Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58-59: “Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara”


“24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58-59: -Hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“24–30 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
araben’i Independence, Missouri

Independence, Missouri, nataon’i Al Rounds

24–30 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58–59

“Mazoto mirotsaka amin’ny tanjona tsara”

Nampianatra ny Filoha DallinH. Oaks hoe: “Ny soratra masina dia hanampy antsika hamaha ireo fanontaniana manokana rehetra ananantsika satria rehefa mamaky azy ireny isika dia manasa sy manomana ny tenantsika ho amin’ny fitaomam-panahin’ny Fanahy Masina, izay hitarika antsika ho any amin’ny fahamarinana rehetra” (ao amin’ny David A. Edwards, “Are My Answers in There?” (Moa ve ao anatin’ity ireo valim-panontaniako?) New Era, mey 2016, 42).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa sambany nahita ilay toerana ho an’ny tanànan’i Ziona, ao Independence, Missouri ireo loholon’ny Fiangonana, dia tsy araka izay nantenain’izy ireo izany. Ny sasany dia nihevitra fa hahita fiarahamonina mamokatra sy mandroso ahitana vondrona Olomasina matanjaka. Ny hitan’izy ireo kosa dia faritra zara raha nisy mponina, tsy nisy an’ireo mariky ny fandrosoana izay efa nahazatra azy ireo, ary nahitana mpanorim-ponenana bontolo fa tsy Olomasina. Hita tamin’izany fa tsy ny ho tonga ao Ziona fotsiny no notakin’ny Tompo tamin’izy ireo, fa tiany izy ireo hanorina izany.

Rehefa tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy ny zavatra antenaintsika, dia afaka mahatsiaro ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ireo Olomasina tamin’ny 1831 isika: “Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’ Andriamanitrareo … ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3). Eny, feno fahoriana ny fiainana, eny faharatsiana mihitsy aza, saingy isika dia afaka manao izay “hahatonga fahamarinana fatratra; fa ao amin[tsika] ny hery” (andininy 27–28).

Jereo ihany koa ny Olomasina, 1:127–33.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1-5, 26–33, 44; 59:23

Mitranga araka ny fotoan’ Andriamanitra sy ny fahazotoantsika ireo fitahiana.

Ireo Olomasina dia nanomboka nanorina an’i Ziona, tao amin’ny distrikan’i Jackson, Missouri, izay toerana niaretan’izy ireo fisedrana maro. Azo antoka fa nanantena izy ireo fa mandritra ny androm-piainan’izy ireo ity faritra ity dia handrobona ho lasa toerana fiangonan’ireo Olomasina rehetra. Kanefa ireo Olomasina dia nentina niala tao amin’ny Faribohitr’i Jackson tao anatin’ny taona vitsy monja, ary nanambara ny Tompo fa ny vahoakany dia ho voatery “hiandry mandritra ny fotoana fohy ny fanavotana an’ i Ziona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9).

Rehefa mandalina ireto andalana manaraka ireto ianao dia mitadiava antony mety hahatonga ireo fitahiana tsy homena aloha mandritra ny fotoana voafetra. Afaka manampy anao handinika ireto fanontaniana etsy ambany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–5; 59:23. Inona avy ireo hafatra ao anatin’ireo andininy ireo izay mampatanjaka ny fahafahanao hahazaka ireo fahoriana amim-paharetana kokoa? Inona avy ireo fitahiana efa noraisinao taorian’ny fahoriana? Nahoana ny fitahiana sasany, araka ny hevitrao, no tsy tonga raha tsy aorian’ny fahoriana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–33 Inona no anjara toeran’ilay hoe “hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara” eo amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’ Andriamanitra? Inona no anjara toeran’ny fankatoavanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:44. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny “fivavaky ny finoana” sy ny sitrapon’ny Tompo ho antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59, sasin-tenin’ny fizarana.

Iza moa i Polly Knight?

I Polly Knight sy ny vadiny, i Joseph Knight rainy, dia anisan’ireo voalohany nino fa voantso ho mpaminany i Joseph Smith. I Polly sy i Joseph dia nanolotra fanohanana tena niantoka ny aina ho an’ny Mpaminany teo amin’ny asa fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Nandao an’i Collesville, New York, ny fianakaviana Knight mba hitambatra amin’ireo Olomasina tany Ohio, ary taty aoriana dia nodidina hifindra ho any amin’ny Faribohitr’i Jackson, Missouri. Nandritra ny dia dia niharatsy ny fahasalaman’i Polly, saingy tapa-kevitra izy ny hahita an’i Ziona mialoha ny hahafatesany. Andro vitsy monja taorian’ny nahatongavany tany Missouri dia nodimandry izy (jereo ny Olomasina, 1:127–28, 132–33). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59 dia voaray tamin’ny andro nahafatesany, ary ny andininy 1 sy 2 dia toa miresaka manokana momba azy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19

Mitondra fitahiana ara-panahy sy ara-nofo ny fitandremana ny Sabata ho masina.

