“Helamàna 3; 6: -Ary dia toy izany no ahitantsika,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Helamàna 3; 6,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Helamàna 3; 6
“Ary dia toy izany no ahitantsika”
Alaovy sary an-tsaina hoe ianao manoratra taratasy hanampiana olona izay hiaina an-jato taonany any aoriana. Izany mihitsy no nataon’i Môrmôna mpaminany tamin’ny ankapobeny. Rehefa namintina ny tantaran’ireo Nefita izy ka nisokitra izany tamin’ireo takela-bolamena, dia nanasongadina ombieny ombieny fahamarinana manan-danja tamin’ny alalan’ny fampiasana fanambarana toy ny hoe “ary dia toy izany no ahitantsika.” Ireo fahamarinana nasongadiny dia afaka manampy antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehintsika ankehitriny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina sy hanadihady ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo hiantraika amin’ny fiainanao.
Boky torolalana fiavotana
-
Raha angatahina ianao hanoratra boky torolalana momba ny hatafavoahana velona any an-tsekoly ho an’ny ankizy 12 sy 13 taona, dia inona no mety hampidirinao?
Vakio ny zavatra nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny boky torolalana fiavotana ho an’ny fiainanao:
Ireo mpaminany ao amin’ny [Bokin’i Môrmôna], rehefa notaomin’ Andriamanitra dia nahita izao androntsika izao ary nifantina ireo fotopampianarana sy fahamarinana izay hanampy antsika indrindra. Ny Bokin’i Môrmôna no boky torolalana fiavotana ho antsika amin’izao andro farany izao. (Russell M. Nelson, “Raiso am-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75)
-
Ahoana no fomba ahafahan’ny fotopampianarana sy fahamarinana hitanao ao amin’ny soratra masina manampy anao ho tafavoaka velona ara-panahy? Misy ohatra vao haingana tonga ao an-tsainao ve?
Rehefa mandalina ny Helamàna 3 sy ny Helamàna 6 ianao, dia hanana fahafahana hampihatra ny famantarana fotopampianarana sy fitsipika avy ao amin’ny soratra masina. Izany dia afaka manampy anao hanao fandalinana soratra masina manan-danja kokoa ary mitondra anao sy ny fianakavianao hanakaiky kokoa an’i Kristy.
“Ary dia toy izany no ahitantsika …”
Tamin’ireo fifandirana rehetra voarakitra ao amin’ny Helamàna 1–6, dia nisy fotoana nisian’ny fandriampahalemana nihelina. Ao amin’ny Helamàna 3 dia an’arivony maro no natao batisa ho ao amin’ny Fiangonana, ary dia niroborobo ny Fiangonana. Ao amin’ny Helamàna 6, taorian’ny fiovam-pon’ny Lamanita maro, dia niaina tamim-piraisan-kina ny Nefita sy ny Lamanita satria samy nitodika tamin’ny Tompo ireo vondrona ireo. Ao amin’ireo toko roa ireo, i Môrmôna dia nampiato kely ny fitantarany ny tantaran’ny Nefita mba hanasongadinana fotopampianarana sy fitsipiky ny fahamarinana manan-danja. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fanambarana hoe “ary dia toy izany no ahitantsika.”.
Vakio ny Helamàna 3:27–30; 6:34–36 mba hahitana ireo fanambarana fahamarinana hoe “ary dia toy izany no ahitantsika”. Diniho ny hanisiana marika ireo fahamarinana ireo ao amin’ny soratra masinao sy ny hirakitra an-tsoratra azy ireo amin’ny teninao manokana ao amin’ny diary fandalinanao.
Manaraka izany, misafidiana iray amin’ireo fahamarinana hitanao, ary mitanisà sasany amin’ireo loza, na fanamby, na fanafihana ara-panahy mihatra amin’ny finoana ka azon’io fahamarinana io anampiana anao ho tafavoaka velona. Ohatra, raha ilay fahamarinana hoe Raha misafidy ny hinia hino ny tenin’ny Tompo isika, dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika Izy (jereo ny Helamàna 6:36) no nampiasainao, dia mety ho azonao atao ny mitanisa loza toy ny filàna porofo ara-tsiansa izay vao hino ny soratra masina, na ny finoana kokoa ny manam-pahaizana manokana eo amin’izao tontolo izao toy izay ny finoana ireo mpaminany, na ny fahatokiana ny lôjika toy izay ny fahatsapana ara-panahy.
Tsarovy ny teny nambaran’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ity lesona ity momba ny Bokin’i Môrmôna izay boky torolalana fiavotantsika amin’ny andro farany.