Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57: “Mpitantan-draharaha hendry sy mahatoky ary marina”


“17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57: -Mpitantan-draharaha hendry sy mahatoky ary marina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“17–23 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
mpiompy miaraka amin’ny omby

Famaritana soritr’angadinomby voalohany, nataon’i Taylor Harwood

17–23 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57

“Mpitantan-draharaha hendry sy mahatoky ary marina”

Ny fandalinana soratra masina dia manampy anao hahafantatra ny feon’ny Tompo satria ny soratra masina dia nomeny tamin’ny alalan’ny Fanahiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 1830, ny fanangonana ny Olomasina sy ny fananganana ny tanànan’i Ziona dia asa ara-panahy sy ara-nofo niaraka tamin’ireo andraikitra ilaina vitaina: Nila olona hividy sy hizara tany izay ahafahan’ny Olomasina hitoetra. Nila olona hanonta boky sy hamoaka vokatra hafa. Ary nila olona hitantana fivarotana hamatsiana ireo izay ao Ziona. Ao amin’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51–57 ny Tompo dia nanendry sy nampianatra olona handray an-tanana ireo asa ireo, ary namaritra an’i Independence, Missouri ho “ivon-toerana” ho an’i Ziona (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3).

Kanefa raha toa ka nanan-danja ho an’ilay asa ara-nofo mba hananganana an’i Ziona ny fahaiza-manao amin’ireo zavatra toy ny fividianana tany sy fanontana printy ary fitantanana trano fivarotana, ireo fanambarana ireo dia nampianatra ihany koa fa irin’ny Tompo ireo Olomasina ho tonga mendrika ara-panahy ho antsoina hoe vahoakan’i Ziona. Miantso antsika tsirairay Izy ho tonga “mpitantan-draharaha hendry sy mahatoky ary marina,” manana fanahy manenina, “[mitoetra] tsara” amin’ny andraikitra nanendrena antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:19; 52:15; 54:2). Raha mahavita izany isika, na inona na inona fahaiza-manao ara-nofo ananantsika, dia afaka mampiasa antsika ny Tompo hanorenana an’i Ziona, ary Izy “hanafaingana ny tanàna amin’ny fotoany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:43).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51

Tian’ny Tompo aho ho mpitantan-draharaha hendry sy mahatoky ary marina.

Raha toa ianao ka mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny taona 1831 dia mety ho voasa hiaina ny lalàn’ny fanokanana amin’ny alalan’ny fanolorana ny fanananao ho an’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny eveka. Avy eo izy dia hamerina aminao mazàna ny zavatra natolotrao, ary indrindray miampy tombony. Saingy tsy hoe fanananao fotsiny ilay izy amin’izay, fa lasa fitantanan-draharahanao.

Ankehitriny dia tsy mitovy amin’izany ny fomba fiasa, saingy ny fitsipiky ny fanokanana sy ny fitantanan-draharaha dia mbola zava-dehibe hatrany ho an’ny asan’ny Tompo. Eritrereto ireto teny nataon’ny Loholona Quentin L. Cook ireto: “Miaina ao anatin’ny vanim-potoana mampidi-doza isika izay ahitana fa maro ny mihevitra fa tsy tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra isika ary tsy manana andraikitra manokana na fitantanan-darahara amin’ny tenantsika na amin’ny hafa. Maro eo amin’izao tontolo izao no mifantoka amin’ny fahafaham-pon’ny tenany manokana … [ary] tsy mino fa izy ireo no mpiandry ny rahalahiny. Ao amin’ny Fiangonana anefa dia mino isika fa ireo fitantanan-draharaha ireo dia fahatokiana masina” (Fitantanan-draharaha—Fahatokiana Masina ,” Liahona, nôv. 2009, 91).

Rehefa mamaky ny fizarana 51 ianao, dia eritrereto hoe inona no nampiandraiketan’ Andriamanitra anao. Inona no hevitry ny teny hoe “mpitantan-draharaha” (andininy 19) sy ny hoe “natokana” (andininy 5), ary midika inona izany raha ny mikasika ny zavatra andrasan’ Andriamanitra aminao? Inona avy ireo fitsipika hitanao ao amin’ny fizarana 51 sy ao amin’ireo tenin’ny Loholona Cook ka mampianatra anao ny dikan’izany hoe mpitantan-draharaha izany (jereo manokana ny andininy 9, 15–20).

Jereo ihany koa ny Matio 25:14–30.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19

Nanome lamina arahina Andriamanitra hahatonga antsika tsy ho voafitaka.

