Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
5–11 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36: “Antsoina ianao hitory ny filazantsarako”


“5–11 aprily Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36: ‘Antsoina ianao hitory ny filazantsarako,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“5–11 aprily Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
misiôneran’ny Fiangonana voalohandohany

5–11 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36

“Antsoina ianao hitory ny filazantsarako”

Eo am-pandalinanao amim-bavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–36 sady mieritreritra an’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao, dia mety hanome hevitra anao ny Fanahy mikasika ny fomba hampianarana azy ireo. Mitadiava hevitra fanampiny ao amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Tazomy ho ambony ny sarina misiônera ary angataho ireo ankizy hizara izay zavatra fantany momba ny asa fitoriana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2–3, 6–10

Afaka mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Na dia ny zaza mbola kely aza dia afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Ahoana no hahafahanao mampiasa ireo andininy ireo ho fanentanana azy ireo mba hanao izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanandrana hilaza teny amin’ny vava mikombona toy ny hoe “Tia anao Andriamanitra.” Hazavao fa tsy afaka mampianatra olona mikasika ny filazantsara isika raha tsy manokatra ny vavatsika. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33: 8–10, ary asao ny ankizy hanokatra ny vavan’izy ireo isaky ny maheno an’ilay teny hoe “sokafy ny vavanareo.” Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hanokatra ny vavatsika ka hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Teneno moramora kely amin’ny ankizy ny zavatra toy ny hoe “Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith,” ary asao izy ireo hamerina izay nolazainao. Asaivo averin’izy ireo mafy izany avy eo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny hoe “manandratra ny feon-[tsika]” dia midika hoe tsy matahotra ny hilaza amin’ny hafa mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna ary ireo fahamarinana hafan’ny filazantsara.

  • Asio saribakoly taratasy na sarin’olona manodidina ny efitrano. Asao ny mpianatra hitady ireo olona ary hanangona azy ireo eo anoloan’ny efitrano. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:6, ary hazavao ny dikan’ny hoe ny Tompo dia “hanangona ny olom-boafidiny.” Mijoroa ho vavolombolena fa isika dia afaka manampy amin’ny fanangonana ny olona ao amin’ny Tompo rehefa mizara ny filazantsara.

  • Mihirà hira iray mikasika ny fizarana ny filazantsara toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90). Ampio ireo ankizy hieritreritra ireo fomba azony hanampiana ny hafa hianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–17

Afaka manorina ny fiainako eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Ilay torohevitra nomen’ny Tompo an’i Ezra Thayer sy Northrop Sweet dia afaka manampy ireo ankizy izay ampianarinao hanorina ny fiainan’izy ireo eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampisehoy sarina fototra trano lehibe iray ireo ankizy ary asao izy ireo hanoritsoritra izany. Nahoana ny trano lehibe iray no mila fototra mafy sy matanjaka? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–13, ary hazavao fa tian’ny Tompo isika hanorina ny fiainantsika eo amin’ny filazantsarany. Ampio ireo ankizy hieritreritra ireo fomba azony hanampiana ny hafa hianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Omeo fitaovana izay azon’izy ireo hananganana tilikambo ny ankizy toy ny kaopy na kilalao plastika. Asio sary ny zavatra tsirairay izay maneho ireo zavatra voalazan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:14-17. Asao ny ankizy hanangana tilikambo iray ary ianao kosa hiresaka amin’izy ireo mikasika ny fomba hanampian’ireo zavatra ireo antsika hanangana ny fiainantsika eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1–2

Tokony hifantoka kokoa amin’ny zavatr’Andriamanitra aho fa tsy amin’ny zavatr’izao tontolo izao.

Ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i David Whitmer ao amin’ny fizarana 30 dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hitoetra ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:1 ary asao ny ankizy hamintina ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i David Whitmer. Amin’ny fotoana toy ny ahoana isika no “matahotra ny olona,” na matahotra izay mety ho eritreritry ny hafa fa tsy manao izay fantatsika fa tokony hataontsika?

