Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
29 martsa–4 aprily. Paska: “Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”


“29 martsa–4 aprily. Paska: ‘Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“29 martsa–4 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
Ilay sarivongana Christus

29 martsa–4 aprily

Paska

“Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina”

Ny kilasin’ny Kilonga amin’ny alahadin’ny Paska dia fotoana tena tsara hanampiana ireo ankizy hanamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Katsaho ny fitarihan’ny Tompo mikasika ny fomba hanaovana izany. Afaka mahita hevitra tena manampy ianao ao amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Avelao ireo ankizy hizara aminao izay fantatr’izy ireo mikasika ny antony hankalazantsika ny Paska. Anontanio azy ireo izay ataon’ny fianakavian’izy ireo mba hankalazana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty amin’ny fotoan’ny Paska. Na asaivo zarain’izy ireo izay zavatra ianaran’izy ireo mikasika an’i Jesoa Kristy any an-trano sy ao amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–17

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

Rehefa mampianatra ireo ankizy mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ianao dia afaka manampy anao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–17 hanazavana ny dikan’ny hoe tafatsangana amin’ny maty. Ireo andininy ireo dia afaka manampy ihany koa amin’ny fanorenana ny finoan’izy ireo fa hitsangana amin’ny maty izy ireo indray andro any.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ny nandevenana Azy ary ny nitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57, sy 58, ary 59). Anontanio ny ankizy izay fantany momba ireo zava-nitranga ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa maty ho antsika ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa mba hahafahantsika rehetra hitsangana amin’ny maty aorian’ny hahafatesantsika.

  • Mieritrereta lesona azo tsapain-tanana izay afaka manampy ireo ankizy hahatakatra ny zavatra mitranga rehefa maty isika (misaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika) sy rehefa mitsangana amin’ny maty isika (miverina mitambatra indray ny fanahintsika sy ny vatantsika). Ohatra hoe, inona no mitranga rehefa esorintsika amin’ny jiro mandeha amin’ny herinaratra ny vatoaratra, na rehefa esorina amin’ny penina ny tsinainy? Inona no mitranga rehefa atambatra indray ireo zavatra ireo?

  • Vakio amin’ireo ankizy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:17: “Ny fanahy sy ny vatana dia hatambatra ka tsy hosarahina na oviana na oviana intsony, mba hahazoany mandray ny fahafenoan’ny fifaliana.” Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny vatantsika? Zarao ny fifaliana tsapanao noho ny fahafantarana fa hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra ary hanana ny vatantsika indray.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny Fitsanganana amin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” na ny “Nitsangana indray Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45, 44). Tolory sary ireo ankizy, izay maneho teny na andian-teny ao amin’ilay hira (ohatra, jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 59, sy 60, ary 61), ary asao izy ireo hilanja izany sary izany ambony tsara rehefa mihira an’ireo teny ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–24; 110:1–7; Joseph Smith—Tantara 1:14–17

Nahita an’i Jesoa Kristy ny Mpaminany Joseph Smith.

Fomba iray hanampiana ireo ankizy hanamafy ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy ny mizara amin’izy ireo ny Tenivavolombelon’i Joseph Smith hoe: “Velona Izy! Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–23).

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy amin’ireo ankizy ny sarin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith (jereo ny rindran-damina ho an’ny 4–10 janoary ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ireo ankizy hilaza aminao izay mitranga eo amin’ilay sary, ary asaivo fantariny hoe iza no Jesoa Kristy. Anontanio ireo ankizy raha toa ka mahafantatra fotoana hafa izay nahitan’i Joseph Smith ny Mpamonjy. Tantarao amin’ny teninao manokana ireo zavatra niainana voasoritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–24; 110:1–7. Lazao amin’ny ankizy ny fomba ahafahan’ireo soratra masina ireo manorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  • Eo am-pandokoan’ireo ankizy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity, dia vakio amin’izy ireo ireo soratra masina izay mirakitra izany. Mariho ireo antsipiriany ao amin’ny sary izay voasoritra ao amin’ireo andininy ireo. Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo ankizy fa nahita an’i Jesoa Kristy ny Mpaminany Joseph Smith, ary izay no antony iray ahafantarantsika fa velona i Jesoa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–24; 110:1–10; Joseph Smith—Tantara 1:14–17

Nijoro ho vavolombelona ny Mpaminany Joseph Smith fa velona i Jesoa Kristy.

