Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”


“12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40: ‘Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy,’ Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Olomasina miomana hifindra monina

Olomasina mifindra monina ho any Kirtland, nataon’i Sam Lawlor

12–18 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

“Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”

Fantatr’ Andriamanitra izay tokony hianaran’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Avelao Izy hitarika anao rehefa mifantina ireo fitsipika sy asa atao ianao hanampiana anao hampianatra azy ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampitapitao amin’ny ankizy ny boky soratra masina iray. Rehefa mihazona ilay boky soratra masina ny ankizy tsirairay dia avelao io ankizy io hizara zavatra iray izay tsaroany tamin’ny lesona tamin’ny herinandro na tamin’ny famakiana soratra masina tany an-trano.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27

Afaka mitia ny hafa Aho

Tian’ny Tompo ireo Olomasina hiara-hiangona tany Ohio sy hifankatia amin’ny maha iray ihany azy ireo. Ahoana no fomba hahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa firaisankina sy fitiavana ho an’ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity hanehoana amin’ny ankizy fa tamin’ny mbola vao tena vaovao ny Fiangonana, dia nangatahan’ny Tompo ireo mpikambana hiara-hifindra monina ho any Ohio (jereo ihany koa ny sarintany ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Tian’Andriamanitra izy ireo hianatra hifankatia sy hahay hiaraka. Manontania hevitra amin’ireo ankizy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mifaneho fitiavana.

  • Vakio amin’ireo ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:25 ary lazao amin’izy ireo amin’ny fombanao ny dikan’izany hoe mihevitra ny rahalahinao na ny anabavinao ho toy ny tenanao ihany (jereo ihany koa ny Matio 7:12). Ampio izy ireo hamerina ilay soratra masina, ka soloina amin’ny anaran’izy ireo tsirairay ilay hoe “ny rahalahiny.”

  • Manaova hira iray mikasika ny fitiavana sy fandraisana ny hafa, toy ny “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny ankizy,78). Rehefa mihira ianareo dia avelao ireo ankizy hitazona sarina ankizy avy any amin’ny toerana hafa maneran-tany.

  • Ampio ireo ankizy hilalao tantara iray izay ahitana olona iray vaovao manatrika ny kilasin’izy ireo ao amin’ny Kilonga. Ahoana no mety ho azontsika hanampiana azy hahatsiaro ho voaray tsara? Mety hankafizin’ireo ankizy ny fanaovana an’io filalaovana an-tsehatra io amin’ny alalan’ny marionette atao amin’ny tanana na sary nohetezana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30

Raha efa niomana aho dia tsy mila matahotra.

Fomba iray hanampian’ny Ray any An-danitra antsika tsy hatahotra ny fampianarana antsika hiomana.

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno imbetsaka ilay andian-teny hoe “Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra” (andininy 30). Rehefa namerimberina kely dia anesory teny iray, ary asaivo tononon’ireo ankizy ilay teny banga. Tantarao amin’ireo ankizy ny fotoana iray niomananao tamin’ny zavatra anankiray, ka nanampy anao tsy hatahotra ny fahavononanao.

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra ireo zavatra tian’ny Ray any An-danitra hiomanantsika, toy ny hoe hatao batisa na handeha ho any amin’ny tempoly. Mampisehoa sary na zavatra mba hanomezana hevitra azy ireo. Resaho ireo fomba azon’izy ireo hiomanana, ary asaivo ataon’izy ireo sary ny tenan’izy ireo miomana na mandray anjara amin’ireo zavatra neritreretin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6, 23

Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aho rehefa raisina ho mpikambana.

Inona no ilain’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao ho takarina mikasika ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina? Mety hanampy ireo torolalan’ny Tompo ho an’i James Covel mikasika an’io ôrdônansy io.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’olona iray atao batisa ary sarin’olona raisina ho mpikambana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 104, 105). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:23, ary asaivo tondroin’ireo ankizy hoe iza no sarin’iza rehefa mamaky momba ny batisa na ny fandraisana ho mpikambana ianao.

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:6, ary mampisehoa sary na zavatra amin’ireo ankizy izay maneho ireo fomba hitahian’ny Fanahy Masina antsika (anisan’izany ireo voalaza ao amin’ny andininy 6). Avelao ny ankizy hifandimby hitazona ireo sary na zavatra, ary rehefa mitazona izany izy ireo dia mijoroa ho vavolombelona momba ny nitahian’ny Fanahy Masina anao tamin’ireo fomba ireo. Ampio ireo ankizy hamantatra ireo fotoana izay mety hahatsapan’izy ireo ny fitaoman’ny Fanahy.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37; 38:31–33

Manangona antsika Andriamanitra mba hitahiana antsika.

