Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 16: Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 16: Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 16

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Andian-jatovo falifaly

Ny fianarana mampihatra ny tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina dia afaka mitahy anao amin’ny lafiny maro. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampihatra amin’ny fiainanao ny fahamarinana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ireo Fitahiana avy amin’ny fampiharana soratra masina

Ao amin’ity fanambarana manaraka ity, ny Filoha Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nizara ireo fitahiana izay mety ho azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina. Rehefa mamaky ny teniny ianao dia saintsaino ny zavatra manan-danja indrindra aminao.

Ny famakina soratra masina bebe kokoa dia manazava ny saintsika, mikolokolo ny fanahintsika, mamaly ny fanontaniantsika, mampitombo ny fahatokiantsika ny Tompo ary manampy antsika hampifantoka ny fiainantsika eo Aminy. (Bonnie H. Cordon, “Matokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafa,” Liahona, mey 2017, 7)

  • Inona avy no fitahiana hafa azontsika raisina avy amin’ny fandalinana soratra masina?

Mety hanomboka hiaina ny sasany amin’ireo fitahiana ireo isika rehefa mandalina ny soratra masina, saingy mety hitohy sy hitombo izy ireo rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainantsika isika.

  • Inona no dikan’ny hoe mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainantsika?

 ChurchofJesusChrist.org

Mampihatra soratra masina

Mba hizarana mampihatra soratra masina dia vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto ary mifantena iray.

  1. Te hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka sy hanakaiky kokoa ny Tompo ny zatovolahy iray.

  2. Sahirana ny zatovovavy iray satria manana fahazaran-dratsy izay tsy vitany ny mandresy azy.

  3. Miaina fiheveran-tena ho tsinontsinona ny zatovolahy iray ary sahirana amin’ny fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra azy.

Raha tianao dia azonao atao ihany koa ny mamorona rafi-tantara vaovao izay mifandray akaiky kokoa amin’ny fiainanao na ny fiainan’olona fantatrao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Vakio hatramin’ny farany ireo andian-teny manan-danja etsy ambany ary mitadiava iray farafahakeliny izay tsapanao fa mety hanampy ilay olona ao amin’ny toe-javatra nosafidinao. Vakio hatramin’ny farany ilay andininy iray manontolo ary ataovy izao manaraka izao:

    1. Mitadiava fahamarinana iray ampianarin’ilay andininy ka mety hanampy.

    2. Mitadiava fomba iray mety hahafahan’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainany.

    3. Hazavao ireo fitahiana mety hiainany amin’ny alalan’ny fampiharana ny soratra masina amin’izany fomba izany.

    (Raha tianao dia azonao atao ny mamerina io fanazaran-tena io amina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa izay mety hanampy amin’ilay rafi-tantara nosafidinao.)

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 7:11–13

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 34:9–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ilaina ny hanaovana sorompanavotana, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 39:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Almà 41:10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Helamàna 5:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika … no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 11:10–11

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 12:48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

3 Nefia 27:20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa atỳ Amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Etera 12:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 7:45–48

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môrônia 10:4–5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Avereno jerena ireo andininy fifehezana fotopampianarana, ary mifantena iray izay tsapanao fa ho fitahiana ho anao ny mampihatra azy eo amin’ny fiainanao. Manaova sary tsotsotra na manorata momba ny fomba hampiharanao izany soratra masina izany. Azonao atao ihany koa ny mampiditra fitahiana iray na maromaro izay mety ho tonga vokatr’izany.

    Manolora tena hanaraka ilay fampiharana noeritreretinao.

Hamoaka printy