Seminera
Helamàna 5:1–13: “Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”


“Helamàna 5:1–13: -Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 5:1–13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 5:1–13

“Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”

Sary
Ny Mpamonjy mipetraka eo ambony vatolampy, mampianatra

Moa ve efa nisy fotoana nahatsapanao ho voahodidina fitaoman-dratsy na fakam-panahin’ny devoly? I Helamàna mpaminany dia nampitaha ny fanafihan’i Satana tamina tafiotra misy rivo-mahery sy havandra izay mamely antsika. Nambarany ihany koa fa ireo izay manorina ny fototry ny fiainan’izy ireo “eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika” (Helamàna 5:12) dia hanana hery hanoherana ny ratsy sy hitoerana ho mahatoky. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanohitra ny devoly sy hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy.

Ny fototra ara-panahinao

Hevero ity fanontaniana manaraka ity rehefa manomboka ny fandalinanao ianao:

  • Inona avy no fanamby na olana sasantsasany izay mety hanozongozona ny finoana na fototra ara-panahin’ny olona iray? Hevero ny hitanisana izany ao anatin’ny diary fandalinanao.

Sary
ny Tempolin’i Salt Lake

Nandritra ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2021, dia noresahin’ny Filoha Russell M. Nelson ny momba ny antony tsy maintsy ilana manamafy ny fototra voalohan’ny Tempolin’i Salt Lake. Avy eo izy dia nanasa ny mpikamban’ny Fiangonana hihevitra ny fototra ara-panahin’izy ireo manokana. Vakio ity fanambarana manaraka ity ary mariho ny fomba ampitahan’ny Filoha Nelson ny fanamafisana ny tempoly amin’ny fiainantsika manokana.

Toraka izany koa, fotoana ho antsika izao mba handraisana fepetra tsy mahazatra, angamba fepetra mbola tsy noraisintsika mihitsy taloha, hoentina hanamafisana orina ireo fototra ara-panahintsika. Mitaky fepetra tsy manam-paharoa ny fanamby tsy manam-paharoa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orina miorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy isika.

Koa manontany ny tsirairay aminareo aho hoe mafy orina toy ny ahoana ny fototrareo? Ary inona avy ny fanamafisana orina ilaina ho an’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy ny fahatakaranareo ny filazantsara? (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93)

  • Inona no hitanao ho niavaka indrindra tao amin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

Saintsaino ny fomba azonao hamaliana ireo fanontanian’ny Filoha Nelson momba ny fototra ara-panahinao. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary soraty ny valinteninao.

Namporisika ireo zanany lahy i Helamàna hahatsiaro

Nandritra ny faha-54 taonan’ny fanjakan’ny mpitsara, dia maro tamin’ny Nefita no lasa nivaona sy nisafidy ny ratsy toy izay ny tsara. Vokatr’izany, nametra-pialana tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy i Nefia ary nanampy an’i Lehia rahalahiny tamin’ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny olona (jereo ny Helamàna 5:1–4), tsy misy hafa amin’ny nataon’i Almà Zanany, dadan’ny dadabeny, 60 taona talohan’io (Almà 4:15–20). I Lehia sy i Nefia dia afaka nijanona ho mahatoky, tamin’ny ampahany noho izay ireo nahatsiaro ireo fampianaran’i Helamàna rain’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana
  1. Vakio ny Helamàna 5:5–11 ary manaova lisitra amin’ny zavatra tian’i Helamàna hotsaroan’ireo zanany lahy. Misafidiana zavatra roa farafahakeliny tiany hotsarovan’izy ireo ka hitanao fa manan-danja. Hazavao fohifohy ny fomba ahafahan’ny fahatsiarovana izany manampy anao hanorina ny fototrao amin’i Jesoa Kristy.

Ny fototsika azo antoka.

Vakio ny Helamàna 5:12 hitadiavana fahamarinana hafa tian’i Helamàna hotsaroan’ireo zanany lahy.

Ny Helamàna 5:12 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisiana marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanao fanazarana mampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

  • Inona avy no fahamarinana sasantsasany hitanao tao amin’ny Helamàna 5:12?

Fahamarinana roa manan-danja hita ao amin’ny Helamàna 5:12 ny hoe I Jesoa Kristy no fototsika azo antoka sy ny hoe raha manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy isika, dia tsy hanana fahefana amintsika ny devoly.

  • Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amina vatolampy sy fototra azo antoka ho an’ny fiainantsika?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fanafihan’ny devoly ny finoantsika ho tsapa toy ny tafiotra na tadio?

Raha misy dia jereo ilay horonantsary hoe “Tadio ara-panahy” (2:24) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hianarana amin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fomba handresena ny tadion’ny devoly.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1.  Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy no fomba sasantsasany azontsika anorenana ny fototra ara-panahintsika eo ambonin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika”?

    • Inona avy no sakana sasantsasany amin’ny fanorenana ny fototsika eo amin’ny Mpamonjy amin’ireo fomba ireo?

    • Ahoana no mety hahafahan’ny fanaovana ireo zavatra ireo manakana ny devoly tsy hanana fahefana amintsika?

Fampiharana ataon’ny tena manokana

Mieritrereta tafiotra na zava-tsarotra manokana atrehinao amin’izao fotoana izao na mety hatrehinao amin’ny hoavy. Hevero am-bavaka ny fomba hanampian’ny fanorenana na fanamafisana orina ny fototrao amin’i Jesoa Kristy hahatohitra ireo fanamby ireo.

Manaova sary iray maneho anao mitsangana amina fototra mafy. Asio soratra hoe “Jesoa Kristy” ilay fototra. Manaova sarina zana-tsipika mirehitra (toy ny lefona maivana) na tadio ary asio soratra milaza fakam-panahy na fanamby manokana atrehinao ilay zana-tsipika na tadio.

Eo ambonin’ilay fototra na eo akaikiny, manorata zavatra manokana ataonao na mety hatombokao hatao mba hanorenana ny fototrao amin’i Jesoa Kristy.

Ohatra, mety ho tanjon’ny tena manokana handany fotoana hanao asan’ny tantaram-pianakaviana na fanatrehana ny fotoana ao amin’ny tempoly izany. Mety ho fandalinana ny filazantsaran’ny Mpamonjy isan’andro ao amin’ny soratra masina izany na fahitsiana kokoa amin’ny vavaka ataon’ny tena manokana. Ny fandalinana fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy anao ihany koa hanamafy orina ny fototrao.

Eritrereto izay mety ho sakana rehetra mety mila resenao, ary soraty ny zavatra hataonao mba handresena azy ireny.

Raha azo atao, asio fampahatsiahivana ny telefaoninao mba hanampy anao hanohy ny fanoloran-tena nataonao nandritra ity lesona ity. Hevero ny hizarana ny fanoloran-tenanao amin’ny olona iray azo itokiana ao amin’ny fianakaviana, na namana, ary hangataka azy ireo hanampy anao hihazona izany.

  1.  Valio ity fanontaniana manaraka ity:

    • Inona no zavatra iray azonao atomboka atao na tohizana mba hanorenana ny fototrao amin’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy