Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
14 febroary. Inona no atao hoe Fisoronana? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75


“14 febroary. Inona no atao hoe Fisoronana? Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021 (2020)

“14 febroary. Inona no atao hoe Fisoronana?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2021

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manome ny Fisoronana Aharôna

Ianareo ry mpiara-manompo amiko … no tolorako, nataon’i Linda Curley Christensen sy Michael T. Malm

14 febroary

Inona no atao hoe Fisoronana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; manodidina ny 10–20 minitra eo

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na ny Fanevan’ny Zatovovavy. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra toy ireto manaraka ireto, ary manomàna fomba hanatanterahana ny zavatra ifanakalozanareo hevitra (afaka manapaka ireo zavatra horesahina ao anatin’ny fivorian’ny fiadidiana ianao):

  • Ny kôlejintsika na kilasintsika. Inona avy ireo fiaraha-mientana nataontsika tato ato? Nahomby ve izy ireny? Inona no nizotra tsara, ary inona no azontsika hatsaraina?

  • Ny andraikitsika na anjara asantsika. Iza no mila ny asa fanompoantsika? Ahoana no hahafahantsika manampy azy ireo?

  • Ny fiainantsika. Inona avy ny tanjona hisasarantsika tsirairay avy? Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina? Inona avy ireo fitahiana efa noraisintsika?

Amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy raha mety ny hanaovana izany izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny momba ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
sary famantarana ny ampianaro ny fotopampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; manodidina ny 25–35 minitra eo

Manomàna tena ara-panahy

Rehefa mamaky momba ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ianao dia miezaha mamaky izany eo am-pieritreretana izay mety ho tsapan’ireo olona ampianarinao. Takatr’izy ireo ve ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo? Ahoana no nanampian’ireo ôrdônansin’ny fisoronana toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo anao handray ny herin’ny Mpamonjy? Eritrereto ireo zavatra niainana azonao zaraina. Mba hanomananao tena hampianatra momba ny fisoronana dia hevero ny handalina ny soratra masina naroso ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny “Fisoronana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina ao an-dakilasy

Manampy antsika hahatakatra ny fomba itahian’ny fisoronana ny fiainantsika ny soratra masina.

Miaraha mianatra

Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray momba ny fisoronana dia afaka manasa mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ianao hizara izay fantatr’izy ireo momba ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna, anisan’izany ny zavatra vakin’izy ireo amin’ity herinandro ity ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 sy ny Joseph Smith—Tantara 1:66–75. Afaka mampiseho sary maneho ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna ihany koa ianao (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 93) ary manasa mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hizara izay fantatr’izy ireo momba io zava-nitranga io. Nahoana isika no feno fankasitrahana fa naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana? Ireto zavatra atao manaraka ireto dia afaka manampy ireo olona ampianarinao hahatakatra kokoa momba ny fisoronana sy ny fomba hitahian’izany antsika.

  • Ahoana no mety hanazavan’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy ny atao hoe fisoronana amina olona mbola tsy naheno mikasika izany mihitsy? Mba hanampiana azy ireo dia azonao atao lisitra eo amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana sasany mety hapetraky ny olona mikasika ny fisoronana, toy ny hoe Inona no atao hoe fisoronana? Ahoana no handraisan’ny olona iray ny fisoronana? Toy ny ahoana no tokony ho fomba fiasan’ny olona iray mpihazona ny fisoronana? Inona no ataon’ny mpihazona fisoronana? Asao ireo olona ampianarinao hitady valim-panontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masina sy loharano hafa hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ary soraty eo amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo. Afaka mangataka azy ireo ianao mba hizara ny fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainan’izy ireo noho ny fisoronana. Jereo ihany koa ny Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2017).

  • Raha mampianatra mpihazona Fisoronana Aharôna ianao, dia afaka mahazo tombony amin’ny famerenana mijery ny hafatry ny Rahalahy Douglas D. Holmes “Ny zavatra tokony ho takatry ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna tsirairay avy” (Liahona, mey 2018, 50–53) izy ireo. Azonao omena andraikitra hamerina hijery ireo andiam-pehezan-teny maromaro voalohany amin’ilay hafatra na ny iray amin’ireo fizarana efatra hafa ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy. Asao ny olona tsirairay hitady zavatra izay tsapany fa ilain’ny mpihazona Fisoronana Aharôna rehetra ny mahatakatra azy. Omeo fahafahana hizara izay zavatra nianarany sy hanazava ny antony nifidianany izany fampianarana izany izy.

  • Raha mampianatra zatovovavy ianao dia afaka mizara ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Ireo harena ara-panahy,” izay natao ho azy ireo (Liahona, nôv. 2019, 76–79). Azonao angatahina ny mpikambana ao amin’ny kilasy hamakafaka ny hafany ka hitady zavatra azon’izy ireo atao mba “hanovo … ny herin’ny Mpamonjy” ho eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny fomba feno kokoa (pejy 77). Inona no nampianarin’ny Filoha Nelson mikasika ny fomba ahafahantsika mahazo ny herin’ny fisoronana? Ahoana no ahafahan’ny herin’ny fisoronana mitahy antsika? Amporisiho ny zatovovavy hihevitra ny fomba hamalian’izy ireo ity fanasana avy amin’ny Filoha Nelson ity hoe: “Mandresy lahatra anareo aho handalina amim-bavaka ireo fahamarinana rehetra mety ho hitanareo mikasika ny herin’ny fisoronana” (pejy 79).

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hanatanterahana ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Ahoana no ifandraisan’ny lesona androany amin’ireo tanjon’ny tena manokana izay efa nataon’izy ireo? Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy na kilasy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Nampianatra ny mpianany ny Tompo mba hitodika amin’ny soratra masina hitadiavana valim-panontaniana sy handraisana tanjaka ara-panahy. Ahoana no ahafahanao mampahery ireo olona ampianarinao hitodika amin’ny soratra masina mba hitady ny valin’ireo fanontaniana sy olan’izy ireo? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 30.)

Hamoaka printy