Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: “Ho lalàko hitondrana ny Fiangonako”


“19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44: -Ho lalàko hitondrana ny Fiangonako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“19–25 aprily. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
Jesoa Kristy

19–25 aprily

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41–44

“Ho lalàko hitondrana ny Fiangonako”

“Raha mangataka ianao,” hoy ny Tompo nampanantena, “dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61). Inona avy ireo fanontaniana azonao apetraka mba hahazoana ny fanambarana ilainao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fitomboan’ny Fiangonana faingana tamin’ny 1830 sy 1831—indrindra ilay vondrona lehiben’ny mpikambana vaovao nankao Kirtland, Ohio—dia nampientanentana sy nankahery ny Olomasina. Kanefa nahitana olana ihany koa izany. Amin’ny fomba ahoana no hampiraisanao faingana andiana mpino, indrindra rehefa mitondra fotopampianarana sy fomba fanao avy tamin’ny antokom-pinoana nisy azy ireo teo aloha izy ireo? Ohatra, rehefa tonga tao Kirtland i Joseph Smith tany amin’ny fiandohan’ny taona 1831, dia nahita mpikambana vaovao nifampizara fananana izay niraisana mba hakana tahaka tsotra izao ireo Kristianina tao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:32–37). Nanao fanitsiana sy fanazavana manan-danja momba izany sy ireo lohahevitra hafa ny Tompo, indrindra tamin’ny alalan’ny fanambarana iray voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42, izay nantsoiny hoe “ny lalàko hitondrana ny Fiangonako” (andininy 59). Ianarantsika ao amin’io fanambarana io ireo fahamarinana fototra amin’ny fanorenana ny Fiangonan’ny Tompo amin’ny andro farany, anisan’izany ny fampanantenana izay manazava fa misy foana zavatra azo ianarana: “Raha mangataka ianao dia handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:114–19.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41

“Izay mandray ny lalàko ary manao izany, dia izy no mpianatro.”

Nanomboka nivondrona tao Ohio ny Olomasina tamin’ny fiandohan’ny taona 1831, vonona ny handray ny lalàna izay nampanantenan’ Andriamanitra fa hambarany tao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Kanefa nampianarin’ny Tompo voalohany azy ireo ny fomba tokony hiomanan’ ny mpianany mba handraisana ny lalàny. Inona ireo fitsipika hitanao ao amin’ny andininy 1–5 izay ho nanampy ny Olomasina handray ny lalàn’ Andriamanitra? Ahoana no mety hanampian’ireo fitsipika ireo anao handray torolalana avy Aminy?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42

Mitantana ny Fiangonany sy afaka mitantana ny fiainantsika ireo lalàn’ Andriamanitra.

Noraisin’ny Olomasina ho anisan’ny fanambarana manan-danja indrindra noraisin’ny Mpaminany ilay fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:1–72 . Anisan’ireo navoaka voalohany izany, ka niseho tao amin’ny gazety roa tao Ohio, ary fantatra tsotra tamin’ny hoe “ny lalàna.” Maro amin’ireo fitsipika ao amin’io fizarana io no efa nambaran’ny Tompo tany aloha. Na dia tsy ahitana ny didy rehetra tian’ny Tompo hankatoavin’ny Olomasiny aza io fizarana io dia mendrika hosaintsainina ny antony maha-nanan-danja ny hamerenana ireo fitsipika ireo tamin’ny Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny.

Mety hanampy anao ny mamaky ny fizarana 42 ka zarazaraina ho ampahany kely toy izao manaraka izao sy mamantatra ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny tsirairay amin’izany. Rehefa manao izany ianao dia saintsaino ny fomba ahafahan’io lalàna entina mitarika ny Fiangonana io mitarika ny fiainanao manokana ihany koa.

Andininy 4–9, 11–17, 56–58 

Andininy 18–29 

Andininy 30–31 

Andininy 40–42 

Andininy 43–52 

Jereo ihany koa 3 Nefia 15:9.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42

Tamin’ny fomba ahoana no “nanokana[n’ny Olomasina] ny fananan[’izy ireo]” mba hanampiana ny mahantra?

