Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
10 janoary. Nahoana no zava-dehibe ny Fahitana Voalohany? Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; Joseph Smith—Tantara 1:1–26


“10 janoary. Nahoana no zava-dehibe ny Fahitana Voalohany? Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; Joseph Smith—Tantara 1:1–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“10 janoary. Nahoana no zava-dehibe ny Fahitana Voalohany?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
I Joseph Smith mivavaka

Nahita hazavana aho, nataon’i Jon McNaughton

10 janoary

Nahoana no zava-dehibe ny Fahitana Voalohany?

Fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; Joseph Smith—Tantara 1:1–26

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Iza no tokony hasaintsika amin’ny fiaraha-mientana manaraka?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Inona avy ireo asa nampandraiketina izay notontosaintsika? Inona avy ireo asa nampandraiketina izay ilaintsika atao? Tamin’ny fomba ahoana no nanasantsika ny hafa hanatona an’i Kristy, ary ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa ankehitriny?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ireo zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Inona no mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no ahafahantsika mifanohana?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Na dia efa mihoatra ny 200 taona aza izao ny fotoana voalohany nandohalihan’i Joseph Smith tao amin’ny Alakely Masina dia miantraika lalina amin’ny fiainantsika ankehitriny ny valim-panontaniana azony. Saintsaino ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanao satria niseho tamin’i Joseph ny Ray sy ny Zanaka. Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo olona ampianarinao ny mahazo fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana momba ny Fahitana Voalohany avy amin’ny Fanahy Masina? Ahoana no hanampianao azy ireo amin’izany? Mety hanampy anao ny fiverenana mijery ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 izay nankalazana ny fahatsiarovana ny faha-200 taonan’io fahitana be voninahitra io.

Sary
zatovovavy ao an-dakilasy

Afaka mandray fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny Fahitana Voalohany ny zatovo tsirairay.

Miaraha mianatra

Satria tao anatin’ny hatanorany i Joseph Smith tamin’ny fotoan’ny Fahitana Voalohany, dia mety ho afaka ny hampifandray ny tenan’izy ireo amin’ny fikarohany ny marina ireo olona ampianarinao. Omeo fotoana fohy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizaràny ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny Joseph Smith—Tantara 1:1–26. Ireto asa atao eto ambany ireto dia afaka manampy azy ireo hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo fa niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

  • Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina? Afaka mamaky ny fitantaran’i Joseph ny zavatra niainany ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:7–20 ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ary mizara ireo fahamarinana hitan’izy ireo. (Ohatra hoe mihaino sy mamaly vavaka Andriamanitra; tena misy i Satana sy ny heriny, fa lehibe kokoa ny herin’ Andriamanitra; tsy mbola nitsahatra ny fanambarana.) Ahoana no nitahian’ireo fahamarinana ireo ny fiainantsika?

  • Afaka mangataka ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ihany koa ianao mba hamerina hijery ireo hafatra momba ny Fahitana Voalohany avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020 (Jereo ny Liahona, mey 2020). Ohatra, azon’izy ireo atao ny mamerina mijery ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Henoy Izy” (Liahona, mey 2020, 88–92). Asao izy ireo hizara izay hitan’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany.

  • Nijoro ho vavolombelona momba ny asa masina nanirahana ny Mpaminany Joseph Smith avokoa ny tsirairay amin’ireo Filohan’ny Fiangonana. Mety hahazo tombontsoa amin’ny famakiana ny fijoroana ho vavolombelona ataon’izy ireo ao amin’ny iray amin’ireo boky Enseignements des présidents de l’Église ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy. (Ny ankamaroan’ireo boky ireo dia ahitana toko iray mikasika ny Mpaminany Joseph Smith.) Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia afaka manasa mpikambana ao amin’ny kôlejinao na kilasinao ianao hisafidy iray amin’ireo Filoha ireo ary hizara zavatra iray nolazainy izay azon’izy ireo ampiasaina hampianarana olona iray mikasika ny Fahitana Voalohany.

  • Hevero ny hanasa mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy handalina “The Restoration of the Gospel of Jesus Christ through Joseph Smith (Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’i Joseph Smith)” ao amin’ny toko faha-3 ao amin’ny Preach My Gospel (Torio ny Filazantsarako) ([2019]) ary hanao fanazaran-tena hifampianatra momba ny Fahitana Voalohany. Afaka manasa azy ireo hizara ny zavatra niainan’i Joseph Smith amin’ny fampiasana ny sasany amin’ireo teniny manokana hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ianao.

  • Mahafantatra ve ireo olona ampianarinao fa misy fitantarana maro mikasika ny Fahitana Voalohany? Ny tsirairay amin’ireo fitantarana ireo dia manome antsipirian-javatra miavaka izay manome fahatakarana feno ny zavatra nitranga tao amin’ilay Alakely Masina. Inona no hitan’izy ireo ka nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany? Azonareo jerena ny horonan-tsary hoe “Ask of God: Joseph Smith’s First Vision” (ChurchofJesusChrist.org), izay maneho ny Fahitana Voalohany amin’ny alalan’ny fampiasana ny antsipirian-javatra avy amin’ireo fitantarana ireo. Nahoana no tsara ny fananana fitantarana maro momba ny Fahitana Voalohany? Ahoana no hanampian’ireo fitantarana ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa ireo mpanara-dia Azy ny Mpamonjy mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo fampianarany. Rehefa nanao izany izy ireo dia nikasika ny fon’izy ireo ny Fanahy. Ahoana no ahafahanao mamporisika ireo izay ampianarinao mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 11.)

Hamoaka printy