Seminera
Helamàna 14: Famantaran’ny Mpamonjy


“Helamàna 14: Famantaran’ny Mpamonjy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Helamàna 14,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Helamàna 14

Famantaran’ny Mpamonjy

Sary
zatovolahy mandalina ny soratra masina

Ny Ray any An-danitra dia mandefa mpaminany mba hanampy ireo zanany hino ny Zanany malalany, toy ny tamin’ny fotoana nanomezany toromarika an’i Samoela ilay Lamanita haminany tamin’ny Nefita. Tao anatin’ireo faminaniany, i Samoela dia nilaza famantarana izay hilaza ny fahaterahana sy fahafatesan’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa mahatakatra ireo famantarana nomen’ Andriamanitra antsika ianao.

Filazana

Mieritrereta fotoana lehibe eo amin’ny fiainanao izay tena manan-danja ka hanaovanao filazana mialoha amina namana sy fianakaviana. Amina kolontsaina maro, ny filazana amin’ny fomba ôfisialy ho an’ny fizaràna diplaoma, ny fanambadiana, ny tsingerintaona nahaterahana manan-danja, sy ireo zavatra manan-danja hafa dia amboarina ary alefa herinandro na volana maromaro mialoha.

  • Inona no antony sasantsasany andefasan’ny olona ireny filazana ireny alohan’ilay andron’ilay fotoana lehibe?

  • Inona avy no fotoana lehibe sasantsasany izay nosafidin’ny Ray any An-danitra hanaovana filazana mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminaniny? Nahoana araka ny eritreritrao no tena manan-danja ny hampahafantarana izany fotoana lehibe izany?

Tamin’ny alalan’ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita, Andriamanitra dia nilaza tamin’ny Nefita zavatra manan-danja hiseho amin’ny hoavy sy famantarana izay hiaraka amin’izany.

Vakio ny Helamàna 14:12, hitadiavana ireo antony nandidian’ Andriamanitra an’i Samoela haminany momba izany famantarana izany.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe ny fahafantarana ireo famantarana nomen’ Andriamanitra dia afaka manamafy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho niantraikan’ny fanatreha-maso ireo famantarana nomen’i Samoela mba hilazana ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy taminao? Saintsaino hoe inona avy no famantarana na zavatra niainana nomen’ Andriamanitra anao mba hanamafisana ny finoanao ny Mpamonjy. Mety ho ao anatin’izany ny famantarana izay mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Famantarana ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Amin’ny alalan’ny fampiasana ireto faminaniana manaraka ireto, mamoròna filazana ho an’ny Nefita tamin’ny andron’i Samoela momba ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy. Miezaha maneho ny fientanentanana tamin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny vesatry ny fahafatesany. Ampidiro ihany koa ny antony tokony hiomanan’ny olona amin’ny fotoana lehibe ho avy.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampilaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany ny famantarana nahitana hazavana sy haizina?

  • Ahoana no mety ho nanamafisan’ny fahitana ireny famantarana ireny ny finoan’ny Nefita ny Mpamonjy?

Ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany

Sary
ny Fiaviana Fanindroany

Tahaka ny nampiasan’ny Ray any An-danitra famantarana mba hanomanana ireo Nefita fahiny amin’ny fahatongavan’ny Zanany, dia mampiasa famantarana Izy amin’izao androntsika izao mba hanomanana antsika amin’ny Fiavian’ny Zanany Fanindroany.

Mba hanampiana anao ho lasa zatra na hahatsiaro ny sasany amin’ireo famantarana mialoha ny Fiaviana Fanindroany, dia vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ary ampifandraiso amin’ny famaritana ny famantarana izy ireo. Raha te handalina famantarana misimisy kokoa ianao, dia jereo ny “Famantaran’ireo Fotoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.

  1. 1 Nefia 14:14

  1. Hosintonina ho ao amin’ny tempolin’ Andriamanitra ny olona avy amin’ny firenena rehetra

  1. 2 Nefia 3:6, 11, 15

  1. Taranak’i Josefa avy any Egypta (Joseph Smith) no hitondra ny tenin’ Andriamanitra (ny Bokin’i Môrmôna)

  1. Isaia 2:2–3

  1. Hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara

  1. Matio 24:14

  1. Ho hita manerana ny tany ny olon’ny Tompo ary hotahin’ny herin’ Andriamanitra izy ireo

  1. 2 Timoty 3:1–7

  1. Ho tia tena sy ho mpanota ny olona ary hihodina hiala amin’ Andriamanitra

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no nahitanao ny fahatanterahan’ny sasany amin’ireo famantarana momba ny Fiaviana Fanindroany?

    Alohan’ny hamaliana ity fanontaniana manaraka ity dia saintsaino hoe ahoana no niantraikan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ny Mpaminany Joseph Smith, ny Bokin’i Môrmôna, ny asa fitoriana ary ny tempoly teo amin’ny finoanao ny Mpamonjy.

    • Ahoana no nanamafisan’ny fahatanterahan’ireo famantarana ireo ny finoanao ny Mpamonjy?

    • Araka ny Helamàna 14:13, 28–29, nahoana no tena zava-dehibe amintsika ny mino an’i Kristy?

    • Tamin’ny lafiny inona no naha-fitahiana taminao ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Rehefa mandalina ny 3 Nefia 1–10 ianao amin’ny lesona ho avy, dia hamaky momba ny fahatanterahan’ny famantarana nomen’i Samoela momba ny fahaterahana sy fahafatesan’ny Mpamonjy ianao. Ny olona tamin’ny andron’i Samoela izay nino ny faminaniana sy vonona tamin’ny fahatongavan’i Kristy dia niaina zavatra tena hafa tamin’ireo izay tsy nino.

Ao amin’ny diary fandalinanao, manorata momba ny finoanao ny Mpamonjy sy ireo zavatra niainana nitarika anao tamin’izany. Mety ho azonao ampidirina ihany koa ny fomba ahafahanao manamafy orina izany finoana izany (ohatra, amin’ny alalan’ny fanohizana mandalina ny Bokin’i Môrmôna na amin’ny alalan’ny fanatrehana fivoriam-bavaka any amin’ny tempoly).

Fanalahidin’ny valiny amin’ny sahanasa fampifandraisana: 1-e, 2-b, 3-a, 4-d, 5-f

Hamoaka printy