Tena fahafoizan-tena lehibe ho an’ireo Olomasina maro tany am-piandohana ny hiangonana ho any Ohio. Ankehitriny dia tsy didiana intsony isika hiangona amina toerana iray, fa miangona isika amin’ny maha fianakaviana sy paroasy ary tsatòka antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity na ilay sarintany ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37, ary ampio ireo ankizy hitady eo amin’ilay sarintany ireo toerana voalaza ao amin’ilay fanambarana. Nodidian’ny Tompo hanao inona ireo Olomasina?

  • Misafidiana andian-teny na fehezan-teny manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33 izay tsapanao fa mamaritra ny antony nitiavan’ny Tompo ny vahoakany hiara ho tafangona. Aparitaho manodidina ao amin’ny efitrano ireo teny ao amin’io fehezan-teny io, ary asao ireo ankizy hanangona izay, avy eo handahatra izany araka ny filaharany, ary hitady hoe aiza ao amin’ireo andininy ireo no ahitana ilay fehezan-teny. Nahoana isika no tian’ny Tompo ho tafangona?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27

Tian’Andriamanitra ny vahoakany hiray hina.

Mba hanomanana ireo Olomasina ho tafangona dia nampianarin’ny Tompo izy ireo hifandray ho toy ny iray ihany ary “ho iray” (andininy 27). Ahoana no fomba ahafahan’ireo ankizy izay ampianarinao hahazo fitahiana noho io toromarika io?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38: 24–27, ary asao ireo ankizy hanoratra teny avy amin’ireo andininy ireo izay tsapan’izy ireo fa manan-danja, anisan’izany ireo teny miverimberina. Inona no mety antony namerenan’ny Tompo an’ireo teny ireo? Avelao izy ireo hizara ny zavatra izay nosoratany ary hifanakalo hevitra momba izay nianarany avy amin’ireo teny ireo.

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra toe-javatra izay mety hahatonga ny olona iray hahatsiaro ho voahilika, toy ny hoe mpikambana vaovao ao amin’ny Fiangonana, na nifindra tamina fiarahamonina na sekoly vaovao. Inona no ambaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27 mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny olona iray amin’ny toe-javatra tahaka izany? Ataovy lalao an-tsehatra ny toe-javatra sasantsasany.

  • Mizarà lesona azo tsapain-tanana izay maneho ny fomba ahafahan’ny zavatra maromaro hitambatra na ho iray, toy ny ampahan-damba mandrafitra akanjo iray, na ireo laro izay hanaovana mofo iray. Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika mikasika ny hoe lasa iray amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40

Afaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataoko aho.

Nampanantena i James Covel fa hankatò ny Tompo, saingy tsy nahatandrina ny fampanantenany izy. Ny fahafantarantsika io zavatra niainany io dia afaka manampy ireo ankizy hahatadidy ny maha-zava-dehibe an’izany hoe mpankatò izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky ireo sasin-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 sy 40, ary asaivo fintinin’izy ireo amin’ny alalan’ny teny na sary ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika an’i James Covel.

  • Manoràta fanontaniana maromaro eo amin’ny solaitrabe izay hanampy ireo ankizy hahatakatra ny fizarana 40, toy ny hoe Inona no nifaneken’i James Covel ho atao? Nahoana izy no tsy nitandrina ny fanekena nataony? Asao ny ankizy hitady valiny ao amin’ny fizarana 40.

  • Ampio ireo ankizy hahatadidy ireo fampanantenana nataon’izy ireo tamin’izy ireo natao batisa (jereo ny Môzià 18:8-10). Ampio ireo ankizy hitanisa karazana tahotra na “fiahiahiana [an’] izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:2) izay mety hanakana ny olona iray tsy hitandrina ireo fampanantenana ireo. Asao ireo ankizy hanoratra hafatra fohy ho an’ny tenan’izy ireo ihany ho fampahatsiahivana fa ny fankatoavana ireo didin’ny Ray any An-danitra dia hanampy azy ireo handresy ny tahotra sy ireo fiahiahiana izao fiainana izao. Amporisiho izy ireo hampirina izany taratasy kely izany amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo mahita izany matetika.

sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hifanakalo hevitra amin’ny ray aman-dreniny na olona hafa ao amin’ny fianakaviany momba ny fomba ahafahan’izy ireo miray hina kokoa amin’ny maha-fianakaviana azy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova tsianjery soratra masina iray. Misafidiana andalan-tsoratra masina izay heverinao fa afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelon’ireo ankizy, ary ampio izy ireo hahatadidy izany tsianjery. Ireo ankizy madinika dia afaka mitadidy ampahana soratra masina na andian-teny iray fotsiny.

pejin’ny asa atao: afaka mitia ny hafa aho