Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
24 janoary. Ahoana no ahafahako manomana ny tenako handray anjara amin’ny “Asa Mahatalanjona” ataon’ Andriamanitra? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5


“24 janoary. Ahoana no ahafahako manomana ny tenako handray anjara amin’ny -Asa mahatalanjona- ataon’ Andriamanitra? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“24 janoary. Ahoana no ahafahako manomana ny tenako handray anjara amin’ny -Asa mahatalanjona- ataon’ Andriamanitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
zatovovavy sy zatovolahy eo anoloan’ny tempoly

24 janoary

Ahoana no ahafahako manomana ny tenako handray anjara amin’ny “Asa Mahatalanjona” ataon’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona no azontsika atao mba hanorenana firaisankina eo anivon’ny olona ao amin’ny kôlejy na kilasy misy antsika? Inona avy ireo tanjona tiantsika hiarahana miasa?

  • Ireo adidintsika na andraikitsika. Inona no ataontsika amin’izao fotoana izao mba hizarana ny filazantsara? Inona no traikefa ananantsika amin’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Ny fiainantsika. Tamin’ny fomba ahoana no nahitantsika ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika? Inona no nankahery antsika avy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina tamin’ity herinandro ity?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Tamin’ny fotoana voalohany nanombohan’ireo Olomasina tany am-boalohany naheno ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia maro ireo te hahalala izay azon’izy ireo atao mba hanampiana amin’ny asa. Ny rain’ny Mpaminany Joseph Smith, i Joseph Smith Rainy, dia iray tamin’ireo izay nangataka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo mahakasika azy. Ny valin-tenin’ny Tompo, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4, dia nanentana taranak’olona maro mba hanompo amin’ny “fo, ny hery, ny saina, ary ny tanja[ny])”.(andininy 2) rehetra hatramin’io fotoana io. Na manao asa fitoriana na manompo amin’izay rehetra mety ho antso na andraikitra ao amin’ny Fiangonana, dia mitovy ireo fepetra takiana ho amin’ny fanompoana: faniriana hanompo an’ Andriamanitra omban’ny finoana, fanantenana, fiantrana ary fitiavana (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2–6). Ahoana no ahafahanao manampy ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy mba hampatanjaka ny fanirian’izy ireo hanompo ny Tompo ary hiomana amin’ireo fahafahana hanompo amin’ny ho avy?

Mba hanomananao tena hitarika ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy sy kilasy amin’ity fandalinana ity, dia azonao atao ny mamaky sy misaintsaina ny iray na mihoatra izany amin’ireo hafatra hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.”

Sary
zatovolahy mamangy lehilahy zokiolona

Ampahany amin’ny asa famonjena ny fikarakarana ireo sahirana.

Miaraha mianatra

Mety ho nahazo fitaomam-panahy hanompo ny Tompo amim-pahazotoana kokoa ny mpikambana ao amin’ny kôlejy sy ny kilasy rehefa namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3–5 tamin’ity herinandro ity. Mba hamporisihana azy ireo hizara ny eritreriny dia azonao asaina izy ireo haka sary an-tsaina hoe eo am-pitadiavana asa. Inona avy ireo fepetra takiana mety hapetrak’izy ireo ao anatina CV na horesahany mandritra ny tafa sy dinika hampidirana hiasa? Afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 izy ireo ary mamantatra ireo fepetra takian’ny Tompo amin’ireo izay te handray anjara amin’ny asany. Misafidiana iray na mihoatra izany amin’ireo asa atao eo ambany ireo mba hanampiana ireo olona ampianarinao hihevitra izay azon’izy ireo atao mba handraisana anjara feno kokoa amin’ny “asa mahatalanjona” ataon’ Andriamanitra ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1).

  • Mba hanampiana ireo olona ampianarinao hianatra hoe ahoana no ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asa famonjena dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity famaritana ny asa famonjena manaraka ity: Andriamanitra dia manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy sy hanampy amin’ny asany amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fikarakarana ireo sahirana, ny fanasana ny rehetra handray ny filazantsara ary ny fampitambarana ireo fianakaviana ho mandrakizay. Asao ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hifanakalo hevitra mikasika ny fomba mety hanampian’ireo toetra ananana voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 azy ireo hanao ny ampahany tsirairay amin’ny asa famonjena. Zarao ho vondrona ireo tanora ary avelao ny isam-bondrona hiresaka ireo fomba ahafahan’izy ireo manana ireo toetra ireo. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny asa famonjena ho ampahany manan-danja kokoa eo amin’ny fiainantsika?

  • Asao ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hamerina hijery ny iray amin’ireo hafatra hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana,” hitady teny nindramina iray azon’izy ireo zaraina momba ny fomba ahafahana manompo ny Tompo am-pahatokiana amin’ireo antso, na asa nampandraiketina na andraikitra hafa ao amin’ny Fiangonana. Angataho izy ireo hizara ilay teny nindramina nofidian’izy ireo sy ny antony nahatsapany izany ho manan-danja. Ahoana no fomba hampiharan’izy ireo ny zavatra nianarany amin’izao fotoana sy amin’ny hoavy?

  • Mety miomana ny ho lasa misiônera ny mpikambana sasany ao amin’ny kôlejy na kilasy. Afaka mangataka azy ireo ianao mba hizara ny fomba iomanany hanompo. Mba hamporisihana azy ireo amin’ny ezaka ataony dia afaka mizara ny fanontaniana izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar fa voarainy matetika ianao hoe: “Inona no azoko atao mba hiomanana amin’ny fomba mahomby indrindra mba ho misiônera manompo amin’ny fotoana feno?” (“Becoming a Missionary,” Liahona, Nov. 2005, 45). Ahoana no mety hamalian’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy izany fanontaniana izany? Inona no hevi-baovao natolotry ny Loholona Bednar? Afaka manasa misiônera tafaverina iray na mihoatra izany ianao mba hizara ny zavatra nataon’izy ireo hiomanana ho amin’ny famitana iraka iray sy ny zavatra tian’izy ireo raha mba nataony.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo eo anatrehan’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nanasa ny mpianany hijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy ary rehefa nanao izany izy ireo dia nikasika ny fon’izy ireo ny Fanahy. Rehefa mampianatra momba ny fankatoavana ianao ohatra, dia asao ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika ny maha zava-dehibe ny fitandremana ireo didy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 1132.)

Hamoaka printy