Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75 : “Ianareo ry mpiara-manompo amiko … no tolorako”


“8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75: -Ianareo ry mpiara-manompo amiko … no tolorako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“8–14 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Renirano Susquehanna

8–14 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12–13; Joseph Smith—Tantara 1:66–75

“Ianareo ry mpiara-manompo amiko … no tolorako”

Nahazo fahalalana fanampiny i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery rehefa nivavaka momba ireo fahamarinana nianaran’izy ireo tao anatin’ny soratra masina izy ireo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68). Ahoana no hanarahanao ny ohatra nasehon’izy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny ankamaroan’ny olona manerana izao tontolo izao dia mety tsy mbola nandre na oviana na oviana ny toerana iray antsoina hoe Harmony, Pennsylvanie. Fa matetika ny Tompo no mifidy ireo toerana tsy malaza mba hanatanterahana ireo tranga manan-danja indrindra ao amin’ny fanjakany. Tao amin’ny ala iray teo akaikin’i Harmony, tamin’ny 15 mey 1829, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ny endriny nitsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa. Napetrany teo amin’ny lohan’izy ireo ny tanany ka notolorany azy ireo ny Fisoronana Aharôna, sady nantsoiny hoe “ry mpiara-manompo amiko” izy ireo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1).

Angamba tena nampanetry tena, nampientanentana an’ireto tovolahy roa teo amin’ny faha-roapolo taonany ireto mihitsy aza izany raisina ho mpiara-manompo amin’i Jaona Mpanao Batisa, izay nanao batisa ny Mpamonjy sy nanomana ny lalana ho an’ny fiaviany izany (jereo ny Matio 3:1–6, 13–17). Tamin’izany fotoana izany dia samy tsy be mpahafantatra i Joseph sy i Oliver, tahaka ny tsy nahafantarana firy an’i Harmony. Kanefa ny fanompoana ao amin’ny asan’ Andriamanitra dia mikasika ny fomba hanompoantsika hatrany, fa tsy momba ireo izay mahatsikaritra izany. Na mety ho kely sy tsy tazana toy ny ahoana aza ny anjara biriky entinao, ianao ihany koa dia mpiara-manompo ao anatin’ny asa lehiben’ny Tompo.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12

Irin’ny Tompo ny hanampiako amin’ny fampiorenana ny fotokevitr’i Ziona.

I Joseph Knight rainy sy i Polly vadiny dia nihaona tamin’i Joseph Smith, fony izy 20 taona raha izy nanomboka niasa tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’izy ireo tao Colesville, New York. Namariparitra azy ho mpiasa tsara indrindra hitany hatrizay naha-olona azy i Joseph Knight. Nino ny fijoroana ho vavolombelon’i Joseph Smith mikasika ireo takelaka volamena izy ary nitondra an’i Polly mba hitsidika an’i Joseph Smith raha nandika ny Bokin’i Môrmôna tao an-tranony tao Harmony, Pennsylvania izy. Nino avy hatrany izy. Nandritra ny sisa tamin’ny androm-piainan’izy ireo dia nitoetra ho mahatoky tamin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny i Joseph sy i Polly. Olona mihoatra ny 60 tao amin’ny fianakaviana Knight no niditra ho mpikambana sy nanampy tamin’ny fanorenana ny Fiangonana tao New York, Ohio, Missouri, Nauvoo, ary Salt Lake City taty aoriana.

Naniry hahafantatra ny fomba ahafahany manampy tao amin’ny asan’ny Tompo i Joseph Knight. Ny valin-tenin’ny Tompo (izay ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12 ankehitriny) dia mihatra “amin’ireo rehetra izay manam-paniriana ny hanomboka sy hampiorina ity asa ity” (andininy 7)—anisan’izany ianao. Midika inona aminao ny hoe “hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona”? (andininy 6). Manampy anao hanatanteraka izany amin’ny fomba ahoana ireo fitsipika sy toetra ao amin’ny andininy 7–9 ?