Anisan’ireo asa tena manan-danja nanirahana ny mpaminany ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ampio ireo ankizy hanorina ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fahafantarana ny fijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona momba Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ireto andalan-tsoratra masina ireto dia mamariparitra ireo fotoana izay nisehoan’i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–24; 110:1–10; Joseph Smith—Tantara 1:14–17. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana izay ianarantsika momba ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo. Asao ireo ankizy hamantatra hoe iza amin’ireo andininy ireo no mampianatra ireo fahamarinana voatanisa eo amin’ny solaitrabe. Inona koa no zavatra ianarantsika mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith?

  • Eo amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity dia ampio ireo ankizy hampifandray ireo sary amin’ireo andinin-tsoratra masina. Nahoana no hoe fitahiana izany fahafantarana hoe nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty i Joseph Smith? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa velona i Jesoa Kristy ary mpaminany i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49; 88: 14–17, 27; 138:11, 14–17

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanamafy ny fankasitrahan’izy ireo ny fanomezan’ny fitsanganana amin’ny maty nataon’ny Mpamonjy ho antsika rehetra?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampandraiketo ny ankizy tsirairay ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49; 88:14–17, 27; 138:11, 14–17. Asao ny ankizy hikaroka ao amin’ny andinina nankinina taminy ny andian-teny iray izay tsapany fa mahalaza ny hafatra entin’ny Paska. Avelao izy ireo hizara ny heviny. Raha ampy ny fotoana dia asaivo manamboatra karatra izy ireo izay maneho ireo andian-teny hitan’izy ireo ary azon’izy ireo zaraina amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana.

  • Anontanio ny ankizy ny fomba hanazavan’izy ireo amin’ny zandrin’izy ireo na amina namana iray ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty. Mba hahitana hevitra dia iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:14–17, ary diniho ireo fanontaniana toy ny hoe: Inona no mitranga amin’ny fanahintsika sy ny vatantsika rehefa maty isika? Inona no mitranga rehefa mitsangana amin’ny maty isika? Ahoana no nataon’i Jesoa Kristy mba ho azo tanterahina ny fitsanganana amin’ny maty?

  • Asehoy ilay horonan-tsary hoe “Satria velona Izy” (ChurchofJesusChrist.org), ary avelao ireo ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo momba izay zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

    Sary
    I Jesoa mivavaka

    Tompon’ny Vavaka, nataon’i Yongsung Kim

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19; 45:3–5; 58:42–43

Noho i Jesoa Kristy dia afaka mahazo famelan-keloka aho.

Ankoatra ny namonjeny antsika tamin’ny fahafatesana ara-batana, dia nanome fomba i Jesoa Kristy ahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahafatesana ara-panahy, na amin’ny teny hafa dia hoe hahazo famelan-keloka ary hiverina ho eo anatrehan’Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny roa mitovitovy amin’ireto: Ny zavatra nataon’ny Mpamonjy sy ny hoe Ny zavatra tsy maintsy hataoko. Asao ny ankizy tsirairay hikaroka ao amin’ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto mba hahitana zavatra izay ao amin’ireo lohateny ireo: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–13; 19:16–19; 45:3–5; ary 58:42–43. Zarao ny fifalianao sy ny fankasitrahanao noho ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy ho antsika.

  • Ampio ny ankizy hianatra ny fanekem-pinoana fahatelo. Azonao ampiana izy ireo hahatadidy tsianjery amin’ny fanehoana sary izay miaraka amin’ireo andian-teny manan-danja.

  • Mitantarà tantara izay safidianao ka mahakasika ny ankizy iray izay nanao safidy ratsy ary avy eo nibebaka. Ampio ny ankizy hiresaka momba ny hoe inona no nataon’ilay ankizy ao amin’ilay tantara mba hahazoana famelan-keloka. Ahoana no nataon’ny Mpamonjy mba ho afaka ny ho voavela heloka isika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra iray izay azon’izy ireo atao mba hitantarana amin’ny olon-kafa, indrindra ny olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo, hoe inona no nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Amin’ny fotoana manaraka hihaonanareo dia angataho izy ireo hizara aminao ny zavatra nataony.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahazo tombontsoa avy amin’ny famerimberenana ny ankizy. Aza misalasala mamerina imbetsika ireo asa atao, indrindra amin’ireo ankizy madinika. Hanampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra ianarany ny famerimberenana.

Sary
pejin’ny asa atao: Nahita an’i Jesoa Kristy i Joseph Smith

Hamoaka printy