–7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 32:1–7

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy”

Sary
fianakaviana misakafo hariva

Makà sary an-tsaina fety fankalazana iray misy sakafo matsiro be dia be. Ahoana no fahitanao ny tenanao mankafy sakafo be toy izany? Rehefa avy nampianatra ny olony momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana i Nefia, dia tsapany fa mbola tsy nahazo antoka ny zavatra tokony hatao aorian’ny batisa izy ireo. Namaly tamin’ny alalan’ny famporisihana ny olony “hivoky amin’ny tenin’i Kristy” izy ary nanome toky fa ny tenin’ny Tompo no hitarika azy ireo handroso (2 Nefia 32:3). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hivoky amin’ny tenin’i Jesoa Kristy.

Fotoana hisakafoanana!

Jereo ireto sary manaraka ireto ary eritrereto ny fitovitoviana sy ny fahasamihafana eo amin’ny fihinanana tsakitsaky, na fihinanana sakafo tsotra mahazatra, na fihinanana sakafo be mandritra ny fotoana manokana iray.

Sary
akondro
Sary
Vary iray lovia
Sary
sakafo be
  • Inona avy ireo fitovitoviana sy fahasamihafana neritreretinao?

  • Raha ampitahaintsika amin’ireo fomba fihinanana telo ireo ny fandalinana ny tenin’i Kristy, dia mety maneho inona izy tsirairay ireo?

Maniry ny hanome anao tari-dalana, fitarihana, fanampiana, ary fampiononana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fotoana farany nandalinanao ny tenin’ny Mpamonjy. Hofaritanao ho toy ny mihinana tsakitsaky, sa mihinana sakafo tsotra mahazatra, sa mihinana sakafo be ve ilay zavatra niainanao? Ahoana ny momba ny tao anatin’ny herinandro na volana lasa? Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny naha-fitahiana teo amin’ny fiainanao ny fandalinana ny tenin’i Kristy. Mikatsaha ihany koa fitaomam-panahy hanampy anao hahafantatra ny fomba hanatsarana ny ezaka ataonao hivoky amin’ny tenin’i Kristy.

Ny tenin’i Jesoa Kristy

Tsarovy fa i Nefia dia nampianatra ny olony momba ny “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” sy ny fepetra takina hanombohana izany dia izany (jereo ny 2 Nefia 31:17–18). Tsikaritr’i Nefia fa nanontany tena momba ny zavatra hatao aorian’ny fandraisana ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fomba hanohizana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny olony.

Vakio ny 2 Nefia 32:1–3 mba hitadiavana ny torohevitr’i Nefia momba ny fandalinana ny tenin’i Kristy. Rehefa manao izany ianao, dia eritrereto ireo fanahianao, ireo fanontaniana anananao, ireo zavatra ilainao manokana ary ny fomba ahafahanao mahazo tombontsoa avy amin’ireo fampianaran’i Nefia. Mety hanampy ny fahafantarana fa ilay andian-teny hoe “miteny amin’ny fitenin’ny anjely?” (2 Nefia 32:2) “dia midika fotsiny hoe … miteny miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina” (Boyd K. Packer, “The Gift of the Holy Ghost: What Every Member Should Know,” Ensign, Aug. 2006, 50).

Ny 2 Nefia 32:3 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-javatra iray.

  • Inona no hitanao?

Fahamarinana iray mety ho hitanao tao amin’ny 2 Nefia 32:3 ny hoe rehefa mivoky amin’ny tenin’i Jesoa Kristy isika, dia hilaza amintsika ny zava-drehetra tokony hataontsika izany. Hevero ny hanisy marika io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masinao.

  • Aiza no ahafahantsika mahita ny tenin’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampiasa ny teny hoe “mivokisa” i Nefia rehefa namaritra ny fomba tokony handalinantsika ny tenin’ny Mpamonjy (2 Nefia 32:3)?

Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Takashi Wada ao amin’ny Fitopololahy manaraka ity. Raha misy dia hevero ny hijery ny hafatry ny Loholona Wada ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:53 ka hatramin’ny 1:42.

Sary
Loholona Takashi Wada

Fony aho mbola tanora, dia nihevitra aho fa ny dikan’ny hoe mivoky dia tsy inona fa mihinana sakafo be ahitana vary, sy sushi, ary saosy soja. Fantatro ankehitriny fa ny tena hoe mivoky dia mihoatra noho ny fankafizana sakafo matsiro. Izany dia zavatra iainana feno fifaliana, famelomana, fankalazana, fizarana, fanehoam-pitiavana amin’ny fianakaviana sy ny olon-tiana, fanambarana ny fankasitrahantsika an’ Andriamanitra, ary fanorenana fifandraisana eo am-pankafizana sakafo betsaka sy tena matsiro. Mino aho fa rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia tokony hieritreritra zavatra iainana mitovy karazana amin’izany. Ny fivokisana amin’ny soratra masina dia tsy famakiana izany fotsiny. Tokony hitondra fifaliana marina ho antsika izany ary hanorina ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy. (Takashi Wada, “Mivoky amin’ny tenin’i Kristy,” Liahona, mey 2019, 38–39)

  • Inona no nanan-danja taminao tao anatin’ny teny nambaran’ny Loholona Wada?

  • Inona no manampy anao, na afaka manampy anao, tsy hamaky fotsiny ny tenin’i Kristy fa hivoky amin’izany?

  • Rehefa mahatsiaro ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ianao, dia nahoana no mety mitondra fahatsapana fifaliana, famokisana, ary fitiavana ny teniny?

  • Ahoana no ahafahan’ny fivokisana amin’ny tenin’ny Mpamonjy manome fitarihana ho an’ny fiainanao sy milaza ny zavatra tokony hataonao?

ChurchofJesusChrist.org

Ny fiheverana ny zavatra niainanao manokana dia afaka manampy anao hivoky amin’ny tenin’i Kristy.

Misy fomba fandalinana maro hanatsarana ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy izay mety hanampy, tafiditra ao anatin’izany ny fivavahana mba hahazoana fitaomam-panahy alohan’ny handalinanao, ny fametrahana fanontaniana anananao mialoha sy mandritra ny fandalinana, ny famaritana teny, ny fisaintsainana, ny fampifandraisana soratra masina, ny fandraisana naoty, ny fitadiavana fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy, ary ny fampiharana ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika manokana (Jereo ny 1 Nefia 19:23).

  • Inona no fahatsapana ankapobeny na tari-dalana manokana tonga taminao teo am-pivokisana ny tenin’i Kristy?

Mivoky amin’ny tenin’i Kristy

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany, dia makà minitra maromaro hampiharana ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy. Izany dia mety hahitana fandalinana soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany. Miezaha manatanteraka ny iray na ny maromaro amin’ireto manaraka ireto rehefa mivoky ianao:

  • Aoreno ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Tiavo sy itokio kokoa Izy ireo.

  • Mitadiava fahamarinana izay mitondra fifaliana sy famokisana ho anao.

  • Mandraisa tari-dalana amin’ny zavatra tokony hataonao eo amin’ny fiainanao.

Sary
mari-pamantarana, raketo
  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Raketo an-tsoratra ny sasany amin’ireo zavatra nianaranao, tsapanao, ary niainanao teo am-pivokisana tamin’ny tenin’i Kristy.

Hamoaka printy