Jereo ihany koa ny “The Knight and Whitmer Families,” Revelations in Context, 20–24.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Naverin’i Jaona Mpanao Batisa ny Fisoronana Aharôna.

Nanambara fahamarinana maro momba ny Fisoronana Aharôna tao anatin’ny fehezan-teny iray monja i Jaona Mpanao Batisa. Ataovy lisitra ny zavatra rehetra ianaranao avy ato amin’ity fizarana ity (anisan’izany ny avy ao amin’ny fanolorana ny fizarana). Mety ho hitanao fa manampy ny mandalina ny sasany amin’ireo andian-teny hitanao. Ireto misy ohatra vitsivitsy azonao hanombohana:

Inona avy ireo fitahiana azonao avy tamin’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna?

Sary
I Joseph Smith manao batisa an’i Oliver Cowdery

I Joseph Smith manao batisa an’i Oliver Cowdery, nataon’i Del Parson

Joseph Smith—Tantara 1:66–75

Mahatonga ahy ho afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra ireo ôrdônansy.

Ny Rahavavy Carole M. Stephens, mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe: “Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana dia manome fahafahana hahazo ny fahafenoan’ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra antsika, izay azo tanterahina noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mamatsy hery ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izy ireo, dia ny herin’ Andriamanitra izany, ary manome antsika fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay” (“Moa ve fantatsika izay ananantsika?Liahona, nôv. 2013, 12).

Rehefa mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:66–75 ianao, anisan’izany ny fanamarihana eo amin’ny fiafaran’ny andininy 71, dia eritrereto hoe inona nitaona an’i Joseph sy i Oliver mba hanontany momba ny batisa, ary diniho ireo fitahiana izay tonga tamin’izy ireo rehefa avy nandray anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana izy ireo. Vakio ireo soratra mety nataonao tao amin’ny diarinao rehefa avy nandray ôrdônansy ianao na koa soraty ny zavatra tsaroanao momba ireny tranja ireny. Inona avy ireo fahasoavana azonao tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–22; Olomasina, 1:65–68.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:8Nahoana no ilaina ireo toetra voatanisa ao anatin’io andininy io rehefa manao ny asan’ny Tompo isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13.Inona no mety hampiorina ny finoan’ny fianakavianao momba ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna? Ny kisary nampiarahina tamin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy ny fianakavianao haka sary an-tsaina ny fameranana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna. Tian’izy ireo ve ny hanao sary izany tranga izany, araka ny izay novakiny tao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:68–74? Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo ihany koa izy ireo.

Joseph Smith—Tantara 1:68.Ahoana no fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mba hahazoana valin-teny amin’ireo fanontaniantsika? Rehefa miara-mamaky ianareo dia maty ho azonareo atao ho fahazarana ny miato sy manontany raha toa ka misy olona manana fanontaniana momba izay novakin’izy ireo.

Joseph Smith—Tantara 1:71, fanamarihana.Inona no nanaitra ireo olona ao amin’ny fianakavianareo momba ireo tenin’i Oliver Cowdery? Inona avy ireo “andro tsy hohadinoana na oviana na oviana” ao amin’ny fianakavianao?

Joseph Smith—Tantara 1:73–74.Inona no fiantraikan’ny Fanahy Masina teo amin’i Joseph sy i Oliver? Oviana ny Fanahy no nanampy ny fianakavianareo hahatakatra ny soratra masina sy hifaly ao amin’ny Tompo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Tafaverina indray ny Fisoronana,” Bokin-kiran’ny Ankizy, 60.

Manatsara ny fampianarantsika

Mandalìna lohahevitra iray. Miaraha ianareo mianakavy misafidy lohahevitra iray izay tianareo halalinina amin’ny antsipiriany kokoa. Ohatra: Afaka mampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ianareo amin’ity herinandro ity mba hitadiavana soratra masina momba ny Fisoronana Aharôna.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith

Ianareo ry mpiara-manompo amiko … no tolorako, nataon’i Linda Curley Christensen

Hamoaka printy