“Famerenana fifehezana fotopampianarana 25: Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
“Famerenana fifehezana fotopampianarana 25,” Bokin’i Môrmôna; Boky torolalana ho an’ny mpampianatra
Famerenana fifehezana fotopampianarana 25
Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
Ao amin’ny Fiangonana, isika dia asaina hitombo tahaka ny nitomboan’ny Mpamonjy—ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina. Afaka manampy anao handroso ny fametrahana tanjona. Ny soratra masina dia omen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Krsity amin’ireo fomba ireo. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hizatra hampihatra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny tanjonao ho tonga tahaka ny Mpamonjy.
Mitomboa araka ny nitomboan’i Jesoa Kristy
Ao amin’ny Lioka 2:52 dia vakintsika fa i Jesoa Kristy dia nitombo “saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.” Irin’ny Ray any An-danitra ny hitomboantsika tahaka ny nitomboan’ny Mpamonjy amin’ny ireo lafiny rehetra ireo. Nangataka antsika hametraka tanjona ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, mba hanampy antsika hivelatra ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina.
Eritrereto ny tanjona napetrakao na tianao hapetraka.
-
Inona avy no fahombiazana sasantsasany efa niainanao?
-
Inona avy no zava-tsarotra natrehinao rehefa niezaka nanatratra ireo tanjona ireo ianao?
Raha niresaka momba ireo tanjona ireo ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra hoe:
Ho solon’ny fanomezanay anareo asa atao maro voafaritra manokana, dia manasa anareo izahay mba hila hevitra amin’ny Tompo momba ny fomba ahafahanareo mivoatra amin’ny fomba voalanjalanja. Hitondra valisoa sy hahafinaritra izany, saingy hitaky karazana ezaka avy aminareo ihany koa. Mila mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ianareo. Mila misafidy ho an’ny tenanareo ny amin’ny fomba hanaovana asa mifanaraka amin’izany ianareo. Indraindray ny Fanahy dia mety hibitsika aminareo mba hanao zavatra sarotra. Tena afaka miatrika izany fanamby izany ianareo araka ny eritreritro. Afaka manao zavatra sarotra ianareo. (Russell M. Nelson, “Special Children and Youth Broadcast Featuring President M. Russell Ballard” [fampahafantarana ilay tetikasa vaovao ho an’ny Ankizy sy Zatovo, sept. 29, 2019], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
-
Ahoana ny eritreritrao momba ny torohevitry ny Filoha Nelson?
Rehefa mandalina ianao anio, dia ho afaka mampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny tanjonao mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa ara-panahy, ara-tsôsialy, ara-batana ary ara-tsaina.
Afaka manampy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Almà–Môrônia
Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)
Andinin-tsoratra masina |
Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina |
---|---|
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy maintsy misy sorompanavotana atao, … sorona tsisy fetra sady mandrakizay.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy handehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Efa niaretako ny sitrapon’ny Ray tamin’ny zava-drehetra tany am-piandohana.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Aoka ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any an-danitra.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Mankanesa atỳ amiko ary aoka hatao batisa … mba hahazoana manamasina anareo amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Raha manatona Ahy ny olona, … amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’i Kristy.” |
Andinin-tsoratra masina | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy … [ary] amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.” |
© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved.
-
Inona avy no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy anao hanatratra ny tanjonao? Amin’ny fomba ahoana?
-
Iza avy no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy anao hitombo “saina sy tena, sady mandroso fitia amin’ Andriamanitra sy ny olona” tahaka ny Mpamonjy?
-
Ahoana no ahafahan’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra manampy anao hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy iray na mihoatra?