  • Asao ny ankizy hanandrana hanao asa roa miaraka, toy ny hoe sady manonona fanekem-pinoana iray no manoratra ny anaran’ny ankizy rehetra ao amin’ny kilasy. Anontanio izy ireo hoe nahoana no sarotra ny mifantoka amin’ilay asa iray voalohany. Inona avy ireo “zavatry ny tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30:2) izay manodina ny saintsika tsy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Ahoana no hahafahantsika mitazona ny fifantohantsika Aminy fa tsy amin’ireo zavatra tsy manan-danja firy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–34

Afaka mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Ankizy maro ato amin’ny Fiangonana no mientanentana ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno na ho fanompoana. Ireo traikefan’ireo misiônera ao amin’ny fizarana 30–34 dia afaka hanampy azy ireo hiomana.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà mpikambana iray ao amin’ny paroasy hianatra ny momba ny iray amin’ireo misiônera voantso ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 30–34 sy hizara amin’ireo ankizy ny zavatra nianaran’izy ireo (jereo ny “Feon’ny Famerenana amin’ny laoniny: Ireo mpikambana niova fo voalohany” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny “Ny Finoana sy ny fahalavoan’i Thomas Marsh,” “Ezra Thayer: Avy amin’ilay olona be fisalasalana nankamin’ilay mpino,” “Ilay antso mba hanompo an’i Orson Pratt,” Revelations in Context, 54–69).

  • Manaova sarina vavabe eny amin’ny solaitrabe ary ampio ny ankizy hitady ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10 ireo fampanantenana nomen’ny Tompo antsika rehefa manokatra ny vavatsika hizara ny filazantsara isika. Avelao ny ankizy hanoratra ireo fampanantenana ireo eny amin’ny solaitrabe ary ampio izy ireo hahatakatra ny dikan’ireo fampanantenana ireo. Iangavio ny ankizy tsirairay hanoratra ao anatin’ilay vavabe fahamarinana irain’ny filazantsara izay azon’izy ireo zaraina.

  • Manehoa sarina trompetra iray ary resaho ny mikasika ny hevitry ny hoe mitory ny filazantsara “tahaka ny fanenon’ny trompetra. Ahoana no fomba “hanandra[tana] “ ny feontsika? (Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 33:2; 34:6).

  • Asao ny ankizy hizara ny fomba hiomanan’izy ireo hanao asa fitoriana indray andro any. Raha toa izy ireo mahafantatra olona iray (olona ao amin’ny fianakaviana ohatra) izay manompo, dia asao izy ireo hiresaka momba ny zavatra niainan’izany olona izany. Na asao ireo misiônera, na misiônera efa niverina na olona iray izay miomana hitory hizara ny fientanentanany hanao ny asa misiônera. Zarao ny sasany amin’ireo fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fizarana ny filazantsara indrindra ireo zavatra iainanao eo amin’ny fiainana andavanandro.

    Sary
    ankizilahy milalao

    Afaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa aho.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–17

Afaka manorina ny fiainako eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Rehefa afaka mianatra dieny mbola kely kokoa ny fomba hanorenany ny fiainany eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny ankizy dia ho mora kokoa amin’izy ireo ny mitoetra ho mahatoky Aminy. Ny torohevitra nomena ao amin’ireo andininy ireo dia afaka ny hanampy azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mitondrà karazana zavatra samihafa ny hamafiny toy ny peluche, spaonjy, tanimanga ary vato. Omeo fahafahana ny ankizy hitsapa izany tsirairay. Asao izy ireo hijery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–13 ary hikaroka ny fomba namaritan’ny Tompo ny filazantsarany. Fa nahoana ny “vatolampy” no teny tsara hamaritana ny filazantsara? Ahoana no fomba hanorenantsika ny fiainantsika eo ambonin’ny vatolampin’ny filazantsara?

  • Ampio ny ankizy hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:12–17 ary tadiavo ireo zavatra izay azontsika atao hanorenana ny fiainantsika eo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny zavatra iray izay hitan’izy ireo, ary avelao izy ireo hifamantatra ny sary nataon’ny tsirairay.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanao toy ny misiônera ary hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra izay nianaran’izy ireo tato amin’ny Kilonga androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ny ankizy hiaina fitsipiky ny filazantsara iray ianao dia zarao ny fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’ireo izay miaina izany fitsipika izany. Ohatra, azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay omanin’ny Tompo ho an’ireo izay manokatra ny vavany sy mizara ny filazantsara.

Hamoaka printy