Seminera
Almà 37–38: “Mianara amin’ny fahatanoranao”


“Almà 37–38: -Mianara amin’ny fahatanoranao,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 37–38,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Bokin’i Môrmôna

Almà 37–38

“Mianara amin’ny fahatanoranao”

Sary
ray sy zanaka lahy eo am-pamakiana zavatra

Inona avy ireo lesona sasantsasany nianaranao avy tamin’ny ray aman-dreninao na ireo mpitarika anao ato amin’ny Fiangonana? Inona avy ireo zavatra sasantsasany antenainao hampianarina ny zanakao indray andro any? Takatr’i Almà fa manana andraikitra masina hampianatra ny zanak’izy ireo ny ray aman-dreny. Taorian’ny iraka nataony tany amin’ny Zôramita, i Almà dia namory ireo zanany lahy mba hampianarany sy homeny famporisihana. Nanoro hevitra azy ireo hitandrina ny didin’ Andriamanitra izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hianatra fa ny fiainana ny didy amin’izao fotoana izao dia hitahy anao mandritra ny fiainanao manontolo.

Torohevitra avy amina ray na reny iray

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nizara ity tantara manaraka ity:

Tao anatin’ny resadresaka natao tamin’ny mpanao gazety izay navoaka tao amin’ny gazetibokim-pirenena iray, dia nangatahana i Jabari Parker mpilalao basikety amerikana fanta-daza avy amin’ny NCAA (The National Collegiate Athletic Association), izay mpikamban’ny Fiangonana, mba hizara ny torohevitra tsara indrindra azony avy tamin’ny rainy. Namaly i Jabari hoe: “Izao no nolazain’ny raiko, aoka ianao hijanona ho ilay olona iray iny ihany na ao anatin’ny haizina na ao anatin’ny mazava.” Torohevitra manan-danja … ho antsika rehetra izany. (Thomas S. Monson, “Mahereza sy matanjaha,” Liahona, mey 2014, 68)

Alaivo sary an-tsaina hoe hanaovana fanadihadihana ianao ary mametraka aminao ireto fanontaniana manaraka ireto ilay mpanadihady:

  • Inona no torohevitra tsara indrindra noraisinao tamin’ny rainao na ny reninao na ny mpitarika anao ato amin’ny Fiangonana?

  • Inona no fitahiana azonao avy tamin’io torohevitra io?

Ny Almà 36–42 dia mirakitra ny torohevitra nomen’i Almà an’ireo zanany lahy taorian’ny nahavitan’izy ireo ny iraka nampanaovina iray tany amin’ny Zôramita. Efa nandalina betsaka momba ny zavatra nampianariny an’i Helamàna zanany lahy ianao (Almà 36–37). Ato amin’ity lesona ity ianao dia handalina ny ambin’ny torohevitra nomeny an’i Helamàna, miampy ireo fitsipika nampianariny an’i Siblôna zanany lahy (Almà 38). Rehefa mandalina ny Almà 37–38 ianao, dia mitadiava torohevitra avy amin’i Almà izay azonao ampiasaina eo amin’ny fiainanao na zaraina amina zatovo hafa.

“Mianara fahendrena amin’ny fahatanoranao”

Vakio ny Almà 37:35 hitadiavana ny zavatra tian’i Almà hianaran’i Helamàna amin’ny fahatanorany. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao.

  • Inona no tian’i Almà ho fantatr’i Helamàna sy hataony?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsara kokoa ny “[mianatra ny hitandrina] ny didin’ Andriamanitra amin’ny fahatanora[nao]” fa tsy miandry hoe rehefa lehibe kokoa?

Sary
hazo kely voahazona tsy hihetsika amina tsatòka

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nizara ity zavatra niainany momba ny fambolena hazo manaraka ity:

Napetrako tamina toerana an-jorony izay tena nitsohan’ny rivotra avy amin’ny hantsana mankany atsinanana mafy indrindra [ilay hazo]. Nandavaka lavaka aho, nametraka ilay fakany tsy misy na inona na inona, nandraraka rano ary hadinoko tanteraka izany. Hazo kely izy io, angamba 2 santimetatra ny savaivony. Tena nalefaka be ilay izy ka azoko naforitra mora foana tamin’izay namoretana azy. Tsy dia niraharaha firy ilay hazo aho rehefa nandeha ny taona.

