Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana”


“10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50: -Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“10–16 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
dobo amin’ny fiposahan’ny masoandro

10–16 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49–50

“Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana”

“Izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra, dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24). Diniho ny fomba andraisanao hazavana amin’ny alalan’ny fitoerana ao amin’ Andriamanitra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Mpamonjy no “mpiandry tsara” antsika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:44). Fantany fa indraindray misy ondry mania ary feno loza any an-tany foana. Koa dia mitarika antsika amim-pitiavana ho any amin’ny fialofana ao amin’ny fotopampianarany izy, lavitry ny loza toy ny “fanahy sandoka, izay efa naely patrana ety an-tany, hamitaka izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:2). Ny fanarahana Azy matetika dia midika hoe tsy mino ireo hevitra na fombafomba diso intsony. Marina izany ho an’i Leman Copley sy ny hafa tany Ohio izay nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny saingy mbola nifikitra tamin’ireo finoanoam-poana sasany izay diso tsotra izao. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 dia nanambara fahamarinana maro ny Tompo, izay nanitsy ireo zavatra ninoan’i Leman tany aloha mikasika ireo lohahevitra toy ny fanambadiana sy ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Ary rehefa “nandray fanahy izay tsy hain[’izy ireo] fantarina” ireo niova fo tao Ohio dia nampianarin’ny Tompo azy ireo ny fomba famantarana ny tena fampisehoana ny Fanahy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:15). Nanam-paharetana ilay Mpiandry Tsara; fantany fa ireto Olomasina tany am-piandohana ireto dia tahaka antsika rehetra, “ankizy madinika” izay “tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahasoavana sy amin’ny fahalalana ny marina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:5–23

Ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia afaka manampy ahy hamantatra ireo fampianaran-diso.

Talohan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana an’i Leman Copley dia mpikambana tao amina antokom-pivavahana iray izy izay nantsoina hoe Firaisan’ny Fiarahamonin’ny Mpino ny Fisehoan’i Kristy Fanindroany, izay nantsoina koa hoe Shakers. Rehefa avy nifampiresaka tamin’i Leman i Joseph Smith dia nikatsaka fanazavana tamin’ny Tompo mikasika ireo fampianarana sasany avy amin’ireo Shakers, ary dia namaly ny Tompo tamin’ny alalan’ilay fanambarana ao amin’ny fizarana 49.

Azonao jerena ao amin’ny sasin-tenin’ny fizarana 49 ny sasany amin’ireo zavatra ninoan’ireo Shakers. Diniho ny hanisiana marika an’ireo fahamarinana ao amin’ny andininy 5–23 izay manitsy an’ireo zavatra inoana ireo. Mieritrereta fampianaran-diso na fombafomba diso hafa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Inona avy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay afaka manampy anao hiaro tena amin’izy ireny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Inona avy ireo fitsipika momba ny fanambadiana izay ianaranao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17? Nahoana araka ny fahatsapanao no tena ilaina eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray? Nanome antony roa ny Loholona David A. Bednar: “Antony 1: Ny toetoetran’ny fanahy lahy sy ny fanahy vavy dia mifameno sy mifandavorary, ka noho izany ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fisandratana. … “Antony 2: Efa tendrin’ Andriamanitra fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia samy ilaina mba hitondrana ireo zanaka ho eto amin’ny fiainana an-tany ary mba hanolorana ny rafitra tsara indrindra hitaizana sy hamelomana ireo zanaka” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 83–84).

Jereo ihany koa ny Genesisy 2:20–24; 1 Korintiana 11:11; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, mey 2017, 145.

Sary
mpivady eo ivelan’ny tempoly

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50

Ireo fampianaran’ny Tompo dia afaka miaro ahy amin’ireo fitaka ataon’i Satana.

Ireo vao niova fo tao Ohio dia maika handray ireo fanehoana avy amin’ny Fanahy izay ampanantenaina ao amin’ny soratra masina, saingy maika koa i Satana hamitaka azy ireo. Nanontany tena izy ireo hoe rehefa misy olona mikiakiaka na safotra, moa ve izany fiantraikan’ny Fanahy Masina?

