Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: “Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy”


“22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: -Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
i Jesoa mijoro manoloana ny vahoaka mandohalika

Ny lohalika tsirairay dia hitsaoka, nataon’i J. Kirk Richards

22–28 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fandalinana soratra masina dia ny hianatra fotopampianarana na, amin’ny teny hafa, ireo fahamarinana ara-pilazantsara izay manan-danja ho amin’ny famonjena antsika. Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 ianao amin’ity herinandro ity dia tadiavo ireo hevi-baovao ara-potopampianarana izay manan-danja aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia tamin’ny 1830 aza no nitsanganan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fahamarinana ara-pilazantsara maro no mbola ho ambara ary maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany no nanana fanontaniana. Namaky ireo faminaniana ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna mikasika ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona izy ireny (jereo ny 3 Nefia 21). Ahoana no hitrangan’izany? Ireo fanambarana nolazain’i Hiram Page fa noraisiny dia miompana amin’izany lohahevitra izany, izay vao mainka nanitikitika ny sain’ireo mpikambana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28). Nanontany tena momba ny Fahalavoan’i Adama sy Eva ary ny fahafatesana ara-panahy ny hafa. Toy izao no nandraisan’ny Tompo ireny fanontaniana ireny tamin’ny 1830: “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny finoana,” hoy Izy tamin’ireo Olomasina, “amin’ny fiombonam-bavaka araka ny didiko, dia ho azonareo izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:6). Ary mandray ireo fanontaniantsika Izy ankehitriny; miandry antsika fotsiny Izy hanontany Azy amim-bavaka. Raha ny marina araka ny asehon’ny fanambarana feno fotopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 dia indraindray Izy no mamaly amin’ny alalan’ny fanomezana fahamarinana sy fahalalana mihoatra ireo fanontaniana nanontaniantsika tany am-boalohany.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Nanomana drafitra tonga lafatra ho an’ny fisandratantsika ny Ray any An-danitra.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 dia mampianatra fahamarinana maro momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Eo am-pamakianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny tsirairay avy amin’ireto ampahany amin’ilay drafitra ireto:

Inona no hevi-baovao azonao? Mety ho toy ny ahoana ny fiainanareo raha tsy nahafantatra ny amin’ireo fahamarinana ireo ianao?

Afaka mandalina bebe kokoa momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ianao ao amin’ny “Ny drafitry ny famonjena” (Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera, edisiona nohavaozina (2018), ChurchofJesusChrist.org/manual/missionary

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8

Hanangona ny vahoakany mialoha ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy.

“Toy ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany” no iresahan’i Jesoa Kristy ny amin’ny fanangonana ny vahoakany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2). Inona no ampianarin’io sariohatra io anao momba ny fanirian’ny Mpamonjy hanangona anao? Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8 ianao dia tadiavo ireo hevi-baovao momba ny antony hiangonantsika sy ny olona izay hanangona antsika ary ny fomba azontsika atao hanampiana hanangonana ny olom-boafidy (andininy 7).

Amin’izao androntsika izao, ny fiangonana ho ao Ziona dia midika hoe miangona ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona manerana izao tontolo izao. Amin’ny fomba ahoana ho hanampian’ny fiangonantsika amin’ny maha-Olomasina antsika “hiomana ho amin’ny zava-drehetra” ho an’ireo fahoriana izay ho tonga mialoha ny Fiaviany Fanindroany? (andininy 8; jereo ihany koa ny andininy 14–28).

Jereo ihany koa ny Fanekem-pinoana 1:10; Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenan’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018, 3, ChurchofJesusChrist.org).

Sary
reniakoho sy zanak’akoho

Impiry, nataon’ i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–35

“Ho Ahy ny zavatra rehetra dia ara-panahy.”

Amin’ny lafiny inona no maha-ara-panahy ny didy rehetra? Fantatrao ary izao fa ny didy rehetra dia ara-panahy. Inona no ampianarin’izany anao momba ny tanjon’ireo didy? Azonao atao ny manao lisitra didy vitsivitsy ary misaintsaina ireo fitsipika ara-panahy mifandray amin’ny tsirairay avy amin’ireo didy ireo.

Inona no mety hiova raha toa ka tadiavinao ireo dikany na tanjona ara-panahy ao amin’ireo asa fanaonao isan’andro, eny na dia ireo izay toa ara-batana aza?

Jereo koa ny Romana 8:6; 1 Nefia 15:30–32.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–50

Manavotra antsika amin’ny Fahalavoana i Jesoa Kristy.

Ity fanambarana ity dia manomboka amin’ny fanoloran’ny Tompo ny Tenany amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy izay “nanonitra ho an’ny fahotan[tsika]” (andininy 1). Ary dia mitohy ilay fanambarana amin’ny fanazavana ny sasasantsany amin’ireo antony ilavantsika Mpanavotra. Hevero ny fomba mety hampiasanao ny andininy 36–50 hanazavana ny antony ilavantsika fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Amin’ny kolontsaina ara-pinoana maro dia heverina ho toy ny zavatra iray nampidi-doza ny Fahalavoana. Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra ireo voka-tsoa avy amin’ny Fahalavoana? (Jereo koa ny 1 Korintiana 15:22; 2 Nefia 2:6–8, 15–29; Môzià 3:1–19; Mosesy 5:9–12.)

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29.Azonao ampiasaina miaraka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 ireo sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity mba hampianarana ny fanakavianao momba ny drafitry ny famonjena. Ohatra, afaka mianatra momba ireo ampahany samihafa ao amin’ny drafitry ny famonjena ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny famakiana sy fifanakalozana hevitra momba ireo andininy naroso mba hohalalinina. Afaka mahita fahamarinana fanampiny ihany koa ianao ao amin’ny Sujets de l’Evangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) na ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Raiso an-tsoratra izay zavatra nianaranao. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fahafantatarana momba ny drafitry ny famonjena? Inona no fiantraikan’ny fahalalana ny momba izany eo amin’ny fiainantsika an-davanandro?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2, 7–8.Inona no dikan’ny hoe hangonin’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafantsika manampy Azy hanangona ireo olom-boafidy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:3–5.Inona no ianarantsika momba ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo izay manampy antsika hanandratra ny fontsika ka hifaly? (andininy 5).  

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34–35Ny famakiana ireo andininy ireo dia mety hanome fahafahana ny fianakavianao hiresaka momba ireo antony ao ambadiky ny sasany amin’ireo didy na ireo torohevitry ny mpaminany izay ezahanareo arahina. Ohatra, nahoana ny tian’ny Tompo ny hamakian’ny mpianakavy ny soratra masina? Inona ireo tombontsoa ara-panahy hitantsika avy amin’ny fitandremana ireo didy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Israel ton Dieu t’appelle,” Cantiques, no. 6.

Manatsara ny fampianarantsika

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra noharian’ Andriamanitra dia mijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 6:62–63). Koa tadiavo ary Izy eo am-pamakianao soratra masina. Hevero ny handray an-tsoratra na hanisy marika ireo andininy izay mampianatra momba Azy.

Hamoaka printy