Seminera
Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37: Nosoratana ho an’ny androntsika


“Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37: Nosoratana ho an’ny androntsika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Mormôna (2024)

“Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môrmôna 8:27–41; 9:1–6, 27–37

Nosoratana ho an’ny androntsika

Sary
I Môrônia manoratra amina takelaka

Alaovy sary an-tsaina hoe niaina an-jato taona maro tany aloha saingy nahalala ny hoe hanao ahoana izany miaina amin’izao androntsika izao izany. Niaina izany i Môrônia; nasehon’ny Tompo azy ny androntsika. Namaritra ny fahotana sy toe-tsaina izay hanjaka amin’ny andro farany i Môrônia. Nanasa antsika “hitodika … amin’ny Tompo” izy (Môrmôna 9:6) ary nanome torohevitra hafa mba hanampiana antsika hanara-dia an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampy antsika amin’ny andro farany hitodika amin’ny Tompo.

Nanoratra ho antsika i Môrônia

Alaovy sary an-tsaina hoe niaina tany aloha be tany ianao ary nangatahina hanoratra hafatra iray hapetraka ao anatina vatam-potoana izay hosokafana amin’ny androntsika.

  • Inona no fampitandremana, torohevitra, na fampaherezana homenao mba hanampiana ny olona iray hitety ny zava-tsarotry ny ankehitriny?

Talohan’ny nahafatesan’i Môrmôna, dia nametraka fitokisana tamin’i Môrônia zanany ny amin’ireo takela-bolamena izy (jereo ny Môrmôna 8:1). Nilazalaza fomba iray nanampian’ny Tompo azy hahafantatra ny zavatra hosoratana amin’ny olona amin’izao androntsika izao i Môrônia. Vakio Môrmôna 8:34–35; 9:30, hitadiavana fomba nitahian’ny Tompo an’i Môrônia tamin’ny andraikiny.

  • Inona no nasehon’ny Tompo an’i Môrônia?

  • Inona avy no fahamarinana azontsika ianarana amin’izany?

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe nanome aingam-panahy ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hanoratra miaraka amin’ny androntsika tao an-tsain’izy ireo i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahafantarana fa nahita ny androntsika ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba amakiantsika ny Bokin’i Môrmôna?

Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) momba ireo mpaminan’ny Bokin’i Môrmôna manaraka ity:

Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’ izany izay hanampy ahy eo amin’ ny fiainako amin’ izao andro izao sy amin’ izao vanim-potoana izao?” (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 6)

Ny fametrahana fanontaniana toy ireo naroson’ny Filoha Benson amin’ny tenanao dia fahaiza-mandalina soratra masina mahomby izay afaka manampy anao hahita dikany sy lanjany misimisy kokoa amin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny mandray naoty ireo fanontaniana ireo mba hojerena rehefa mandalina ianao.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fametrahana ireo fanontaniana ireo manatsara ny fandalinanao soratra masina?

Vakio ny Môrmôna 8:27–33 na ny Môrmôna 8:36–41, hitadiavana ny fomba namaritan’i Môrônia ny toe-panahin’ny olona amin’ny androntsika.

  • Iza amin’ireo toetra nolazalazain’i Môrônia no hitanao eo amin’ny fiarahamonina misy antsika?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fihetsika sy fitondrantena ireo miantraika amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Vahaolana ara-panahy amin’izao androntsika izao

Vakio ny Môrmôna 9:6, 27–31, hitadiavana ny zavatra nanomezan’ny Tompo aingam-panahy an’i Môrônia hosoratana mba hanampiana antsika handresy toe-panahy ratsy.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona no nampianarin’i Môrônia ka afaka manampy antsika handresy ny fahotana sy toe-tsaina fahita matetika amin’izao androntsika izao?

    • Iza amin’ireo fampianarana ireo no afaka manampy indrindra ny zatovo amin’ity taranaka ity miantehitra misimisy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

    • Iza amin’ireo fampianarana ireo no heverinao fa afaka manampy anao indrindra amin’izao fotoana izao? Nahoana?

Ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana hanampy antsika hino an’i Jesoa Kristy sy hitodika Aminy (jereo ny 1 Nefia 6:4; Môrmôna 7:5; Môrônia 10:30, 32).

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Mitadiava andininy iray na mihoatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ka mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Lazalazao ny fomba ahafahan’ilay andininy manampy anao hino an’i Jesoa Kristy sy hitodika Aminy (jereo ny Môrmôna 9:6).

    Eo am-panohizanao mandalina ny Bokin’i Môrmôna, dia tsarovy ny mametraka fanontaniana toy ny namporisihin’ny Filoha Benson. Jereo tsara ny fomba iantraikan’ny fametrahana ireo fanontaniana ireo amin’ny fahaizanao mihaino ny feon’ny Tompo eo am-pandalinanao ny soratra masina.

Hamoaka printy