Ampahany manan-danja amin’ilay lalàna nambara ao amin’ny fizarana 42 ilay nanjary fantatra amin’ny hoe lalàn’ny fanokanana sy fitantanan-draharaha. Io lalàna io dia nampianatra ny Olomasina ny fomba ahafahan’izy ireo “niombona ny fananany rehetra” (Asan’ny Apostoly 2:44; 4 Nefia 1:3), tahaka ireo mpanaradia an’i Kristy fahiny, ka “tsy nisy mahantra teo anivony” (Mosesy 7:18). Nanokana ny fananany ny Olomasina tamin’ny alalan’ny fanomezana izany ho an’ny Tompo, tamin’ny alalan’ny eveka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–31). Naverin’ny eveka tamin’izy ireo izay nilainy (jereo ny andininy 32)—matetika izay natokan’izy ireo sy mihoatra noho izany. Nomen’ireo mpikambana izay mihoatra tany amin’izy ireo mba hanampiana ny mahantra (jereo ny andininy 33–34). Fitahiana goavana ho an’ny Olomasina io lalàna io, indrindra ho an’ireo izay nandao ny zava-drehetra mba hahatongavana tao Ohio. Maro ireo Olomasina nalala-tanana tamin’ny fanomezana nataony.

Na dia tanterahintsika amin’ny fomba hafa aza izany ankehitriny dia mbola miaina ny lalàn’ny fanokanana ny Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42 ianao, dia saintsaino ny fomba ahafahanao manokana izay nomen’ Andriamanitra anao mba hananganana ny fanjakany sy hitahiana ireo izay sahirana.

Jereo ihany koa ny Linda K. Burton, “Mpivahiny aho,” Liahona, mey 2016, 13–15; “The Law,” Revelations in Context, 93–95, history.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
I Kristy sy ilay zatovo mpanan-karena

I Kristy sy ilay zatovo mpanan-karena, nataon’i Heinrich Hofmann

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 65–68; 43:1–16

Manome fanambarana hitarihana ny Fiangonany Andriamanitra.

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia miresaka amin’ny mpikambana vaovao ato am-piangonana izay tsindrin-daona hahafantatra fa tarihina amin’ny alalan’ny fanambarana ny Fiangonana. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–16 mba hanazavana aminy ny lamin’ny Tompo amin’ny fitarihana ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminaniny? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61, 65–68 mba hampianarana momba ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana?

Jereo ihany koa ny “All Things Must Be Done in Order,” Revelations in Context, 50–53, history.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1–5.Inona avy ny ohatra sasany amin’ireo lalàn’ny tany, ary mahasoa antsika amin’ny fomba ahoana ireny lalàna ireny? Amin’ny fomba ahoana no itahian’ireo lalàna na didin’ Andriamanitra antsika? Afaka manao ny sarin’ny tenany mankatò ireo lalàn’ Andriamanitra ny mpianakavy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:45, 88.Inona no hanampy ny fianakavianao “hiara-honina amim-pitiavana”? (jereo ihany koa ny Môzià 4:14–15). Mifanoràta na mifampilazà zavatra tsara momba ny tsirairay na mihirà hira iray momba ny fitiavana ao anatin’ny fianakaviana, toy ny “Fitia ao an-tokantrano” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 88).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61.Na azonareo atao ny mamaky ity andininy ity raha eo am-panambarana piozila iray ianareo. Ampiasao ilay piozila mba hampianarana ny fomba hanambaran’ Andriamanitra ireo zava-miafiny—“fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana.” Ny olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka mizara ny fomba nanambaran’ Andriamanitra fahamarinana tsikelikely tamin’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:25.Mety misy zavatra azon’ny fianakavianareo ampiasaina mba hamoronana feon’ny kotro-baratra entina hampidirana fomba iray hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny andininy 25. Ahoana no maha- “feon’ny varatra” ny feon’ny Tompo? Hiaraho mamaky ilay andininy hahitana ireo fomba mety hiantsoan’ny Tompo antsika mba hibebaka. Ahoana no ahafahantsika mandray bebe kokoa ny feon’ny Tompo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Te hiaina ny filazantsara aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 72; jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.”

Manatsara ny fampianarantsika

Mikolokoloa tontolo iray feno fitiavana Ny zavatra tsapan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana momba ny tsirairay avy amin’izy ireo sy ny fifampitondran’izy ireo dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny tontolon’ny tokantranonao. Ampio ny rehetra ao amin’ny fianakavianao hanao ny anjarany amin’ny fanorenana tokantrano feno fitiavana sy fanajana mba hahazo aina ny tsirairay hizara ireo zavatra niainana na fanontaniana na fijoroana ho vavolombelona. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,15.)

Sary
I Joseph Smith nitory teny

I Joseph Smith nitory teny tao Nauvoo, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy