Seminera
Helamàna 1–4, 6: “Nisy fifandirana be”


“Helamàna 1–4, 6: -Nisy fifandirana be,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 1–4, 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 1–4, 6

“Nisy fifandirana be”

Sary
zatovovavy malahelo mieritreritra

Aiza no ahitanao fifandirana, fizarazaràna, fisaraham-bazana, na fikomiana eo amin’ny tontolo manodidina anao? Tsy ela taorian’ny nahafatesan’ny Kapiteny Môrônia, sy i Helamàna ary i Pahôrana lohan’ny mpitsara, dia nizaka ny vokatry ny fifandirana be ireo Nefita. Na izany aza, dia nisafidy ny hikatsaka fiadanana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny sasany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny vokatry ny fifandirana sy ny fomba ahitana fiadanana ao amin’i Kristy ao anatin’ny tontolo feno fifandirana.

Fifandirana

Mamoròna kisarin-taboika toy ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao.

Sary
kisarin-taboika tsy misy n’inona n’inona

Soraty eo afovoan’ny kisarin-taboika ny teny hoe fifandirana. Manodidina io teny io, manorata sehatra amin’ny fiainanao ahitanao fifandirana, toy ny ao amin’ny tamba-tsera sosialy na amin’ny namana. Hanampy zavatra ao amin’io kisary io ianao ao aoriana kely ao amin’ny lesona.

  • Ahoana no fiantraikan’ny fifandirana, na mivantana na ankolaka, eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fomba famalinao rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny hafa ianao na rehefa mifanehatra amin’olona tia fifandirana?

Rehefa manomboka ny fandalinanao ny bokin’i Helamàna ianao, dia jereo tsara ny fomba fiantraikan’ny fifandirana teo amin’ireo Nefita. Mieritrereta ihany koa fomba ahafahanao mikatsaka fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy ao anatina tontolo feno fifandirana.

Fifandirana eo anivon’ny fianakaviana, sy ny Fiangonana, ary ny fiarahamonina

Taorian’ny taona maro niadiana, dia afaka nitaky ny tanin’izy ireo tamin’ny Lamanita ireo Nefita. Ny Kapiteny Môrônia sy i Helamàna dia maty nandritra ny fotoanan’ny fandriam-pahalemana izay nanaraka izany. Nomena ny zanakalahin’i Helamàna, izay nantsoina ihany koa hoe Helamàna, ireo rakitsoratra masina. Tsy ela taorian’izany, dia lasa feno avonavona ny Nefita ary niaina fifandirana.

Ao amin’ny Bokin’i Helamàna isika dia mamaky tantara maro izay maneho ny fiantraikan’ny fifandirana eo amin’ny fianakaviana, sy ny Fiangonana, ary ny fiarahamonina.

Halalino ny iray na maromaro amin’ireto fizaràna manaraka ireto.

  • Fianakaviana: Vakio ny Helamàna 1:1–13 hitadiavana ny fomba fiantraikan’ny fifandirana tamin’ny fianakavian’i Pahôrana taorian’ny nahafatesany.

  • Fiangonana: Vakio ny Helamàna 4:1–13 hitadiavana ny fomba fiantraikan’ny avonavona sy ny fifandirana tao amin’ny Fiangonana teo amin’ilay firenena iray manontolo.

  • Fiarahamonina: Noho ny fifandirana momba izay tokony ho lohan’ny mpitsara, dia nanangana vondrona miafina ny lehilahy ratsy fanahy iray nantsoina hoe Kiskomena. Vetivety foana izy dia nampian’ny lehilahy ratsy fanahy iray hafa nantsoina hoe Gadiantôna (jereo ny Helamàna 2). Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nantsoina hoe tsikombakomba miafina ireny karazana vondrona ireny (jereo ny Helamàna 3:23). Vakio ny Helamàna 6:15–21, 37–41, hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ireo Nefita noho ny fifandirana sy ny faharatsiana nateraky ny mpangalatr’i Gadiantôna.

  • Inona avy ny sasantsasany tamin’ny vokatry ny avonavona sy fifandirana?

