Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: “Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy”


“22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29: ‘Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“22–28 martsa. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29.” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Sary
I Jesoa Kristy mijoro manoloana ireo olona mandohalika

Ny lohalika rehetra dia handohalika, nataon’i J. Kirk Richards

22–28 martsa

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy

Fantatrao ireo ankizy ampianarinao ary maro ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 izay afaka hitahy azy ireo. Araho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mandalina ny fizarana 29 ianao, ary raketo ireo zavatra tsapanao mikasika ny fomba hampianaranao an’ireo fahamarinana ireo amin’ny ankizy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Diniho ny hanasana ankizy vitsivitsy hizara ny sasany amin’ireo fomba fianaran’izy ireo ny filazantsara any an-tokantrano—izy ireo samirery na miaraka amin’ny fianakaviany. Asao ny ankizy iray na maromaro hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ity herinandro ity tany an-trano.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2

Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy mialoha ny fiaviany indray.

Angonin’i Jesoa Kristy isika rehefa manaiky sy manaraka ireo fampianarany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy handoko ity pejin’ny asa atao ity ary manditra izany ianao dia hampiseho ilay horonan-tsary “Chicks and Hens” (ChurchofJesusChrist.org). Asao ireo ankizy hihaino ny fomba hiarovan’ilay reniakoho an’ireo zanak’akoho?

  • Rehefa avy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2, dia lalaovy ilay sariohatr’i Kristy manangona ny vahoakany toy ny “reniakoho manangona ny zanany.” Ny ankizy iray mody atao hoe ilay reniakoho ary misafidiana zoron-trano iray hitsanganany. Rehefa “mikararàka” izy dia asaivo mitangorona manodidina azy ny ankizy rehetra. Afaka mifandimby manao reniakoho ny ankizy. Mitazòna sarin’i Jesoa Kristy ary asao ireo ankizy hiangona eo Aminy. Zarao amin’ireo ankizy ny fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika rehefa miangona eo Aminy isika.

    Sary
    reniakoho sy zanak’akoho

    Impiry, nataon’i Liz Lemon Swindle

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2–11

Afaka miomana hihaona amin’ny Mpamonjy aho.

Indray andro any isika tsirairay dia ho eo anatrehan’i Jesoa Kristy. Na dia mety ho mbola lavitra any amin’ny ho avy aza izany andro izany dia afaka mieritreritra ny mety ho endrik’izany sy ny fomba hiomanany amin’izany ireo ankizy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 66), ary ampio ny ankizy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:11. Ampio ireo ankizy hahatsikaritra ireo teny ao amin’ilay soratra masina izay mamariparitra ny zavatra hitany ao amin’ilay sary. Lazao amin’ny ankizy ny zavatra tsapanao momba ny fiavian’i Jesoa Kristy eto an-tany indray.

  • Iaraho mihira ny hira iray mikasika ny Fiaviana Fanindroany toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47). Asehoy ny ankizy ny sarina zavatra izay azon’izy ireo atao mba hiomanana hihaona amin’ny Mpamonjy sy hahafahan’izy ireo hiara-hiaina Aminy mandrakizay (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara ahafahana mahita hevitra sasantsasany). Ampio izy ireo hahita fomba hafa hiomanana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2–10.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29

Nanomana drafitry ny famonjena ho ahy ny Ray any An-danitra.

Arakaraka ny hahalalan’ny ankizy mikasika ny drafitry ny famonjen’Andriamanitra no ahafahan’ny ankizy mampihatra finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanarahana izany drafitra izany. Inona amin’ireo ampahany ao amin’ny drafitry ny famonjena no tsapanao fa tokony hifantohana?

Asa atao azo tanterahina

  • Mangataha ankizy maromaro hizara ny fotoana iray nanaovan’izy ireo drafitra toy ny hoe handeha hanao dia lavitra na hanatanteraka raharaha iray. Azonao atao koa ny mizara ohatrana drafitra toy ny tetiandro misy asa atao voasoratra na misy toromarika fanaovana zavatra iray. Nahoana no ilaina ny manao drafitra? Zarao amin’ny ankizy fa ny Ray any An-danitra dia manana drafitra izay hahafahantsika ho tonga toa Azy.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny drafitr’Andriamanitra dia manaova famantarana ahitana ireto teny ireto: fiainana talohan’ny nahaterahana, ny Fahariana, ny Fahalavoana, fiainana an-tany, ary ny Fiaviana Fanindroany. Rehefa avy nanazava ireo teny tsirairay ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–45), dia omeo ankizy samihafa ny famantarana tsirairay ary asao izy ireo hijoro hitandahatra mba haneho ny filaharan’ireo zava-miseho ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra araka ny filaharany marina. Ny ankizy tsirairay dia afaka mizara ny zavatra fantany mikasika ny famantarana eny aminy. Ampio ireo ankizy hahita fa ny fahafantarana mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra dia manampy antsika hitovy kokoa Aminy sy ny Mpamonjy.

  • Mampiasà iray na maromaro amin’ireto asa atao eto ambany ireto hampianarana ireo fahamarinana mikasika ilay drafitra sy ny fomba hampiharana izany amintsika. Diniho ny hanasana ankizy vitsivitsy hiomana hanampy anao hampianatra.

    • Fahafahana misafidy. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia nanome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy ary mitazona antsika ho tompon’andraikitra amin’ny safidintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39–40). Mamoròna famantarana roa ho an’ny ankizy tsirairay: ny iray izay maneho ny fanaovana safidy tsara (ohatra, tarehy mitsikitsiky) ary ny iray izay maneho ny fanaovana safidy ratsy (ohatra, tarehy miketrona). Mizarà ohatra maneho safidy ratsy sy safidy tsara ary asao ny ankizy hanangana ny famantarana mifanaraka amin’izany. Asao ny ankizy hizara ireo fitahiana izay azo rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika. Nahoana isika no avelan’ny Ray any An-danitra hanao ny safidintsika manokana?

    • Ireo didy. Asao ireo ankizy hanao ny lisitr’ireo didy sasantsasany eny amin’ny solaitrabe. (Mba ahitana ohatra dia azon’izy ireo atao ny mikaroka ao amin’ny Eksodosy 20: 3–17 sy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara 103–15.) Nahoana ny Ray any An-danitra no manome didy ho antsika? Inona no ianarantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:35 mikasika ireo didin’ny Ray any An-danitra?

    • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ampio ny ankizy hahita fa ny Ray any An-danitra dia nanomana lalana ahafahantsika ho voavela heloka rehefa manao safidy ratsy. Asao ny ankizy tsirairay hamaky ny iray amin’ireo andininy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1, 42–43 ary zarao ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mitadiava fomba hafakely hanasana ireo ankizy hizara ny zavatra hitany, toy ny hoe arakara-jokiny, na arakaraka ny halavany, sy ny sisa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2

Hanangona ny vahoakany i Jesoa Kristy mialoha ny fiaviany indray.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hientana momba ny fanangonana an’i Isiraely?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2 ary hitady hoe mampitaha ny tenany amin’inona ny Tompo. Inona no ao an-tsain’ny ankizy rehefa mamaky an’io fampitahana io? Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tsy maintsy ataontsika mba ho voahangony?

  • Fomba iray hitaomana ny ankizy hientanentana mikasika ny fanangonana ny mizara ny tantaran’ny olona iray izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Ohatra hoe, iza no nampahafantatra ny Fiangonana tamin’ny fianakavianao? Diniho ny hangatahana mialoha amin’ireo ankizy ny hikaroka momba izay fianakaviany voalohany lasa mpikamban’ny Fiangonana ary hizara ny tantarany amin’ny ankizy rehetra.

  • Asao ireo ankizy hanao lisitra iray ahitana ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy olona hiangona ho ao amin’ny Mpamonjy. Azon’izy ireo atao ohatra ny manasa namana na fianakaviana amina fiaraha-mientan’ny Kilonga na amina takariva miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.

  • Ny fanekem-pinoana fahafolo dia miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely. Moa ve misy amin’ireo ankizy mahatadidy tsianjery an’io fanekem-pinoana io? Raha misy dia asao izy ireo hitanisa izany amin’ny mpianatra rehetra. Raha tsia, dia ampio izy ireo hametraka tanjona hahatadidy izany tsianjery.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hirakitra an-tsoratra ny fahamarinana iray izay nianaran’izy ireo tao an-dakilasy. Anontanio ny hevitra vitsivitsy mikasika izay ho ataon’izy ireo hizarana io fahamarinana io amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mariho tsara. Mariho tsara izay asetrin’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao amin’ireo asa atao hoenti-mianatra. Raha lasa tsy mahatombina izy ireo dia mety efa fotoana izany hirosoana amin’ny asa atao hafa, na hivoaka kely handehandeha. Raha tsikaritrao fa mazoto sy mianatra izy ireo, dia aza mahatsiaro ho voatery hiroso amina zavatra hafa.

Hamoaka printy