Rehefa avy nampanantena ny hitahy an’ireo Olomasina ao Ziona amin’ny “didy izay tsy vitsy” ny Tompo dia nanantitrantitra manokana ny didy anankiray, dia ny didy hoe hanaja ny “andro[ny] masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:4, 9). Eo am-pandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–19 dia diniho ny antony mahatonga ny fanajana ny Sabata hanan-danja tokoa ho an’ireto Olomasina ireto teo am-pikatsahan’izy ireo ny hanorina an’i Ziona.

Azonao dinihana ihany koa ny fanontaniana toa an’ireto: Moa ve aho mitandrina ny andro Sabata araka ny fomba antenain’ny Tompo? Ahoana no ahafahan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina hanampy ahy hiaro ny tenako “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao”? (andininy 9). Inona no azoko atao mba “hanatanteraha[ko] ny fanompoana ny Avo Indrindra”? (andininy 10).

Rehefa avy namaky ireto andininy manaraka ireto ianao dia inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hitandremana kokoa ny andro Sabata ho masina? Genesisy 2:2–3; Eksodosy 20:8–11; 31:13, 16; Deoteronomia 5:12–15; Isaia 58:13–14; Marka 2:27; Jaona 20:1–19; Asan’ny Apostoly 20:7.

Mety hahasoa anao koa ny iray amin’ireo horonan-tsary maro na loharanom-pitaovana hafa mikasika ny Sabata hita ao amin’ny sabbath.ChurchofJesusChrist.org.

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fahafinaretana ny Sabata,” Ensign na Liahona,mey 2015, 129–32; Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Sabata.”

Sary
mofo sy kaopy amin’ny fanasan’ny Tompo

Anisan’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29.Angamba azon’ny mpianakavy atao ny manao ny lisitr’ireo zavatra izay “hirotsahan’izy ireo amim-pahazotoana.” Moa ve “tanjona tsara” daholo izy ireny? Nahoana no tian’ny Tompo isika hanao “zavatra maro amin’ny nahim-pon[tsika]”? Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity mba “hahatonga fahamarinana fatratra.” Afaka manao tatitra momba ny zavatra nataony izy ireo aty aoriana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43.Inona no tsapan’ny olona ao amin’ny fianakaviana rehefa mamaky ireo andininy ireo? Ahoana no ahafahan’ireo andininy ireo manampy olona iray izay mila mibebaka?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:3–19.Inona no mety ho hevitry ny hoe “hosatrohina … didy”? (andininy 4). Rehefa mamaky ireo didy ao amin’ny andininy 5–19 ianareo dia mifampiresaha momba ireo fitahiana izay azonareo noho ny fankatoavana ny tsirairay amin’ireo didy ireo.

Azonao atao koa ny manamarika ny nampiasana teny toy ny hoe “fifalianao,” “firavoravoana,” sy “falifaly” ary “hamalifaly” mba hanoritsoritana ilay didy hoe hanaja ny andro Sabata. Ahoana no fomba ahafahanao manao izay hahafeno fifaliana kokoa ny Sabatanao? Angamba azon’ny fianakaviana atao ny manao kilalao fampifanarahana amin’ny alalan’ny karatra izay maneho ireo zavatra izay azonao atao mba hitandremana ny andro Sabata ho masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:18–21.Inona no azontsika atao mba “hiaik[ena] … ny tanan’ [Andriamanitra] amin’ny zava-drehetra”? (andininy 21). Diniho ny hivoahana mandehandeha na ny hijerena sary, ary manamarika ireo zavatra izay sady “[m]ahafinaritra ny maso no [m]amalifaly ny fo” (andininy 18). Afaka maka sary ianao na manao sary an’ireo zavatra hitanao ary avy eo miresaka momba ny fomba azonao hanehoana ny fankasitrahanao noho ireo zavatra ireo. Ahoana no fomba nahitantsika ny tanan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Bien choisir,Cantiques, lah. 154.

Manatsara ny fampianarantsika

Mizarà soratra masina. Omeo fotoana ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizarana andinin-tsoratra masina izay hitan’izy ireo nandritra ny fandalinan’ny tenan’izy ireo manokana fa manan-danja ho azy ireo.

Sary
ankizivavy mivavaka mandritra ny fanasan’ny Tompo

Sary nataon’i Marti Major

Hamoaka printy