Seminera
3 Nefia 11:1–11: “Izaho no Jesoa Kristy”


“3 Nefia 11:1–11: Izaho no Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 11:1–11,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 11:1–11

“Izaho no Jesoa Kristy”

Sary
I Jesoa Kristy nidina avy any an-danitra teo amin’ny tempolin’i Soafeno

Raha mbola nivory nanodidina ny tempoly niresaka momba ireo famantarana ny fahafatesan’i Jesoa kristy ny Nefita, dia “nidina … sy nijoro teo afovoany” (3 Nefia 11:8) ny Mpamonjy. Nampianatra azy ireo ny iraka nampanaovina Azy sy ny zavatra nataony ho azy ireo Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao an’i Jesoa Kristy noho ny maha-Izy Azy na ny zavatra nataony ho anao.

Mibanjina ny hoavy

  • Oviana no niandrasanao fatratra zavatra iray ka zara raha vitanao ny niandry ny fotoana nitrangan’ilay izy? Hafiriana no nahavitanao niandry? Nanao ahoana ihany ny niaina ilay izy tamin’ny farany?

Ianarantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa trangan-javatra iray izay nandrandrain’ny Nefita fatratra nandritra ny taranaka maro ny fahatongavan’ny Zanak’ Andriamanitra tetỳ an-tany. Hatramin’ny fotoana nitondran’i Lehia sy i Sarià ny zanak’izy ireo ho an-tany foana ivelan’i Jerosalema, dia fantatr’izy ireo fa afaka 600 taona dia handefa ny Zanany ho “Mpamonjy izao tontolo” (1 Nefia 10:4) Andriamanitra.

Takatr’izy ireo ihany koa fa indray andro any i Jesoa Kristy dia ho avy eo anivon’ny Nefita ao amin’ilay tany nampanantenaina (jereo ny 1 Nefia 12:6; 2 Nefia 26:1; Almà 45:9–10). Ao amin’ny 3 Nefia 11 isika dia afaka mamaky momba io fisehoana nandrasana hatry ny ela io.

Tsy ny rehetra teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita no nanana fahatakarana marina momba an’i Jesoa Kristy. Tahaka izany ihany, ny olona ankehitriny dia manana fiheveran-diso momba an’i Jesoa Kristy, ary ny sasany aza dia mandà ny fisiany mihitsy. Mino ny sasany fa mpitarika lehibe i Jesoa saingy tsy eken’izy ireo ho Zanak’ Andriamanitra.

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny hananantsika fahatakarana marina momba ny hoe iza i Jesoa Kristy?

  • Inona no afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny hoe iza i Jesoa Kristy ary inona no nataony ho antsika?

Rehefa niseho tamin’ny Nefita i Jesoa Kristy, Izy sy ny Ray any An-danitra dia samy nanao fanambarana manan-danja momba ny hoe iza Izy. Rehefa mandalina ianao anio, dia jereo tsara ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho fantatrao momba ny hoe iza ny Mpamonjy ary inona no nataony ho anao.

Tao amin’ny lesona iray tany aloha dia mety nanomboka nanao ny lisitry ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fandalinanao ny Nefia fahatelo ianao. Raha mbola tsy nanomboka ilay lisitra ianao, dia manomboha manao anankiray ao amin’ny diary fandalinanao, ary mampidira zavatra ao amin’izany mandritra ny lesona.

Miseho amin’ny Nefita i Jesoa Kristy

Vakio ny 3 Nefia 11:1–11, hitadiavana antsipiriany momba ny fisehoan’i Jesoa Kristy tamina vondron’olona nivondrona teo an-tempoly tao amin’ny tanin’i Soafeno.  ChurchofJesusChrist.org

  • Inona no zavatra nanan-danja taminao avy amin’ny fandalinanao ireo andininy ireo?

  • Raha nanatrika teo ianao dia inona avy no teny mety ho nampiasainao mba hamaritana ny zavatra mety ho noeritreretinao na tsapanao? Nahoana?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny fisehoan’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nolazainy tamin’ny olona toy izao:

Io fisehoana io sy io fanambarana io no ivo sy fotoana faratampony ao amin’ny tantara manontolo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. …

Niresaka momba Azy avokoa ny rehetra, nihira momba Azy, nanofy Azy, ary nivavaka mba hisehoany—fa teto dia tena niseho tokoa Izy. Ilay andro lehibe indrindra! Tonga ilay Andriamanitra izay mamadika ny alina maizina rehetra ho hazavan’ny maraina. (Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 250–51)

Ny tenin’i Jesoa Kristy voalohany notenenina tamin’ny Nefita dia manampy antsika hahatakatra ny hoe iza Izy ary inona no nataony ho antsika.

Vakio indray ny 3 Nefia 11:10–11 ka jereo tsara ireo teny sy andian-teny nampiasain’i Jesoa Kristy hamaritana ny tenany sy ny zavatra nataony ho antsika. Aza hadinoina ny mampiditra ireo fahamarinana ireo ao amin’ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao.

Ny 3 Nefia 11:10–11 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hizatra hampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fahamarinana nianaranao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Iza amin’ireo fahamarinana ireo no hitanao ho manan-danja indrindra? Nahoana?

Nanao ny sitrapon’ny Ray i Jesoa Kristy

Isan’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe i Jesoa Kristy dia nanao ny sitrapon’ny Ray tamin’ny fitondrany teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao.

Azontsika atao ny mampitombo ny fahatakarantsika io fahamarinana io amin’ny alalan’ny fijerena akaiky kokoa ireo andian-teny nampiasain’i Jesoa Kristy hamaritana ny zavatra nataony. Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ireto andian-teny manaraka avy amin’ny 3 Nefia 11:11 ireto, ary asio toerana malalaka eo akaikiny na eo ambaniny mba hanoratana.

  • Nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho.

  • Nankalaza ny Ray tamin’ny nitondrako teo Amiko ny fahotan’izao tontolo izao [Aho].

  • Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.

Halalino farafahakeliny ny telo amin’ireto toko sy andininy manaraka ireto ka mitadiava fampianarana izay afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranao ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Soraty eo akaikin’ireo andian-teny ny soratra masina nanampy anao sy ny zavatra nianaranao.

  1. Valio farafahakeliny ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tianao holazaina amin’ny olona momba an’i Jesoa Kristy miainga amin’ny zavatra tsapanao androany?

  • Inona no tianao hatao eo amin’ny fiainanao noho ny zavatra takatrao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no zavatra mendrika hatao ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanao?

Hamoaka printy