Koa satria maro no nilaza ho nisehoan-javatra ara-panahy dia sahiran-tsaina ireo Olomasina tany aloha sao ho voafitaka. Ahoana no ahafahan’izy ireo mamantantra hoe iza no eken’ [Andriamanitra]”? (andininy 15). Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19 dia nanome lamina arahina tena manampy ny Tompo. Ahoana no fomba hampiharanao an’io lamina io mba hahitana ireo hafatra diso eo amin’izao tontolo izao? Azonao ampiasaina ihany koa io lamina io hanombantombanana ny tenanao: diniho ny hampiasana andian-teny avy amin’ireto andininy ireto mba hanoratana fanontaniana toy ny hoe: “Rehefa miteny aho, moa ve aho manana fanahy manenina?”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54

Afaka mitodika amin’ny Tompo aho rehefa voaratra noho ny safidin’ny hafa.

Anisan’ny fanangonana tao Ohio ny andian’Olomasina notarihin’i Newel Knight izay tonga avy tany Colesville, New York, ary nila toerana hivelomana. Nanana tany midadasika teo akaikin’i Kirtland i Leman Copley ary nanao fanekena ny hamela ireo Olomasina honina teo amin’ny taniny. Kanefa, fotoana fohy taorian’ny nanombohan’izy ireo nonina teo dia nihozongozona ny finoan’i Copley ka niala tamin’ny fanekeny izy ary nandroaka ireo Olomasina hiala tamin’ny taniny (jereo ny Olomasina , 1:125–28).

Araka ny voarakitra ao amin’ny fizarana 54, dia niteny tamin’i Newel Knight ny Tompo mikasika ny zavatra tokony hataon’ireo Olomasina momba ny toe-javatra niainany. Inona no hitanao ao amin’ity fanambarana ity ka afaka hanampy anao rehefa miantraika aminao ny fivadiham-pitokisana na safidy ratsy hafa ataon’ny olona?

Sary
saha maitso mavana.

Toeran’ilay toeram-pambolena sy fiompiana ao Ohio izay nampanantenain’i Copley ho an’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 56:14–20

Sambatra ny madio am-po

Ao amin’ireo andininy ireo ny Tompo dia sady miresaka amin’ny manan-karena no miresaka amin’ny mahantra; mety ho mahaliana ny mampitaha ny torolalana nomeny ho an’ireo sokajin’olona roa ireo. Inona amin’ireo andininy ireo no tsapanao fa mihatra aminao manokana? Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’ny harena hanimba ny fanahinao? (andininy 16). Midika inona aminao izany hoe “madio am-po” (andininy 18) raha ny mikasika ny zavatra ara-nofo?

Jereo ihany koa ny Jakôba 2:17–21.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9.Afaka manao kilalao iray izay tian’ny fianakaviana ianao ary avy eo dia miresaka ny mety ho maha-hafa ilay lalao raha toa nisy anankiray namitapitaka. Nahoana no zava-dehibe ny “mifampitondra amim-pahamarinana” ? Ahoana no ahafahan’ny fahamarinan-toetra hanampy antsika ho “iray”?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:14–19.Rehefa mifampiresaka mikasika ilay lamina voasoritra ao amin’ireo andininy ireo ianareo dia mety ho tian’ny fianakaviana ny hijery lamina arahina hafa izay fampiasanao toy ny hoe lamina arahina ho an’ny fanjairan’akanjo na fanaovana asa tanana. Afaka miara-miasa ianareo manao zavatra nalaina avy amina lamina arahina iray sady miresaka mikasika ny lamina izay nomen’ny Tompo mba hialana amin’ny famitahana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53:1.Diniho ny hizarana zavatra niainana iray amin’ny fianakavianao izay nanontanianao ny Tompo tahaka an’i Sydney Gilbert “momba ny antsonao.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:2; 57:6–7.Inona no dikan’ny hoe “tomoera tsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:2-6, izay hangatahan’ny Tompo mba hataontsika? Afaka manasa ireo fianakavianao ianao mba hitsangana ary hilaza zavatra izay nampanaovin’ny Tompo azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55.Ahoana no fomba nampiasan’ny Tompo ny fahaiza-manaon’i William Phelps amin’ny maha-mpanoratra sy mpanonta boky azy? (ohatra, jereo ao amin’ny Fihirana sy hiran’ny ankizy ireo hira nosoratany). Mety ho azon’ny fianakaviana atao ny miresaka momba ireo talenta sy fahaiza-manao izay hitan’izy ireo eo amin’ny izy samy izy. Ahoana no ahafahan’ny talentantsika mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira haroso mba ho hiraina: “Hoy ilay rano kely hoe “Manomeza”,” Bokin-kiran’ny ankizy, 116.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà diary fandalinana. Mety ho hitanao hoe manampy ny mampiasa diary na fandraisana naoty ka hanoratana ireo eritreritra na hevitra na fanontaniana na fahatsapana izay tonga rehefa mandalina ianao.

Sary
mpikambana manome fananana an’i Edward Partridge

Ny Eveka Partridge mandray ny fanokanana, nataon’i Albin Veselka

Hamoaka printy