Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48—“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”


“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48—Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: 3 Nefia 12:48

“Ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”

Sary
zatovovavy misaintsaina

Tamin’ny fandalinanao ny 3 Nefia 12, dia nianatra momba fahatongavana ho tanteraka tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 12:48, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Nandritra ny lesona teo aloha ianao dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity: Tian’i Jesoa Kristy ho tonga tanteraka tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra isika.

Alaovy sary an-tsaina hoe ianao dia manana namana iray izay mino fa Andriamanitra dia tsy miandray antsika hanao zavatra ankoatra ny fanehoana hatsaram-panahy sy ny fanajana ny hafa.

  • Ahoana no hanazavanao ny 3 Nefia 12:48 amin’ny fomba izay hampitombo ny fahatakaran’ny namanao?

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 3 Nefia 12:48 dia ny hoe “ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.” Ampiasao ity fomba fiasa manaraka ity, na fomba iray hafa izay safidìnao, mba hanampy anao hitadidy ilay toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Soraty eo afovoan’ny taratasy iray ny hoe “3 Nefia 12:48”. Soraty eo amin’ny zorony iray amin’ilay pejy ny teny hoe “Ho tanteraka”. Soraty amin’ny zorony iray hafa ny hoe “tahaka Ahy”. Soraty amin’ny zorony iray hafany hoe “na … tahaka ny Rainareo izay any an-danitra”. Soraty eo amin’ny zorony farany ny hoe “tanteraka.” Miezaha mitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fikasihana amin’ny pensilihazo na ny fanondronao ny andian-teny tsirairay araka ny filaharany, manomboka amin’ilay toko sy andininy eo afovoany. Mety hanampy ny fitenenana mafy ireo teny rehefa mikasika izany ianao. Rehefa avy atao imbetsabetsaka izany, dia miezaha mamerina ny toko sy andininy sy ny andian-teny manontolo tsy ankijery.

Fizàrana mampihatra

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Misafidiana iray amin’ireo fitsipika mba hohalalinina misimisy kokoa.

  • Ahoana no hanazavanao ny fitsipika nosafidinao amin’ny olona iray izay mety tsy dia mahafantatra izany loatra?

Ampiasao ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana anao hampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:48 sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

I John dia zatovolahy izay mino an’ Andriamanitra. Na izany aza, dia misy lafin-javatra amin’ny filazantsara izay tsy tiany ny mieritreritra azy. Iray amin’izany ny fananaran’ny Mpamonjy mba ho tonga tanteraka. Niezaka nanova zavatra izy ary lasa tahaka an’i Kristy kokoa saingy tsy nahomby foana. Tsapany ho toy ny hoe efa tsy nahomby izy, ka noho izany dia zavatra tsy azo tanterahina ny fahatanterahana aminy.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana dia mampianatra fa rehefa misahana olana sarotra, dia azontsika atao ny “mamerina mandrafitra ilay fanontaniana (hijerena ilay fanontaniana amin’ny fomba hafa) sy mandinika ireo hevitra mifototra amin’ny fenitry ny fahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny fihevitr’izao tontolo izao” (pejy 3). Afaka manampy amin’izany dingana izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana, araka ny eritreritrao no ahitan’ny Tompo ny fahatanterahana amin’ny fomba hafa noho ny an’ny maro eo amin’izao tontolo izao?

  • Ahoana no anampian’ny fahalalantsika ny drafitry ny famonjena sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12:48?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 12:48 momba ny hoe tanteraka mba hamaliana ny ahiahin’i John?

Vakio ny telo farafahakeliny amin’ireto soratra masina manaraka ireto, ka mitadiava hevi-baovao fanampiny momba ny fahatongavana ho tanteraka amin’ny fomba nampianarin’i Jesoa.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no ahafahan’ireo hevi-baovao hitanao manampy an’i John amin’ny ahiahiny?

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, hitadiavana ny zavatra azon’i John atao mba hanaovana asa amim-pinoana.

  1. Valio ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza amin’ireo fampianarana ireo no heverinao fa afaka manampy an’i John? Nahoana?

  • Inona no azon’i John entina am-bavaka ka hanampy amin’ny toe-javatra misy azy?

  • Inona no hasainao hataon’i John mba ho velon’ny finoana mandra-pandraisany fahatakarana misimisy kokoa momba ny fahafahany ho tonga tanteraka?

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 12:48 momba ny fahatanterahana manova ny fahatsapanao manokana sy ny zavatra ataonao?

Hamoaka printy