“Almà 57: Miezaka mankatò ireo didy lalandava,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Almà 57,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Almà 57
Miezaka mankatò ireo didy lalandava
Ahoana ny toe-tsainao amin’ny fitandremana ireo didy? Nahoana no manan-danja ny toe-tsainao? Tao anatin’ny fotoana niadian’izy ireo tamina ady mampidi-doza iray hafa, ireo zatovolahy mpiady dia nankatò “ny teny tsirairain’ny fibaikoana tamin’ny antsipiriany,” nametraka “lalandava amin’ Andriamanitra ny fitokiany” (Almà 57:21, 27). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hiezaka hankatò lalandava ireo didin’ Andriamanitra.
Toe-tsaina amin’ny fitandremana ireo didy
Mamarita toe-tsaina telo samy hafa mety hananan’ny olona iray amin’ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra sy ny anton’izany.
Azonao atao ny manoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao:
-
Ahoana ny toe-tsainao amin’ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra? Nahoana no manan-danja ny toe-tsainao?
-
Raha tsy miezaka mitandrina ireo didy amin’ny fomba tsara indrindra azonao atao ianao amin’izao fotoana izao, dia inona no manakana anao tsy hanao izany?
Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fitsipika momba ny fankatoavana izay mety hanentana sy handrisika anao ary hanampy anao amin’ny fanontaniana sy ahiahy rehetra. Saintsaino ny fomba ahafahan’izany mihatra sy mitahy ny fiainanao.
Zatovolahy mpiady
Ao amin’ny lesona teo aloha, dia nianaranareo ny fomba nanampian’ireo zatovolahy mpiady miisa 2000 an’i Antipo sy ireo lehilahy niaraka taminy nandresy ny miaramilan’ny Lamanita “mahery indrindra” sy “maro an’isa indrindra” tao amin’izany ampahan-tany izany (jereo ny Almà 56:34). Ao amin’ny Almà 57, i Helamàna dia nanohy ny taratasiny ho an’ny Kapiteny Môrônia. Zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna enim-polo hafa no nikambana tamin’ny miaramilany (jereo ny Almà 57:6), ary ireo zatovo mpiady 2060 dia niatrika loza mitatao hafa. Notafihan’ny Lamanita ny Nefita ary efa saika resy izy ireo no indro nanampy azy ireo i Helàmana sy ireo vatan-dehilahy izay nanatitra ireo babo Lamanita (jereo ny Almà 57:1–18).
Fahaiza-mandalina soratra masina roa izay afaka mampitombo ny fandalinanao io tantara io sy manampy anao hampihatra ireo lesona ao amin’izy io eo amin’ny fiainanao ny famantarana sy fisaintsainana teny na andian-teny manan-danja.
Vakio ny Almà 57:19–23 mba hahitana ny zava-nitranga. Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo zatovolahy mpiadin’i Helamàna.
Ao amin’ny andininy 21, hevero ny hanisy marika ny fomba namaritan’i Helamàna ny fankatoavan’ireo zatovolahy ireo. Vakio ny Almà 58:40, hitadiavana ny toe-tsain’ireo mpiady ireo nanoloana an’ Andriamanitra sy ireo didiny taorian’ilay fanafihana nampidi-doza avy teo.
-
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “hanatontosa ny teny tsirairain’ny fibaikoana amin’ny antsipiriany” (Almà 57:21) sy ny hoe “ezahiny ny hitandrina lalandava … ny didiny” (Almà 58:40)?
-
Ahoana no iantraikan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny fahatsiarovantsika Azy amin’ny faniriantsika sy fahafahantsika mankatò ireo didin’ Andriamanitra?
Vakio ny Almà 57:24–27, hitadiavana ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny fomba nitahiana ireo zanakalahin’i Helamàna tamin’ny ady faharoa nataon’izy ireo noho ny finoana sy fankatoavan’izy ireo an’ Andriamanitra.
-
Inona no nianaranao tamin’io tantara io ka azo ampifandraisina amin’ny fiainanao ankehitriny?
Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe raha mametraka ny fahatokiantsika amin’ Andriamanitra isika ary miezaka mitandrina lalandava ny didiny, dia hitahy antsika amin’ny heriny mahagaga Izy.
-
Ahoana no ahafahan’ny fahalalana fa misy “Andriamanitra marina” izay manana “hery mahagaga” sy “mahatalanjona” (Almà 57:26) miantraika amin’ny toe-tsaintsika manoloana ny fankatoavana Azy?
-
Inona, araka ny eritreritrao, no toe-tsaina mety ho tian’ny Tompo hananantsika rehefa miezaka mitandrina ireo didiny isika saingy tsy mahavita mankatò tanteraka? Ahoana no anampian’ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny famaliana io fanontaniana io?
Zava-dehibe ny mahatakatra fa rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika, dia hitahy antsika amin’ny fombany sy ny fotoanany Izy. Tamin’ireo ady anankiroa nataon’izy ireo, ireo zatovolahy mpiady dia voatahy tamin’ny alalan’ny fiarovana ny ain’izy ireo na dia teo aza ny ady sy ratra nampidi-doza.