Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy

Inona no tanjon’ny fivorian’ny kôlejintsika sy ny kilasintsika?

Nametraka fitokisana lehibe taminao ny Tompo: Niantso anao mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy Izy. Anisan’ny andraikitrao ny mitarika ireo fivorian’ny kôlejy na kilasy misy anaorehefa alahady. Mba hanaovana izany, dia manampy ny fahatakarana ny antony anaovana an’ireo fivoriana ireo.

Ny fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy dia tsy mitovy amin’ny fivorian’ny kilasy hafa ao amin’ny Fiangonana toy ny Sekoly Alahady na seminera. Manao zavatra mihoatra ny fandalinana lohahevitra ara-pilazantsara fotsiny isika ao amin’ny fivorian’ny kôlejy sy ny kilasy. Mianatra mikasika ny asa izay nomen’ Andriamanitra antsika isika, ary mandrindra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejintsika na kilasintsika mba hanao izany asa izany any an-tokantranontsika sy any am-piangonana ary any amin’ny fiarahamonina misy antsika. Manao drafitra isika, ohatra, mikasika ny fomba hanatanterahantsika ny andraikitsika amin’ny maha-anisan’ny tafiky ny zatovon’ny Tompo antsika mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ao amin’ireo fivoriana ireo isika dia tsy miresaka fotsiny momba ny asa fa manao drafitra hanatontosana izany.

Sary
zatovolahy ao an-dakilasy

Fa ity fanamafisana momba ny asa ity dia tsy midika hoe Sekoly Alahady ihany no iresahantsika mikasika ny fotopampianarana. Raha ny marina dia tena zava-dehibe ny fianarana fotopampianarana ao amin’ny fivorian’ny kôlejy sy ny Zatovovavy . Izany dia manampy antsika hahatakatra ny antony anaovantsika ny asa. Rehefa miaraka mandalina ny filazantsara isika dia afaka manova ny fontsika ireo fahamarinana izay ianarantsika. Afaka mandray bitsika isika mikasika ny fomba hitomboana amin’ny “saina sy tena sady [handroso] fitia [amin’ ]Andriamanitra sy ny olona” (Lioka 2:52). Rehefa lasa miova fo kokoa ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika, dia mahatsapa faniriana ny hanampy ny hafa eny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, tafiditra ao anatin’izany ny fianakaviantsika, ny namantsika, sy ny mpiray kôlejy sy kilasy amintsika.

Iza no mitarika ireo fivoriana ireo?

Niantso anareo ho fiadidian’ny kôlejy sy kilasy Andriamanitra ary nanome anareo fahefana mba hitarika. Izany no antony tokony hitarihan’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejinareo na ny kilasinareo ny fivorian’ny kôlejinareo na ny kilasinareo tsirairay. Ireo olon-dehibe mpitarika dia tokony hanolotra fitarihana sy fanohanana, saingy izy ireo dia tsy tokony hisolo toerana anareo. Jereo ilay fizarana mitondra ny lohahevitra hoe “Miaraha mifanakalo hevitra” ao amin’ny fiantombohan’ny rindram-damina tsirairay ao amin’ity loharanom-pitaovana ity mba hahitana hevitra hanampiana anareo hahafantatra ny fomba hitarihana ny fivoriana iray sy hanatontosana ny tanjon’izany marina. Ampiasao ny fivorian’ny fiadidiana mba hanaovana drafitra mikasika ny fomba hitarihanao ireo fivoriana isaky ny alahady.

Iza no tokony hampianatra ny lesona?

Ny olon-dehibe mpitarika, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy, na ny mpikambana hafa ao amin’ny kôlejy na kilasy dia afaka mampianatra ny lesona. Amin’ny maha-fiadidian’ny kôlejy na kilasy dia mifandiniha miaraka amin’ny olon-dehibe mpitarika mikasika ny olona izay tokony hasaina hampianatra ny lesona. Tsarovy fa ireo olon-dehibe mpitarika anareo dia manana zavatra betsaka hatolotra. Katsaho ny hianatra avy amin’ny traikefa sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Misy tombontsoa koa azo avy amin’ny fangatahana ny zatovo mba hampianatra. Ny mampianatra dia mety hanampy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo sy hanorina fifandraisana matanjaka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kôlejy na kilasy. Noho izany dia omeo fahafahana araka izay mety izy ireo mba hampianatra ny lesona rehetra na ny ampahany amin’izany, saingy tsarovy ny zavatra ilain’ireo olona ao amin’ny kôlejinareo na ny kilasinareo ary ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ohatra, ny olon-dehibe mpitarika dia mety hampianatra matetika kokoa ao amin’ny kôlejy na kilasy misy zatovo mbola tanora kokoa na misy zatovo izay tsy dia manana traikefa amin’ny fampianarana ny filazantsara. Rehefa asaina hampianatra ny zatovo dia tokony hisy ray aman-dreny na olon-dehibe mpanoro hevitra hanampy azy ireo hiomana araka izay ilaina.

Ireo izay nomena andraikitra hampianatra dia afaka mampiasa ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ampianaro ny fotopampianarana” ao amin’ny rindram-damina tsirairay ao amin’ny loharanom-pitaovana mba hanampy azy ireo hiomana. Io fizarana io dia mirakitra sosokevitra enti-mampianatra sy fifanakalozan-kevitra mikasika ny fotopampianarana ho an’izany herinandro izany, saingy ny mpampianatra dia tsy tokony hahatsapa ho voafetra amin’ny fampiasana ireo sosokevitra enti-mampianatra ireo fotsiny. Araka ny fitarihan’ny Fanahy, ny mpampianatra dia afaka mampifanaraka ireo hevitra ireo na mampiasa ny hevitr’izy ireo manokana hampianarana amin’ny fomba izay tena mety mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ary hanampiana azy ireo hahatakatra ny fotopampianarana.

Inona no lohahevitra ara-potopampianarana izay horesahantsika ao amin’ny fivoriantsika?

Ny lohahevitry ny rindram-damina isan-kerinandro dia fitsipika ara-potopampianarana izay efa nofidina mba hampifanarahana amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna izay nasaina hatao ho an’izany herinandro izany, hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Amin’izany fomba izany ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fotopampianarana ao amin’ny fivorian’ny kôlejy sy kilasy dia hanohana ny zavatra izay ianaran’ny zatovo any an-tokantrano.

Na dia tokony hampianarina mandritra ny alahady voatokana aza ireo rindram-damina, dia mbola manana ny safidy hiresaka lohahevitra ara-potopampianarana hafa mifototra amin’ny zavatra ilain’ny kôlejy sy kilasy misy anao ianao.

Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina ho an’ny herinandro tsirairay rehefa tanterahina ny fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy. Indraindray, mety hilainao ny mandingana lesona iray noho ny fihaonamben’ny tsatòka na antony hafa.

Inona no anjara asan’ireo olon-dehibentsika mpitarika?

Ireo olon-dehibe mpitarika dia manana anjara asa manan-danja ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy. Hitarika anareo sy hanome torohevitra anareo izy ireo ao amin’ny antsonareo mba hitarika. Izy ireo dia hanohana sy hankahery anareo rehefa manao ny asa ao amin’ny kôlejy na ny kilasy misy anareo ianareo. Hampianatra fotopampianarana anareo izy ireo, ary izy ireo dia hitahy anareo amin’ny alalan’ny ohatra asehon’izy ireo, sy ny traikefa ananan’izy ireo ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Hamoaka printy