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao no nangatahana hanampy ireo vao niova fo ireo hahatakatra ny fomba famantarana ny tena fanehoana avy amin’ny Fanahy Masina ary ny fomba fialana mba tsy ho voafitak’ireo fakana tahaka ataon’i Satana. Inona avy ireo fitsipika hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50 ka azonao zaraina? (jereo manokana ireo andininy 22–25, 29–34, 40–46).

Jereo koa ny 2 Timoty 3:13–17.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–24

Ireo mpampianatra sy ireo mpianatra dia samy omen’ny Fanahy hery.

Fomba iray ahafahanao mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–24 ny fanaovana sarina mpampianatra iray sy mpianatra iray, ary eo akaikin’izy ireo asio lisitra iray ahitana ireo teny sy andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra anao zavatra momba ny fianarana sy fampianarana filazantsara. Oviana ianao no niaina toe-javatra izay nampianatra anao ny maha-zava-dehibe ny Fanahy eo amin’ny fampianarana sy ny fianarana? Saintsaino izay zavatra azonao atao hanatsarana ireo ezaka ataonao amin’ny maha-mpianatra sy mpampianatra filazantsara anao.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:2.Inona ny dikan’ny hoe “maniry ny hahafantatra ny ampahany fa tsy ny marina rehetra”? Mety ho azonao atao ny mampiseho sary iray voarakotra amin’ny ampahany amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary asaivo maminavina izy ireo hoe inona izy io. Inona no mitranga raha ampahany amin’ny fahamarinana fotsiny no ekentsika? (jero ny 2 Nefia 28:29). Ahoana no mahatonga ny fahafenoan’ny filazantsara ho fitahiana ho antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:26–28.Ahoana no mahatonga antsika ho voatahy noho ilay fampanantenan’ny Tompo hoe: “Izaho handeha eo alohanareo ary ho vodilaharanareo; ary Izaho ho eo afovoanareo”? Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara zavatra niainana nahatsapan’izy ireo ny Tompo “[n]andeha teo alohan[’izy ireo]” na nahatsapany Azy ho “[t]eo afovoany.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25.Azonareo atao ny miangona ao anatin’ny efitrano maizina iray ka mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25 ary ampio tsikelikely hatrany ny hazavana amin’ny fampirehetana labozia na fampirehetana tsirairay an’ireo jiro. Azonareo atao koa ny mamaky ireo andininy ireo sady mijery ny fiposahan’ny masoandro amin’ny maraina. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fahazavan’ny filazantsarantsika hanohy hitombo? Rehefa mianatra zavatra vaovao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mandritra ny herinandro dia entano izy ireo hizara izany amin’ny fianakaviana amin’ny fanoratana teny kely apetaka amina jiro na hazavana hafa ao an-trano.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46.Rehefa avy namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–46 ianao, dia afaka mampiseho ilay sarin’ny Mpamonjy izay miaraka amin’ity rindran-damina ity, ary mametraka fanontaniana toy ny hoe: Ahoana no ahafahanao milaza fa tia ny ondry ny Mpamonjy? Ahoana no maha-toy ny mpiandry ondry ny Mpamonjy ho antsika? Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina izay maneho fa ny Mpamonjy dia mpiandry ondry ary isika no ondriny?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Mamirata,” Bokin-kiran’ny ankizy, 96.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho olona mahay miovaova. Ny fotoana tsara indrindra ampianarana, indrindra ao an-tokantrano, dia ny fotoana tonga ho azy sy amin’ny fotoana tsy nomanina: ny fotoana fisakafoanan’ny mpianakavy dia mety hitarika amina fifanakalozan-kevitra mikasika ny fivokisana amin’ny tenin’ Andriamanitra, ary ny oram-baratra dia ho fahafahana mijoro ho vavolombelona momba ny rano velona. Raha toa ka vonona ara-panahy ianao dia afaka manome anao “amin’izany fotoana izany indrindra izay holazaina[o]” ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:6).

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny zanak’ondry iray

Mpiandry ondry tsara fanahy, nataon’i Kim Yongsung

Hamoaka printy