Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18-19: “Lehibe ny hasarobidin’ny olona”


“22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19,-Lehibe ny hasarobidin’ny olona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 febroary. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Ny toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris

Ny toeram-piompiana sy fambolen’i Martin Harris, nataon’i Al Rounds

22–28 febroary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–19

“Lehibe ny hasarobidin’ny olona”

Ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nomena ho valin’ny toe-javatra manokana teo amin’ny 200 taona lasa izay, saingy ireo fitsipika ampianarin’izy ireny dia mihatra amin’ny olona amin’ny fotoana rehetra. Tadiavo ireo fitsipika ireo rehefa mamaky ianao, ary diniho ny fomba hiaran’izany aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

I Martin sy i Lucy Harris dia nanana toeram-pambolena anisan’ireo tsara indrindra tao Palmyra, New York. Aman-taonany maro izy ireo vao nahazo izany, nanampy azy ireo hamelona ny fianakaviany izany, ary nahatonga azy ireo ho olona manan-kaja teo amin’ny fiarahamonina. Saingy tamin’ny taona 1829 dia nazava fa ny bokin’i Môrmôna dia tsy ho navoaka raha tsy nataon’i Martin antoka ny toeram-pamboleny mba handoavana ny saran’ny fanontana. Nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna i Martin, saingy tsy nanana izany i Lucy. Raha niroso tamin’ny fanaovana antoka i Martin ka tsy ho lafo ny Bokin’i Môrmôna dia ho very ny toeram-pamboleny ary ho nampidi-kizo ny fanambadiany izy. Hisy fotoana tsy maintsy hamaliantsika fanontaniana mitovy amin’ny mety ho natrehin’i Martin: Inona no lanjan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho ahy? Vonona hamohy inona aho mba hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra? Izany dia afaka manampy antsika hahatsiaro fa tsy mbola nisy olona nandoa ny sarany ambony indrindra mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra ankoatra an’i Jesoa Kristy, “Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18).

Nandray fanapahan-kevitra ny hanao antoka ny toeram-piompiany i Martin. Ny fanolorantena nataony dia nanefana ny fanontana ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 5000 voalohany. Ary ankehitriny, tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna maherin’ny 190 tapitrisa no efa natonta, dia olona an-tapitrisany maneran-tany no voatahy.

Mba hahafantarana bebe kokoa mikasika ny fanontana ny Bokin’i Môrmôna dia jereo ny Olomasina, 1:76–84.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16

Faly ny Tompo rehefa mibebaka isika.

Mariho hoe impiry ny teny hoe mibebaha sy fibebahana no nampiasaina manerana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 sy19, ary saintsaino ny zavatra ianaranao avy amin’ireo teny ireo isaky ny ampiasaina izany. Diniho manokana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18: 10–16; ahoana ny fiantraikan’ireo andininy ireo amin’izay tsapanao momba ny fibebahana—ny fibebahanao manokana sy ny adidy hanasana ny hafa hibebaka?

Jereo ihany koa Almà 36:18–21; Dale G. Renlund, “Ny fibebahana: safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 121–24.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36

Toy ny mandre ny feon’ny Tompo ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Raha misy olona manontany anao hoe toy ny ahoana ny feon’ny Tompo dia inona no holazainao? Eritrereto io fanontaniana io rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36 ianao. Inona no nianaranao momba ny feon’ny Tompo avy tamin’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? Inona no azonao atao mba handraisana fitaomam-panahy avy Aminy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20

Nijaly i Jesoa Kristy mba hahafahako mibebaka sy manatona Azy.

Ny Testamenta Vaovao dia mamaritra ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane araka ny fijerin’ireo izay nandinika izany. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15-20, dia nilaza momba ny fijaliany araka ny teniny manokana i Jesoa Kristy. Rehefa mamaky io tantara masina sy manokana io ianao, dia tadiavo ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny fijalian’ny Mpamonjy. Diniho izay ampianarin’ny teny na andian-teny tsirairay anao. Nahoana ny Mpamonjy no vonona ny hijaly? Raketo an-tsoratra ireo fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho anao.

Jereo ny Jaona 15:13; Môzià 3: 7; Almà 7:11-12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13.

Sary
i Jesoa mitantana ankizilahy

Ny hasarobidin’ny Fanahy iray, nataon’i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:26–27, 34–41

Ny fitahian’ Andriamanitra dia lehibe noho ireo harenan’ny tany.

Tsy tena nandeha ny famarotana ny Bokin’i Môrmôna tao Palmyra, ka vokatr’izany dia tsy maintsy nivarotra ampahany betsaka tamin’ny toeram-piompiany mba handoavana ny trosa i Martin Harris (jereo ny “The Contributions of Martin Harris,” Revelations in Context, 7–8). Eritrereto izany fahafoizana izany—ary ireo fitahiana azonao noho izany—rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao. Azonao atao koa ny mieritreritra ny zavatra nangatahin’ny Tompo mba hafoinao. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay manentana anao hanao ireo fahafoizan-tena amin’ny fifaliana sy amin’ny fo falifaly? (jereo koa ny andininy 15-20).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23

Tonga avy amin’ny fianarana avy amin’i Jesoa Kristy ary ny fanarahana Azy ny fiadanana.

Diniho ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Mianara Amiko.” Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19? Raketo an-tsoratra ny eritreritrao ary diniho ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy manampy anao hahita fiadanana. Inona no dikan’ny hoe “mandeha amin’ny fahalemem-panahin’ny Fanah[iny]“?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:1–5.Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny sasany amin’ireo “fotoana maro” (andininy 2) izay nanehoan’ny Fanahy tamin’izy ireo fa marina ny soratra masina, toy ny nataony tamin’i Oliver Cowdery. Ahoana no ahafahan’ny fianakavianao “[miantehitra] amin’ny zavatra izay voasoratra“ (andininy 3) ao amin’ny soratra masina? Ahoana no ahafahanao manorina ny fototra iorenan’ny fianakavianao eo ambonin’ny “vatolampin’”ny filazantsara (andininy 4) ?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19.Ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia afaka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10-13 ary manolo ny anarany eo amin’ny toeran’ireo teny hoe “olona” sy “ny olon-drehetra“. Azonareo atao avy eo ny mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ireo andininy ireo manampy antsika hahatakatra ny maha-sarobidy antsika amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16-19).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:21–25.Misy dikany manokana ve ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakavianao? Azonareo resahina ny antony maha-zava-dehibe ny anarana sy ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika (jereo Môzià 5:7). Izany dia mety ho fotoana tsara hanampiana ireo olona ao amin’ny fianakaviana hiomana hitondra ny anaran’i Kristy eo amin’ny tenany rehefa vita batisa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:15–20.Mba hanampiana ny fianakavianao hanana traikefa manan-danja amin’ireo andininy ireo, dia azonao atao ny mamaky azy ireo rehefa mampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy (misy anankiray nampiarahina amin’ity rindran-damina ity). Dia afaka mizara ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy ireo olona ao amin’ny fianakaviana avy eo. Ny fihirana tiana indrindra momba ny Mpamonjy dia afaka manasa ny Fanahy ihany koa.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Mahagaga ahy,Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mametraha fanontaniana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia porofo fa ny fanontaniana dia mitarika ho amin’ny fanambarana. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao, dia raketo ireo fanontaniana tonga ao aminao. Avy eo dia manaova fandalinana ary mivavaha mba hikatsakana valin-teny.

Sary
I Kristy mivavaka ao amin’ny sahan’i Getsemane

I Jesoa nivavaka tao amin’ny sahan’i Getsemane, nataon’i Hermann Clementz

Hamoaka printy