Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: “Ho tanteraka ny fampanantenana”


“26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45: -Ho tanteraka ny fampanantenana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“26 aprily–2 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
zatovo eo ivelan’ny tempoly

26 aprily–2 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45

“Ho tanteraka ny fampanantenana”

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo.” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Miaina ao anatin’ny fotoana tena sarotra isika ary mety hampatahotra izany. Na ireo mpianatr’i Jesoa aza, rehefa nandre Azy naminany momba ireo loza izay hitranga amin’ny androntsika, “dia natahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34). Ireo Olomasina tany am-piandohana tany Kirtland, Ohio, dia natahotra ihany koa noho ireo fotoan-tsarotra izay niainan’izy ireo. Anisan’izany ny fisian’ny “tatitra diso maro … sy tantara adaladala” izay nanimba ny hafatry ny filazantsara (Fanekempihavanana 45, sasin-tenin’ny fizarana). Saingy ny valintenin’ny Tompo tamin’izany sy ankehitriny, dia hoe “aza matahotra” (andininy 35). Eny, misy ny faharatsiana, saingy misy porofo ihany koa fa manafaingana ny asany Andriamanitra. Eny, misy loza maro nambara mialoha fa hialoha ny Fiaviana Fanindroany, ary tokony hahatsikaritra azy ireny isika. Saingy tsy fampitandremana loza fotsiny izy ireny, fa sady famantarana koa fa eo an-dalam-pahatanterahana ireo fampanantenan’ Andriamanitra. Angamba izany no antony nahazoana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45—fanambarana iray izay mamariparitra ny maro amin’ireo famantarana ireo amin’ny antsipiriany hoe “hafalian’ireo Olomasina” (sasin-tenin’ny fizarana).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5

I Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray.

Efa nahatsapa ho tsy mahay sy tsy mendrika teo anoloan’ Andriamanitra ve ianao? Afaka mahazo fampatokisana ianao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:1–5. Mahatonga anao hieritreritra inona ny teny toy ny hoe “mpisolovava” sy ny “miaro”? Inona no ataon’ny Mpamonjy hisoloana vava anao, na hiarovana ny tombontsoanao? Midika inona aminao ny fahafantarana fa i Kristy dia Mpisolovava anao?

Ity teny manaraka ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith dia afaka manampy anao handinika ireo andininy ireo: “I Jesoa [dia] mpisolovava antsika, miaro ny tombontsoantsika amin’ny maha-mpanalalana antsika amin’ny alalan’ny fanompoany sy ny asa ataony mba hampihavana antsika sy hampifanaiky antsika amin’ Andriamanitra” (ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1953, 58).

Jereo koa ny 2 Nefia 2:8–9; Môzià 15:7–9; Môrônia 7:27–28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5; 62:1.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9–10

Ny filazantsara dia faneva ho an’ireo firenena.

Ny faneva tany aloha tany dia saina fitondra any an’ady. Io no mampitambatra sy mampiray ireo miaramila ary manampy azy ireo hahafantatra ny toerana hiangonana sy ny zavatra ho atao. […] Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9-10 ianao dia saintsaino hoe inona no maha-faneva an’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara ho anao. Mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nanana an’ireo fanekempihavanana ireo ianao?

Jereo ihany koa ny Isaia 5:26; 11:10–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–75

Ho tanteraka avokoa ireo fampanantenan’ny Tompo.

Ady sy faharatsiana ary faharavana no hialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Saingy “Aza matahotra,” hoy ny Tompo, “fa rehefa hitranga ireo famantarana ireo, dia hahafantatra ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenana izay efa natao taminareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:35).

Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11-75 dia diniho ny tsy hifantohana fotsiny amin’ireo tranga mampatahotra voalaza mialoha fa koa amin’ireo fitahiana ampanantenain’ny Tompo (ohatra, ireo fampanantenana ao amin’ny andininy 54–59 momba ny hanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny arivotaona). Azonao atao izany amin’ny fanaovana lisitra na fanasiana marika amin’ireo andininy. Inona no hitanao fa manampy anao tsy “hatahotra” an’ireo andro farany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:31–32, 56–57

“Mitsangàna eo amin’ny toerana masina,” ary aoka tsy hoesorina.

Ny antony iray ampianaran’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny antsika momba ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany dia ny hanampiana antsika hiomana. Inona no ianaranao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:31-32, 56–57 momba ny fiomanana ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany? Mety hanampy ny mamerina mijery ilay fanoharana momba ireo virijiny folo, ao amin’ny Matio 25:1–13. Ilay solika ao amin’io fanoharana io dia nampitahain’ny Tompo tamin’ny fahamarinana sy ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57). Inona no hevi-baovao azonao rehefa mamaky an’io fanoharana io amin’izany fomba izany?

Sary
ireo virijiny folo

Fanoharana momba ireo virijiny folo, nataon’i Dan Burr

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–15, 66–71

I Ziona dia toeram-pialofana ho an’ireo Olomasin’ Andriamanitra.

Ireo Olomasina tamin’ny andron’i Joseph Smith dia tsindrian-daona hanorina an’i Ziona, ilay Jerosalema Vaovao, araka ny voasoritra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Etera 13:2–9) sy ao amin’ny fanitsiana ny Baiboly nentanim-panahy nataon’i Joseph Smith (jereo ny Mosesy 7:62–64). Inona no ianaranao momba an’i Ziona, na ilay tanàna fahiny tamin’ny andron’i Enoka izany na ilay tanàna amin’ny andro farany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:11–15, 66–71?

Ankehitriny ilay baiko hoe hanorina an’i Ziona dia miresaka momba ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza misy an’ireo zanak’ Andriamanitra mivondrona eo ambany fialofan’ny “fanekempihavana[ny] maharitra mandrakizay” (andininy 9). Inona no azonao atao mba hanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona eo amin’ny toerana misy anao?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ziona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5.Inona no ataon’ny mpisolovava ho antsika? Miresaha momba ny antony iantsoana ny Mpamonjy hoe Mpisolovava antsika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9–10.Raha atao hoe nanana “faneva” na saina ny fianakavianao hanehoana ny fanolorantenanareo ho amin’ny filazantsara dia ho tahaka ny ahoana izany? Mety hahafinaritra ny miaraka manamboatra sainam-pianakaviana ary mifampiresaka momba ny fomba ahafahanao manampy ny hafa hanaraka ireo fitsipiky ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32.Inona avy ireo “toerana masina” izay antsika? Inona no dikan’ny hoe “tsy hoesorina”? Ahoana no fomba ahafahantsika manao ny tokantranontsika ho toerana masina?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:39–44.Ahoana no ahafahanao manampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra ny dikan’ny hoe miambina ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany? Angamba afaka mieritreritra tranga iray izay andraindrainao ianao ary mizara fomba “hiambenanao” ho an’izany tranga izany. Na afaka miara-mahandro zavatra iray anaty lafaoro ianareo ary miambina ireo famantarana izay manambara fa efa azo hanina ilay izy. Inona avy no ataontsika amin’izany hoe miambina ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:55.Ny famakiana ny 1 Nefia 22:26 sy ny Apokalypsy 20:1–3 dia afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra hoe ahoana izany hoe Satana “hofatorana” izany mandritra ny Arivotaona. Ahoana no ahafahantsika mamatotra an’i Satana eo amin’ny fiainantsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Raha ho avy indray Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 46; jereo ihany koa ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina.”

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà fitaovana fandalinana. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina hahazoana hevi-baovao ao amin’ny soratra masina.

Sary
Kristy midina

Ilay fiavian’i Kristy, nataon’i Jubal Aviles Saenz

Hamoaka printy