Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40: “Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”


“12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40: -Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“12–18 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Olomasina miomana ny hifindra monina

Nifindra monina ho any Kirtland ireo Olomasina, nataon’i Sam Lawlor

12–18 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

“Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy”

Ny firaketana ireo fahatsapanao mandritra ny fandalinanao dia fomba iray ahafahanao mankatò ny torohevitr’ Andriamanitra mba hirakitra fahendrena (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ny Fiangonana dia mihoatra noho ny hoe toerana iray handrenesana toriteny sasantsasany amin’ny andro alahady. Manerana ireo fanambarana nomeny an’i Joseph Smith, ny Tompo dia manoritsoritra ny Fiangonany amin’ny teny toy ny hoe tanjona, fanjakana, Ziona, ary matetika amin’ny hoe asa. Mety ho anisan’ny zavatra nanintona ny maro tamin’ireo mpikambana voalohan’ny Fiangonana izany. Arakakaraky ny fitiavan’izy ireo ny fotopampianarana naverina tamin’ny laoniny an’ny Fiangonana no nanirian’ny maro ihany koa zavatra izay hahafahan’izy ireo ilofosana amin’ny fiainan’izy ireo. Na izany aza dia tsy mora tamin’ny sasany ny nanaraka ny didy nomen’ny Tompo ny Olomasina tamin’ny 1830 mba hivondrona tany Ohio. Ho an’ny olona tahaka an’i Phebe Carter, izany dia nidika hoe mandao ireo fonenana maha-te honina mba hiaina any amin’ny sisin-tany tsy mahazatra iray (jereo ny “Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny” any amin’ny faran’ity rindran-damina ity). Afaka hitantsika mazava tsara ankehitriny ny zavatra izay tsy afaka hitan’ireo Olomasina ireo afa-tsy tamin’ny masom-pinoana ihany: nanana fitahiana lehibe niandry azy ireo tany Ohio ny Tompo.

Efa lasana hatry ny ela ny nilàna ny hivondronana tao Ohio kanefa ireo Olomasina ankehitriny dia mbola manohy miray hina maneran-tany ho amin’ny tanjona, sy ny asa mitovy tamin’izany: dia ny “hampandroso an’i Ziona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13). Toy ireo Olomasina tany am-piandohana dia avelantsika any “ny fahatahorana ny fanenjehana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:2) satria matoky ny fampanantenan’ny Tompo isika ny hoe: “horaisinao … ny fitahiana lehibe tokoa toy izay tsy mbola fantatrao na oviana na oviana.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:109–11.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:1

Inona no nadikan’i Joseph Smith tamin’ny 1830?

Ao amin’ireo andininy ireo ny Tompo dia niresaka momba ny asa ataon’i Joseph Smith momba ny fanitsiana entanim-panahy ataon’i Joseph Smith amin’ny Baiboly izay lazaina amin’ny teny hoe “Dikanteny.” Tamin’ny fotoana nandraisan’i Joseph ny fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana 37, dia nahavita dikanteny ny toko vitsivitsy tamin’ny bokin’ny Genesisy izy ary nahafantatra ny amin’i Enôka sy ny tanànan’i Zionany (jereo ny Genesisy 5:18–24; Mosesy 7). Ny sasantsasany amin’ireo fitsipika nampianarin’ny Tompo an’i Enôka dia mitovitovy amin’ireo izay nambarany ao amin’ny fizarana 38.

Sary
i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Niara-niasa tamin’i Sidney Rigdon i Joseph Smith tamin’ny fanitsiana nentanim-panahy natao tamin’ny Baiboly. Sary nataon’i Annie Henrie Nader

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38

Manangona antsika Andriamanitra mba hitahiana antsika.

Nofaranan’ny Tompo ny didy nomeny mba hivondronana tany Ohio tamin’ny filazana izao: “Indro, izany no fahendrena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:4). Saingy tsy ny rehetra no nahita fahendrena tao amin’izany avy hatrany. Manambara ny fahendreny amin’ny antsipiriany bebe kokoa kokoa ny Tompo ao amin’ny fizarana 38. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny andininy 11–33 momba ireo fitahiana avy amin’ny fanangonana? Tsy didina intsony ny hiangonan’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fifindrana monina any amin’ny toerana iray; amin’ny fomba ahoana avy ary no hiangonantsika ankehitriny? Mihatra amintsika amin’ny fomba ahoana ireo fitahiana ireo ? (jereo ny Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 79-81).

Eo am-pamakianao ny ambiny amin’ity fizarana ity dia tadiavo ireo andalan-tsoratra masina izay mety ho nanampy ireo Olomasina hanana ny finoana izay nilain’izy ireo mba hankatoavana ny didin’ Andriamanitra mba hiangona any Ohio. Eritrereto ihany koa ny amin’ireo didy izay nomeny anao sy ny finoana ilainao mba hankatoavana azy ireny. Mety hitarika ny fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hitanao ao amin’ny andininy 1–4 izay manome anao fatokiana ny Tompo sy ireo didiny?

  • Ahoana no hanampian’ny andininy 39 anao hankatò ireo didin’ Andriamanitra na dia mitaky fahafoizantena aza ireny?

Inona koa no hitanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:11–13, 22–32, 41–42

Raha efa miomana aho dia tsy hatahotra.

Efa niatrika fifanoherana lehibe ireo Olomasina ary fantatry ny Tompo fa mbola hisy maro hafa ho avy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:11–13, 28–29). Mba hanampiana azy ireo tsy hatahotra dia nanambara fitsipika sarobidy Izy: “Raha efa miomana ianareo dia tsy hatahotra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30). Makà minitra vitsy hitsaintsainana ny amin’ireo olana atrehanao. Avy eo ianao rehefa mandalina ny fizarana 38, dia henoy ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy ny amin’ireo fomba ahafahanao miomana amin’ireo olana mba tsy hahatahoranao.

Jereo koa ny Ronald A. Rasband, “Aza matahotra,” Liahona, nôv. 2018, 18–21.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40

Tsy azoko avela hanakana ahy tsy hankatò ny tenin’ Andriamanitra ny fiahiahiana izao fiainana izao.

Vakio ny fizarana 3940, ary koa ireo fampahafantarana ara-tantara ao amin’ireo sasintenin’ireo fizarana ary diniho hoe amin’ny fomba ahoana no mety hiaran’ny zavatra niainan’i James Covel aminao. Ohatra hoe eritrereto ireo fotoana hoe “nahitsy teo anoloan[’ Andriamanitra ny fo[nao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1). Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao noho ny fahatokianao? Eritrereto ihany koa hoe inona ireo “fiahiahiana izao fiainana izao” izay atrehanao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:9; 40:2). Inona no hitanao ao amin’ireo fizarana ireo izay mitaona anao mba ho marim-pototra kokoa amin’ny fankatoavana?

Jereo ihany koa ny Matio 13:3–23.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37:3.Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny fahafoizantena nataon’ireo Olomasina mba hiangona tany Ohio dia azonao atao ny mijery ny sarin-tany miaraka amin’ity rindran-damina ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:22.Amin’ny fomba ahoana no hametrahantsika an’i Jesoa Kristy ho “mpanome lalàna” an’ny fianakaviantsika? Mahatonga antsika ho “olona afaka” amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ireo lalàny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27.Mba hampianarana ny ankizy ny dikan’ny hoe “iray” dia azonao hampiana izy ireo hanisa hoe firy ny isan’ireo olona ao amin’ny fianakavianareo ary resaho hoe nahoana ny olona tsirairay no manan-danja amin’ny fianakavianareo. Amafiso fa ianareo rehetra miaraka no manome fianakaviana iray . Azonao ampiana ihany koa ireo zanakao mba hanao sary iray lehibe ny isa 1 eo amin’ny taratasy iray sy manaingo izany amin’ireo anarana sy sarisary na ny sarin’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Azonao atao ihany koa ny manoratra eo amin’ilay taratasy ireo zavatra hataonareo mba hampiray bebe kokoa ny fianakavianareo. Azonareo atao ihany koa ny mijery ny horonan-tsary “Love in Our Hearts” (ChurchofJesusChrist.org) na mamaky ny Mosesy 7:18.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:29–30.Azonareo atao ihany koa ny miresadresaka zavatra niainan’ny fianakaviana na ny tena manokana izay nitaky fiomanana. Inona no fiantraikan’ny fiomananareo tamin’ilay zavatra niainana? Inona no tian’ny Tompo mba hiomanantsika? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fiomanantsika hanampy antsika tsy hatahotra? Inona no azontsika atao mba hiomanana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40.Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “fiahiahiana izao fiainana izao” (andininy 2) amintsika? Moa ve misy fiahiahiana izao tontolo izao izay manakana antsika tsy handray ny tenin’ Andriamanitra “[amim-]pifaliana”? Ahoana no handresentsika azy ireny?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira haroso mba hohiraina: “Hoy Jesoa: Tiavo avokoa ireo namanao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 39.

Sary
ireo feon’ny famerenana amin’ny laoniny

Ireo feon’ny Famerenana amin’ny Laoniny

Fiangonana ho any Ohio

Sary
Ireo trano tao Kirtland

Kirtland Village, nataon’i Al Rounds

Sary
Phebe Carter Woodruff

Anisan’ireo Olomasina maro niangona ho any Ohio tamin’ny taona 1830 i Phebe Carter. Tany Etazonia tavaratra no nidirany ho mpikamban’ny Fiangonana tany akaikikaikin’ny faha-dimy amby roapolo taonany tany ho any na dia tsy niditra ho mpikambana aza ireo ray aman-dreniny. Nanoratra izy taty aoriana ny amin’ny fanapahan-keviny ny hifindra hankany Ohio mba hiangona amin’ireo Olomasina:

“Talanjona izay tsy izy, toa ahy ihany, ireo namako tamin’ny fanapahan-kevitro, kanefa nisy zavatra tao anatiko tao izay nanentana ahy tsy tapaka. Mila tsy ho tantiko mihitsy ny alahelo fatratra teny amin’ny reniko ny amin’ny fandehanako ary raha tsy noho ny fanahy tao anatiko dia ho nihemotra aho ka dia ho tsy nandeha. Nolazain’ny reniko fa naleony mahita ny fandevenana ahy toy izay ny mahita ahy mandao ny tokantrano handeha any amin’ny tontolo tsy misy indra fo.

“-[Phebe],- hoy izy niaiky, -hiverina aty amiko ve ianao raha hitanao fa hoe diso ny fivavahana Môrmôna?-

“-Eny, ry neny; hiverina aho.- hoy ny navaliko … Nampisinda ny ahiahiny ny valin-teniko; saingy naharary taminay rehetra ny hifandao. Nony tonga ny fotoana handehanako dia fantatro fa hoe tsy ho vitako ny hanao veloma farany; noho izany dia nanoratako taratasy fanaovam-beloma ny tsirairay ka napetrako teo amin’ny latabatro ireny, nihazakazaka aho nidina ny tohotra ary niditra faingana tao anatin’ny fiara fitaterana. Nilaozako noho izany ny tokantrano mamin’ny fahazazako mba hampifamatotra ny fiainako amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra.”1

Toy izao no nosoratan’i Phebe tao anatin’ny iray tamin’ireo hafatra fanaovam-beloma:

“Ry ray aman-dreny lalaiko, eo am-pandaozana vetivety ny tranon’ny ray aman-dreniko aho ankehitriny … tsy fantatro hoe hafiriana, kanefa feno fankasitrahana aho tamin’ny hatsaram-panahy izay noraisiko hatramin’ny fahazazako mandraka ankehitriny. Saingy toa manana drafitra hafa izao ny fandaharan’ Andriamanitra. ‘Ndeha hapetratsika eo an-tanan’ Andriamanitra ireny zavatra rehetra ireny ka ho feno fisaorana ny amin’ny namelany antsika hiara-hiaina nandritra ny fotoana ela naharitra tao anatin’ny toe-javatra iainana tsara toy ny ananantsika Izy, sady hino fa ho tombontsoa ho antsika ny zava-drehetra raha tiantsika ambonin’ny zava-drehetra Andriamanitra. Aoka ho takatsika fa isika dia afaka mivavaka amin’ny Andriamanitra iray izay hihaino ny vavaka an-kitsim-po ataontsika ho an’ireo zava-boariny rehetra sy manome antsika izay tsara indrindra ho antsika. …

“Ry neny, mino aho fa sitrapon’ Andriamanitra ho ahy ny handehanako any andrefana ary resilahatra aho fa efa toy izany hatry ny ela izany. Afaka ny handeha aho ankehitriny … ; mino aho fa ny Fanahin’ Andriamanitra no nanatontosa izany ka ampy ho an’ny zava-drehetra izany. Aza mitaintaina ny amin’ny zanakao. Ny Tompo hampionona ahy. Mino aho fa hokarakarain’ny Tompo sy homeny izay tsara indrindra ho ahy aho. …  Handeha aho satria miantso ny Mpampianatro. Efa nataony tsotra ny adidiko.”2

Fanamarihana

  1. Ao amin’ny Edward W. Tullidge, The Women of Mormondom (1877), 412.

  2. Taratasin’i Phebe Carter ho an’ireo ray aman-dreniny, tsy misy daty, Tranombokin’ny Tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; nohavaozina ireo mari-piatohana. Tamin’ny 1834 i Phebe no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nifindra tany Ohio izy nanodidina ny taona 1835 ary nanambady an’i Wilford Woodruff tamin’ny 1837.

Hamoaka printy