Avy eo, indray andro ririnina … tsikaritro fa niondrika nankany andrefana ilay izy, diso endrika ary tsy nifandanja. … Nivoaka aho ary natohako azy io ny vatako mba hanosehako azy hahitsy. Saingy ny savaivon’ny vatany tamin’izay dia efa ho 30,5 santimetatra teo ho eo. Tsy nisy dikany ny heriko teo anatrehan’izany. Naka bolaky sy mahazaka tao amin’ny trano fitehirizako fitaovana aho. Nafatotro tamin’ilay hazo ny lohany iray ary ilay anankiray hafa tamina andry mafy tsara, dia nosintoniko ilay tady. Nihetsika kely ilay bolaky ary nihovitra kely ny vatan’ilay hazo. Saingy izay ihany. …

Farany, rehefa kivy aho dia noraisiko ny tsofako ary notapahiko ilay sampany lehibe mavesatra teo amin’ny ilany andrefana. Namela holatra ratsy tarehy ilay tsofa. Mihoatra ny 20 santimetatra ny savaivony. Nihemotra aho ary nandinika ny zavatra nataoko. Notapahiko ny ampahany lehibe indrindra tamin’ilay hazo, ka ny sampany iray manondro miakatra ihany sisa no tavela. …

Fony vao novolena ilay izy dia tokony ho nihazona izany tamin’ny toerany tsy voahozongozon’ny herin’ny rivotra ny tady kely iray. Afaka nanisy, ary tokony ho nanisy izany tady kely izany aho, tsy nila ezaka firy akory. Kanefa tsy nataoko izany, ary dia nitongalina nanaraka ny hery izay nanohitra azy ilay hazo. (Gordon B. Hinckley, “Bring Up a Child in the Way He Should Go,” Ensign, Nov. 1993, 59)

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fitandremana ny didy hitovy amin’ny fanohanana hazo kely iray mba haniriany mahitsy sy matanjaka na dia misy aza ny rivotra?

  • Nahoana no mety hisy fiantraikany eo amintsika ny tsy firaharahiana ny didy raha tsy efa any aoriana any eo amin’ny fiainana?

Hevero ny hijery ilay horonan-tsary hoe “Manaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsika,” manomboka amin’ny mari-potoana 7:29 hatramin’ny 8:35, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nanapahany hevitra ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra tamin’ny fahatanorany.

Makà minitra vitsivitsy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra ianaranao momba ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra. Katsaho ombam-bavaka ny hahafantatra ny fomba nitahiana anao noho ny fomba nitandremanao ny didy.

Hevero ny hametraka tanjona ny amin’ny fomba iray tianao hanatsarana ny fankatoavanao ny didin’ny Tompo amin’izao mbola ao amin’ny fahatanoranao izao. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mametraka io tanjona io ianao.

Torohevitra ho an’ny zatovo

I Almà dia nanome torohevitra fanampiny ho an’ny zanany lahy izay afaka manampy antsika ihany koa.

Halalino ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Hevero ny hanisy marika ny torohevitra izay tsapanao fa hilain’ny zatovo ankehitriny, tafiditra ao anatin’izany ny tenanao. Omano ny valinteninao amin’ireo fanontaniana etsy ambany.

  1. Almà 37:33–37 (“malemy paika ary mietry am-po” = manetry tena, azo ampianarina, marin-toetra)

  2. Almà 38:1–5 (“esorina tsy ho eo anatrehany” = tafasaraka amin’ Andriamanitra ara-batana sy ara-panahy)

  3. Almà 38:6–9 (“aterak’ Andriamanitra”= ny Fanahin’ny Tompo mahatonga fiovana mahery ao am-pon’ny olona iray)

  4. Almà 38:10–15 (“mahonon-tena” = mampiseho fahalalana onony na fifehezan-tena; “fianjonanjonana” = fitondrantena manjakazaka; “hifehezanao” = mifehy)

  1. Misafidiana fampianarana iray avy amin’ireo andininy nohalalininao ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no zavatra iray tian’i Almà hataon’ireo zanany lahy na ho fantatr’izy ireo? Tao amin’ny andininy fahafiry no nahitanao izany?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana io fitsipika io manampy ny zatovo iray hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

    • Ahoana no mety hahafahan’io fitsipika io miantefa eo amin’ny fiainan’ny zatovo iray? Afaka mieritreritra ohatra nahitanao azy io niantefa teo amin’ny fiainanao ve ianao? (Aza mizara zavatra mahakasika be loatra ny tena manokana.)

    Mandania fotoana hisaintsainana sy hiraketana ny eritreritra na fahatsapana rehetra momba ny fomba hafa azonao ampiharana ilay torohevitra nianaranao androany. Ohatra, mety azonao atao ny mieritreritra zavatra iray namporisihan’ny rainao na ny reninao na mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana anao mba hatomboka hatao na hatsahatra. Na, milà hevitra amin’ny Tompo ary katsaho ny fitarihany.

Hamoaka printy