Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: “Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”


“1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22: -Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“1–7 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

tranon’i Peter Whitmer

Tranon’i Peter Whitmer, nataon’i Al Rounds

1–7 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22

“Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20–22 ianao dia meteza handray ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina. Hevero ny hirakitra azy ireo mba hahafahanao mitodika amin’izy ireny indray any aoriana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa vita ankehitriny ny asa fandikana ny Bokin’ i Môrmôna nataon’i Joseph Smith. Saingy vao niantomboka kosa ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Nazava tao amin’ireo fanambarana tany aloha fa ankoatra ny famerenana amin’ny laoniny ny fotopampianarana sy ny fahefan’ny fisoronana, dia tian’ny Tompo ny hamerina amin’ny laoniny ny fikambanana ara-dalàna iray, dia ny Fiangonany izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:53; 18:5). Noho izany tamin’ny 6 aprily 1830 dia mpino mihoatra ny 40 no nameno ny tranon-dry Whitmer mianakavy tao Fayette, New York, mba hanatri-maso ny fametrahana ny rafitry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Kanefa dia mbola nanontany tena ihany ny olona sasantsasany hoe inona no antony ilàna ny hananganana Fiangonana iray? Ny valiny dia mety ho hita, farafahakeliny amin’ny ampahany, ao amin’ireo fanambarana mifandray amin’izany fivoriana voalohany nataon’ny Fiangonana tamin’ny 1830 izany. Eto ireo fitahiana dia nofaritana fa tsy ho afaka ny hisy raha toa ka tsy “[n]iorina ara-dalàna ary voalamina” amin’ny andro farany ny Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:84–86, sy ny “Build Up My Church,” Revelations in Context, 29–32.

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36

Miorina eo ambonin’ny fotopampianarana marina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny fizarana 20 dia nampidirina ho toy ny “fanambarana momba ny fandaminana sy ny fitantanana ny Fiangonana” (sasin-tenin’ny fizarana). Kanefa mialoha ny fanoritsoritana fohifohy ireo rafi-pitantanana sy ireo andraikitra ao amin’ny fisoronana ary ireo lamina arahina amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy dia miantomboka amin’ny fampianarana ireo fotopampianarana fototra ity fanambarana ity. Rehefa mamaky ireo andininy 36 voalohany amin’ity fanambarana ity ianao dia saintsaino ny antony mety ho nahatonga izany. Azonao atao ihany koa ny manao lisitra ireo fahamarinana hitanao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Nahoana no ho manan-danja ny hanantitranterana ireo fahamarinana ireo rehefa natsangana ny Fiangonana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 75–79

Ampahany manan-danja amin’ny famerenana ny Fiangonana amin’ny laoniny ireo ôrdônansy masina.

Rehefa tafatsangana ny Fiangonana dia nampianarin’ny Tompo ny Olomasiny ny momba ireo ôrdônansy masina, anisan’izany ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Eo am-pamakianao ireo torolalana “momba ny fanaovana batisa” ao amin’ny andininy 37, dia eritrereto ny momba ny batisanao manokana. Nanana ny iray amin’ireo fahatsapana voasoritsoritra ao amin’ireo andininy ireo ve ianao? Manana azy ireny ve ianao amin’izao? Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hitazomana ny “finiava[nao] hanompo [an’i Jesoa Kristy ho mavitrika] hatramin’ny farany”.

Eo am-pamakiana momba ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79, dia ezaho ny hamaky ireo vavaka masina ireo amin’ny fomba fijerin’ny olona iray izay sambany vao nahare azy ireny. Inona no hevi-baovao noraisinao momba ny fanasan’ny Tompo? Inona no hevi-baovao noraisinao momba ny tenanao? Ahoana no fiantraikan’ireo hevi-baovao ireo amin’ny fomba iomananao handraisana ny fanasan’ny Tompo amin’ity herinandro ity?

diakona mizara ny fanasan’ ny Tompo

Ôrdônansy masina ny fanasan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–60

Mitahy ny mpikamban’ny Fiangonana sy ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo ny fanompoana ao amin’ny fisoronana.

Raha misy olona manontany anao hoe inona avy ireo anjara andraikitry ny mpihazona ny fisoronana iray dia inona no holazainao? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–60 izay mitanisa ireo anjara andraikitra ao amin’ireo anjara fanompoana samihafa ao amin’ny fisoronana. Misy zavatra ve ao amin’ireo andininy ireo ka manova ny fomba fisainanao momba ireo andraikitry ny fisoronana sy ny fomba anaovan’ny Mpamonjy ny asany? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny asa izay voalazalaza ao amin’ireo andininy ireo?

Mba hianarana ny fomba ampiasan’ireo vehivavy ny fahefan’ny fisoronana ao am-piangonana dia jereo ny Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,” Liahona, mey 2014,49–52.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21

Tarihan’ny mpaminany velona Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Inona no ianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–9 mahakasika ny tenin’ireo mpaminan’ny Tompo? Saintsaino ireo fampanantenana voasoritsoritra ao amin’ny andininy 6 ho an’ireo izay mandray ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny. Midika inona aminao ireo fampanantenana ireo?

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandray ny tenin’ny mpaminany velona “toa ireny avy amin’ny vava[n’ Andriamanitra] ireny”? (andininy 5). Inona no torohevitra nomen’ny mpaminany ankehitriny izay mety hitarika amin’ireo fitahiana nampanantenana ao amin’ny andininy 6?

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20.Inona no ho lazaintsika raha misy olona iray manontany antsika hoe nahoana isika no mila Fiangonana? Inona avy ireo valin-teny hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20? Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108–11.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:69.Inona no dikan’ny hoe “[mandeha] amin’ny fahamasinana eo anoloan’ny Tompo”? Mety hahafinaritra ireo olona ao amin’ny fianakavianao ny manao sary na manoratra eo amin’ny taratasy ny sasantsasany amin’ireo zavatra izay mety hanampy azy ireo handeha amin’ny fahamasinana na ireo zavatra izay mety handrebireby azy ireo tsy hanao izany. Avy eo dia azon’ireo atao ny manamboatra lalan-kely amin’ny alalan’ireny taratasy ireny sy miezaka mandeha eo ambonin’ilay lalana ka eo amin’ireo sary mitondra azy ireo mankamin’i Kristy ihany no ametrahana ny tongotra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 71–74.Raha toa ka misy olona iray tsy mbola vita batisa ao amin’ny fianakavianao, ireto andininy ireo dia afaka ny hitarika amin’ny resadresaka momba ny fomba hiomanana ho amin’ny batisa (jereo ny andininy 37) sy fomba fanatanterahana ny batisa (jereo ny andininy 71–74). Afaka mampiseho ny sary na mizara ireo fahatsiarovana tamin’ny andro nanaova batisa azy ireo ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79.Ahoana no mety hampiasan’ny fianakavianao ireo andininy ireo mba hiomanana hiaina zavatra manan-danja sy feno fanajana mandritra ny fanasan’ny Tompo? Ireo andininy ireo dia mety handroso zavatra izay azonao hosaintsainina mandritra ny fanasan’ny Tompo ary ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka mitady na manao ny sarin’ireny zavatra ireny. Araka izay mampety izany dia azonao atao ny mitondra ireny sary ireny amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo atrehinao amin’ny manaraka ho fampatsiahivana ny zavatra ho eritreretina mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–7.Hevero ny hanasana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hitady ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 4–5 izay mampianatra antsika momba ny fanarahana ny tenin’ny mpaminan’ny Tompo. Inona no dikan’ny hoe mandray ny tenin’ny mpaminany amin’ny faharetana? Inona no dikan’ny hoe mandray ny tenin’ny mpaminany amin’ny finoana? Oviana isika no nandray ireo fitahiana nampanantenana ao amin’ny andininy 6?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 48.

Manatsara ny fampianarantsika

Makà tahaka ny fiainan’ny Mpamonjy. “Ilay herin’ny Mpamonjy nentiny nampianatra sy nampitraka ny hafa dia avy amin’ny fomba niainany sy ny toetrany. Rehefa miezaka amim-pahavitrihana bebe kokoa ny hiaina tahaka an’i Jesoa Kristy ianao, dia hanana fahafahana bebe kokoa mba hampianatra tahaka Azy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 14).

i Oliver Cowdery manendry an’i Joseph Smith

Manendry an’i Joseph Smith i Oliver Cowdery, nataon’i Walter Rane