Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28: “Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”


“15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,-Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“15–21 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Joseph Smith

15–21 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27–28

“Ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana”

Nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson fa rehefa mandaliana ny soratra masina sy mirakitra ireo fahatsapana anananareo ianareo dia “hanisy toerana ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, May 2004, 11).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fanambarana dia mbola zavatra vaovao ho an’ny Olomasina raha mbola teo an-dalam-pivoarana ny Famerenana tamin’ny laoniny. Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nahafantatra fa ny Mpaminany Joseph Smith dia afaka mahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana, kanefa afaka nahazo izany ve ny hafa? Ny fanontaniana toy izany dia nanjary nanan-danja rehefa nino i Hiram Page, iray tamin’ireo Vavolombelona Valo nahita ireo takelaka volamena, fa nahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana izy. Olomasina mahatoky maro no nino fa avy amin’ Andriamanitra ireo fanambarana ireo. Namaly ny Tompo tamin’ny fampianarana fa ao amin’ny Fiangonany “ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:13), izay midika fa “iray ihany no voatendry mba handray ireo didy sy fanambarana” ho an’ny Fiangonana manontolo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2). Na izany aza, ny hafa dia afaka mahazo fanambarana ho an’ny tenany manokana momba ny anjara asany ao amin’ny asan’ny Tompo. Raha ny marina, ny tenin’ny Tompo ho an’i Oliver Cowdery dia fampahatsiahivana ho antsika rehetra hoe: “Homena anao … izay hataonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:15).

Jereo ihany koa ny “All Things Must Be Done in Order,” Revelations in Context, 50–53.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4

Tokony handray ny fanasan’ny Tompo amin’ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra aho.

Natao batisa tamin’ny jona 1830 i Sally Knight sy i Emma Smith saingy nokorontanin’ny andian’olona iray ny fandraisana azy ireo ho mpikambana. Roa volana taty aoriana dia tonga nitsidika an’i Emma sy i Joseph i Sally sy i Newel vadiny, dia tapaka fa tokony horaisina ho mpikambana izy ireo ary tokony hiaraka handray ny fanasan’ny Tompo ilay vondrona. Raha mbola teny an-dalana haka divay ho an’ny fanasan’ny Tompo i Joseph, dia najanon’ny anjely iray izy. Inona no nampianarin’ilay anjely azy momba ny fanasan’ny Tompo? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–4).

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fomba irin’ny Mpamonjy mba hiheveranao ny fanasan’ny Tompo? Inona no tsapanao fa tokony hataonao noho ny zavatra nianaranao?

Sary
mofo sy kaopin’ny fanasan’ny Tompo

Ny fanasan’ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia hanampy ahy hanohitra ny ratsy.

Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Tsy misy ny hoe zavatra lehibe sy goavana iray azontsika atao mba hiarovantsika tena ara-panahy. Ny hery tena izy ara-panahy dia hita ao amin’ireo asa kely marobe izay mitambatra ho lamban’ny fampatanjahana ara-panahy izay miaro antsika amin’ny ratsy rehetra” (“Be Strong in the Lord,” Ensign, July 2004, 8).

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18 ianao, dia afaka manao tabilao tahaka ity iray etsy ambany etsy ity. Inona no ataonao mba hitafiana ny tsirairay avy amin’ny fitaovam-piarovan’ Andriamanitra?

Ampahana fitaovam-piarovana

Ampahan’ny vatana voaro

Ny mety ho dikan’izany ampahan’ny vatana izany

Saron-tratran’ny fahamarinana

Fo

Ireo faniriantsika sy zavatra tiantsika

Satro-bin’ny famonjena

Loha sy saina

Jereo ihany koa ny Efesiana 6:11–18; 2 Nefia 1:23.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28

Ny mpaminany velona no vavan’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonany.

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana raha toa ka afaka mandray didy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo ny olona rehetra, na iza na iza. Raha nilaza i Hiram Page fa nahazo fanambarana toy izany, dia nisy savorovoron-tsaina teo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28, ny Tompo dia nanambara ny lamina iray ho an’ny fanambarana ao amin’ny Fiangonany. Inona no ianaranao avy amin’ity fizarana ity momba ny anjara asa miavaka sahanin’ny Filohan’ny Fiangonana? Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’ny Tompo tamin’i Oliver Cowdery ao amin’ny andininy 3? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ity fizarana ity momba ny fomba hahafahan’ Andriamanitra mitarika anao?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Lalam-pifandraisana roa,” Liahona, nôv. 2010, 83–86.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:8–9

Nahoana no manan-danja ny iraka notanterahan’i Oliver Cowdery tany amin’ny Lamanita?

Ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny “hahatonga ny Lamanita amin’ny fahalalana ny razany ary mba hahafantatra ny fampanantenan’ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:20). Izany dia mifanaraka amin’ny fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ny mpaminany maro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ohatra ny 1 Nefia 13:34–41; Enôsa 1:11–18; Helamàna 15:12–13). Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nihevitra ireo Amerikana Indiana ho taranaky ny olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Ny fihevitra ôfisialin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia hoe: ny Lamanita “no anisan’ny razambe niavian’ny Indianina any Amerika” [Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna].)

Raha hamaky bebe kokoa ny momba ny iraka notanterahan’i Oliver tany amin’ny foko Amerikana Indiana teo akaiky teo, dia jereo ny “A Mission to the Lamanites” (Revelations in Context, 45–49). Mampianatra anao inona momba ny Tompo sy ny asany io iraka natao io?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2.Ahoana ny fomba ahafahantsika mahatsiaro tsara kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho antsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5–14.Inona no zavatra fantatsika momba ireo mpaminany ao amin’ireo andininy ireo? Afaka mikaroka fampahalalana momba azy ireo ianao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Inona avy ireo fitahiana afaka raisintsika noho ireo fanalahidy nohazonin’izy ireo? Ho fampahalalana bebe kokoa momba ny sasany amin’ireo fanalahidy ireo dia jereo ny Matio 16:16–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18.Mety ho tian’ny fianakavianao ny mody manao ady ka manampy akanjo hanehoana ny fitaovam-piarovan’ Andriamanitra, toy ny satroka, palitao, aron’akanjo, na kiraro. Amin’ny fomba ahoana no hiarovan’ny fitaovam-piarovana antsika ao anatin’ny ady? Ifanakalozy hevitra ny sasantsasany amin’ireo fitaoman-dratsy atrehan’ny fianakavianao sy ireo zavatra azonareo atao mba hisalorana fitaovam-piarovana ara-panahy. Azonareo heverina ny handefa ilay horonan-tsary “Put on the Whole Armor of God” (ChurchofJesusChrist.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2–7.Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny antson’ny mpaminany? Afaka mamerina ireo hafatra avy amin’ny mpaminany velona ny olona ao amin’ny fianakaviana ary mizara ny fomba hanampian’ny toroheviny antsika mba hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11.Rehefa te hanolotra fanitsiana ho an’olona iray isika dia nahoana no manan-danja ny hanaovana izany mitokana sy hoe “ianao sy izy”?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Soso-kevitra amin’ny hira: “Viens écouter la voix de Dieu,” Cantiques, no. 12.

Manatsara ny fandalinana manokana

Halalino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany. Vakio ireo zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany mikasika ireo fitsipika hitanao ao amin’ny soratra masina. Avereno jerena ny tovana ahitana ireo lohahevitra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ao amin’ny conference.ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Hamoaka printy