Seminera
Môrônia 2–3: Fahefan’ny fisoronana


“Môrônia 2–3: Fahefan’ny fisoronana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 2–3,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 2–3

Fahefan’ny fisoronana

Sary
Zatovovavy raisina ho mpikambana

Zava-dehibe ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ny fahefan’ny fisoronana avy amin’ Andriamanitra. Tamin’ny sasany tamin’ny tenin’i Môrônia farany ho an’ny taranaka ho avy, izy dia nampianatra momba ny fahefana hanatanterahana ôrdônansin’ny fisoronana. Tamin’ny fanaovana izany izy dia nitahiry fahamarinana manan-danja momba ny fomba ampiasana ny fisoronana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Efa very zavatra nanan-danja taminao ve ianao? Fahamarinana tsotra sady sarobidy maro no very nandritra ny Apôstazia Lehibe (jereo ny 1 Nefia 13:26–29, 32). Manampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny maro amin’ireny fahamarinana ireny ny Bokin’i Môrmôna.

“Misy lanjany”

I Môrônia dia iray tamin’ireo mpihazona fisoronana farany tamin’ny fotoampitantanany tany amin’ny kaontinanta amerikana. Fantany fa rehefa maty izy, dia ho very ny fahalalana manan-danja momba ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ny fahefan’ny fisoronany. Tamin’ny sasany tamin’ny teniny farany, i Môrônia dia nanoratra ny zavatra izay tsapany fa mety “hisy lanjany” amin’ny taranaka ho avy (Moroni 1:4). Nanoratra momba ny fahefan’ny fisoronana sy ôrdônansy izay tsy misy afa-tsy ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ihany izy.

Rehefa namangy ny Nefita ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia “nokasihiny tamin’ny tanany ny mpianatra tsirairay izay efa nofinidiny” ary “nomeny fahefana izy ireo hanome ny Fanahy Masina” (3 Nefia 18:36–37). Nampidirin’i Môrônia tao amin’ny rakitsorany ny torolalana sasantsasany nomen’ny Mpamonjy ireo mpianatra Nefita roa ambin’ny folo mikasika ny fomba fanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Fahefana hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina

Vakio ny Môrônia 2:1–3, hitadiavana ny zavatra izay misy lanjany nampianarin’i Môrônia.

  • Inona no hitanao tao amin’ireo andininy ireo ka tsapanao fa misy lanjany?

  • Avy amin’ny zavatra efa fantatrao, inona no fahefan’ny fisoronana tsy maintsy ilaina mba hanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Môrônia 2?

Fahamarinana iray ny hoe Ny mpihazona fisoronana Melkizedeka dia manome ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana vita batisa, amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny fanomezana ny Fanahy Masina? (Mba hahitana tantara izay maneho izany, dia azonao vakina ny Asa 8:14–24.)

    • Inona no fiatraikan’ ny fahalalana fa ny fahefana hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina dia avy amin’ny fitaoman’ny Mpamonjy, amin’ny fihetseham-ponao momba ilay fanomezana?

    • Ahoana no nitahian’ny fanomezana ny Fanahy Masina ny fiainanao?

Manendry ny hafa amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana

Avy eo i Môrônia dia nanazava ny fomba fanendrena mpisorona sy mpampianatra.

Vakio ny Môrônia 3:1–4, hitadiavana ny fomba nanendrena ny olona ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana.

  • Inona no voamarikao momba ny fomba anendrena ny isam-batan’olona ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana?

Na dia miresaka manokana ny fanendrena ho amina anjara fanompoam-pisoronan’ny mpisorona sy mpampianatra aza ny Môrônia 3, ny fahefana dia mihatra ihany koa amin’ny rehetra izay mihazona antso ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

  • Nahoana no tsy maintsy ilain’ny isam-batan’olona izay manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny manana fahefana?

Avy amin’i Jesoa Kristy ny fahefan’ny fisoronana. Na dia manana fahefan’ny fisoronana aza ny rehetra izay mihazona antso ao amin’ny Fiangonana, ireo izay voatendry ho amin’ny Fisoronana Aharôna na Melkizedeka dia manana fitohizam-pahefan’ ny fisoronana. Io fitohizana io dia manoritra ny fahefan’ny mpihazona fisoronana amin’i Jesoa Kristy. Ny mpihazona fisoronana Melkizedeka dia afaka mangataka rakitsoratry ny fitohizam-pahefan’izy ireo ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Tsy manome taratasy mirakitra ny fitohizam-pahefana ho an’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny Fiangonana. Kanefa raha natokana tamin’ny alalan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna iray dia mety ho afaka hianatra mikasika ny fitohizam-pahefan’ilay lehilahy nanokana azy izy.

Nanazava toy izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fifanarahana tsotra eo amin’ny olona ny fanaovana asa miaraka amin’ny herin’ Andriamanitra. Tsy afaka hivoaka avy amin’ny fiofanana ara-teôlôjia na asa ampiandraiketina avy amin’ny mpiangona izany. Tsia, mila hery lehibe kokoa noho izay efa ananan’ny olona any amin’ny dabiliom-piangonana na eny an-dalana na any amin’ny amin’ny toerana fiofanana ho mpitondra fivavahana izany—toe-javatra iray izay efa fantatr’ireo mpitondra fivavahana mahitsy fo aman-tsaina sy eken’izy ireo malalaka tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby ka tonga tany amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. …

… [Ny fitohizam-pahefan’ny fisoronan’ny mpihazona fisoronana tsirairay ao amin’ny Fiangonana] dia miverina amina rojo tsy tapaka hatrany amina mpanompo anjely izay avy amin’ny Zanak’ Andriamanitra Izy Tenany, nitondra io fanomezana tsy manan-tsahala io avy any an-danitra. (Jeffrey R. Holland, “Notre trait le plus caractéristique [Ny lafin-javatra mampiavaka antsika indrindra],” Liahona, mai 2005, 44)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Nahoana no manan-danja ny hoe azo fantarina hatrany amin’i Jesoa Kristy ny fiavian’ny fahefan’ny fisoronana?

    • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana io fifandraisana amin’i Jesoa Kristy io miantraika amin’ny fahatsapanao momba ny ôrdônansy, antso, na fitahiana raisinao amin’ny alalan’ny fisoronana?

Zarao ny zavatra izay nianaranao

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Alaovy sary an-tsaina hoe manana olona iray ao amin’ny fianakaviana izay handeha hatao batisa sy horaisina ho mpikambana, hotendrena ho amin’ny fisoronana na hatokana ho amina antso, ianao. Inona no azonao zaraina amin’izy ireo avy ao amin’ny Môrônia 2 na 3 mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny lanjan’ilay tranga?

Hamoaka printy