Jereo ilay kisary natombokao tany am-piandohan’ny lesona. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra novakinao, tanisao ny sasantsasany amin’ny vokatry ny fifandirana eo amin’ny sehatra tsirairay eo amin’ny fiainana nosoratanao tany aloha eo amin’ny kisarinao. Ohatra, ny fifandirana ao amina vondrona mpinamana dia afaka mampizarazara ny mpinamana.

Avy amin’ny zavatra novakinao dia mety ho hitanao fa ny avonavona sy ny fifandirana dia afaka miteraka fizarazaràna eo amin’ny fianakaviana, sy ny fiarahamonina, ary ny firenena. Mety ho azonao heverina ny hirakitra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Helamàna 1:4; 4:12–13; na ny 6:38–40.

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny Nefita momba ny maha mandravarava ny fifandirana. Vakio ny 3 Nefia 11:29–30 hitadiavana ny zavatra nolazainy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Avy aiza no iavian’ny fifandirana? Nahoana izany no mandravarava mandrakariva?

    • Nahoana no ho zava-dehibe ny fahafantarana izany rehefa alaim-panahy ianao hanao zavatra am-pahatezerana na rehefa miatrika fifandirana?

    • Inona no maha-ohatra ny Mpamonjy eo amin’ny zavatra nampianariny ao amin’ny 3 Nefia 11:29–30?

Mikatsaka fandriampahalemana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome fanasana mitovitovy amin’izany momba ny ady sy fifandirana eo amin’ny fiainantsika. Jereo ilay horonantsary hoe “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy” manomboka eo amin’ny marim-potoana 1:38 ka hatramin’ny 3:31, na vakio ny fanambarana etsy ambany.

Ny antso ataoko anio, ry rahalahy sy anabavy malala isany, dia ny hampitsaharana ireo fifandirana izay mirongatra ao am-ponareo, sy ao an-tokantranonareo, ary eo amin’ny fiainanareo. Aleveno avokoa izay fironana rehetra handratra ny hafa, na izany fisafoahana, na teny tsy voalanjalanja, na lolompo amin’olona izay nandratra anao. Nandidy antsika ny Mpamonjy hanolotra ny takolaka ilany, sy hitia ny fahavalontsika, ary hivavaka ho an’ireo izay manararaotra antsika. …

Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana isika. Izao indrindra mihoatra noho ny hatramin’izay no ilantsika ilay fiadanana izay Izy ihany no afaka mitondra azy. Ahoana no ahafahantsika manantena ny hisian’ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao raha tsy mikatsaka fiadanana sy filaminana isika tsirairay? Ry rahalahy sy anabavy, fantatro fa tsy mora ny zavatra arosoko. Saingy ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony haneho ohatra mba harahin’izao tontolo izao. Miangavy anareo aho mba hanao izay rehetra azonareo atao hampitsaharana ireo fifandirana an’ny tena manokana izay mirongatra ao am-ponareo sy eo amin’ny fiainanareo. (Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy,” Liahona, mey 2022, 97)

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fanasan’ny Filoha Nelson manampy antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy?

Jereo indray ny kisarin-taboika nataonao. Asio marika kely eo akaikin’izay sehatry ny fifandirana izay tsapanao fa azonao taomina ho amin’ny tsara.

Vakio ny Helamàna 3:32–36 na ny Helamàna 6:1–9 hitadiavana ny zavatra nataon’ireo Nefita sy Lamanita marina mba hahitana fiadanana ao amin’i Kristy. Diniho ny hanisiana marika ny zavatra hitanao.

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    • Ampiasao ny zavatra novakinao tao amin’ny Helamàna 3:32–36 na ny Helamàna 6:1–9, dia farano ilay fehezanteny hoe Afaka mahita fiadanana ao amin’i Kristy aho amin’ny alalan’ny …

    • Ahoana no ahafahan’ny fanatonantsika tsirairay an’i Jesoa Kristy mitondra fiadanana sy firaisan-kina amin’ny hafa?

    • Misafidiana iray amin’ireo fomba notanisainao hahitana fiadanana ao amin’i Kristy. Ahoana no ahafahanao mampihatra izany eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy