Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46-48: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”


“3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48: -Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2021

Sary
olona mihaona eo amin’ny dobo

Ilay fihaonana tao amin’ny toby, nataon’i Worthington Whittredge

3–9 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48

“Katsahonareo fatratra tokoa ny Ffanomezam-pahasoavana tsara indrindra”

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48 ianao dia raketo an-tsoratra izay mety ho fahatsapana voarainao. Avy eo dia afaka manontany ianao, araka ny sosokevitra naroson’ny Loholona Richard G. Scott hoe “Mbola misy zavatra hafa tokony ho fantatro ve?” (“Mahazo fitarihana ara-panahyLiahona,nôv. 2009, 8).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa nandao an’i Kirtland ry Parley P. Pratt sy Oliver Cowdery sy Ziba Peterson ary Peter Whitmer zanany, ka niroso ho any amin’ny toerana hafa hitoriana, dia nandao olona niova fo miisa zato mahery izay feno fahazotoana saingy tsy dia nanana traikefa na olona nitarika. Tsy nisy ny boky torolalana, tsy nisy fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika, tsy nisy fampitana fihaonambe maneran-tany. Raha ny marina, tsy nisy Bokin’i Môrmôna firy akory ho zarazaraina. Maro tamin’ireo mpino vaovao ireo no voasarika tamin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny noho ilay fampanantenana fampisehoana ny Fanahy mahatalanjona, indrindra ireo izay fantatr’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao (jereo ohatra ny 1 Korintiana 12:1–11). Vetivety dia lasa nisy fomba fiderana tsy nahazatra nampidirina tamin’ireo fivorian’izy ireo tao am-piangonana, anisan’izany ny fianjerana tamin’ny tany na ny miolankolana toy ny bibilava. Maro no nahita fa sarotra ny manavaka hoe inona no fanehoana avy amin’ny Fanahy ary inona no tsy izy. Rehefa nahita ny fifanjevoana i Joseph Smith dia nivavaka nangataka fanampiana. Mbola manan-danja mitovy ny tamin’izany ny valintenin’ny Tompo ankehitriny, rehefa matetika mandà na manao tsinontsinona ny zava-panahy ny vahoaka. Nambaran’ny Tompo fa tena misy ireo fanehoana ara-panahy ary nohazavainy fa izany dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana, “omena … ho tombontsoan’ireo izay tia [Azy] sy mitandrina ny didi[ny] rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–6

Ireo mpanadihady matotra rehetra dia asaina an-tanan-droa hitsaoka ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

Ireo fivoriana an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tokony ho anisan’ireo fivoriana mahay mandray olona sy mitaona fanahy indrindra maneran-tany. Inona no anoroan’ny Tompo hevitra antsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1-6 mba handraisana ireo izay manatrika ireo fivoriantsika? Moa ve ireo namanao sy ireo mpiray monina aminao mahatsapa ho voaray tsara ao anatin’ireo fivoriam-pitsaohan’ny paroasinao? Inona no ataonao mba hahatonga ireo fivoriam-piangonana ho toerana tian’ny olona hiverenana? Diniho hoe amin’ny fomba ahoana no hahatonga ireo ezaka ataonao hanarahana ny Fanahy Masina ao anatin’ireo fivoriam-piangonana ho afaka hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra iainanao.

Jereo ihany koa ny 3 Nefia 18:22–23; Môrônia 6:5–9; “Welcome,” horonan-tsary, ComeUntoChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33

Nanome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany.

Ireo Olomasina tany am-piandohana dia nino ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy saingy nila torolalana izy ireo mikasika ny tanjon’izy ireny. Rehefa mianatra mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ianao amin’ny fampiasana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7-33, dia diniho hoe nahoana no manan-danja ny “ [hahatsiarovanao] mandrakariva ny antony nanomezana azy ireny” (andininy 8). Diniho ny fomba hiharan’ireo andininy ireo amin’ity teny nataon’ny Loholona Robert D. Hales ity: “Ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia omena ireo izay mahatoky amin’i Kristy. Izy ireny dia hanampy antsika hahafantatra sy hampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Hanampy antsika hitahy ny hafa izy ireny. Hitarika antsika hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra izy ireny” (“Gifts of the Spirit,” Ensign, Feb. 2002, 16). Inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo mikasika ny fampisehoana ny Fanahy? Ahoana no fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy anao “tsy ho voafitaka”? (andininy 8).

Diniho hoe inona no fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao ary ahoana no ahafahanao mampiasa azy ireny “ho tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra” (andininy 26). Raha manana tsodranon’ny patriarika ianao dia mety manambara ireo fanomezam-pahasoavana izay nomena anao izany.

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47

Tian’ny Tompo ny Fiangonany hirakitra tantara.

Ny antson’i John Whitmer ho mpanao tantaran’ny Fiangonana dia tohin’ny fomba fanao efa ela be, dia ny hisian’ny mpirakitra tantara eo anivon’ny vahoakan’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 29:11–12; Mosesy 6:5; Abrahama 1:28, 31). Raha ny marina dia mbola misy mandraka ankehitriny ny antso hoe Mpahay tantaran’ny Fiangonana. Nahoana araka ny eritrerirao no tena manan-danja tokoa amin’ny Tompo ny firaketana tantara? Saintsaino izany eo am-pamakianao ireo torolalana nomeny an’i John Whitmer mikasika io asa nampandraiketina io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47. Diniho ihany koa hoe inona ireo zavatra niainanao manokana izay tokony ho raketinao. Ohatra, inona no zavatra nampianarin’ny Tompo anao ka tianao ho voatahiry.

Eo am-pandinihanao ireo fanontaniana ireo dia diniho ity hevi-baovao avy amin’ny Loholona Marlin K. Jensen ao amin’ny Fitopololahy ity, izay Mpahay tantara sy Mpiraki-draharahan’ny Fiangonana teo anelanelan’ny taona 2005 sy 2012, manao hoe:

“Mirakitra tantara isika mba hanampiana antsika hahatsiaro. … Irintsika ny hanampy ireo mpikamban’ny Fiangonana hahatsiaro ireo zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. … Ireo lesona avy tamin’ny lasa dia manampy antsika hiatrika ny ankehitriny ary manome fanantenana antsika ho amin’ny ho avy (“There Shall Be a Record Kept among You,” Ensign, Des. 2007, 28, 33).

Mba hahafantarana misimisy kokoa mikasika ny asa izay tanterahina ankehitriny eo ambany fitarihan’ny Mpahay tantaran’ny Fiangonana, dia tsidiho ny history.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
John Whitmer

Voantso ho mpirakitra tantaran’ny Fiangonana i John Whitmer.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2–6.Inona no azontsika atao amin’ny maha-fianakaviana antsika hahazoana antoka fa mahatsiaro ho voaray tsara ao amin’ireo fivoriam-piangonana ny hafa? (jereo ihany koa ny 3 Nefia 18:22–23). Ny sary izay miaraka amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy amin’ity fifanakalozan-kevitra ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–26.Inona avy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hitantsika eo amintsika samy isika? Ahoana no ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo hitahy ny fianakaviantsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47.Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ny fianakavianao hanoratra ny tantaran’izy ireo manokana mandritra ity herinandro ity? Azonao atao ny mizara ampahany avy amin’ny diarinao manokana na mizara tantara iray mikasika ny razambe anankiray (jereo ny FamilySearch.org). Manokana minitra vitsy isan-kerinandro ny fianakaviana sasany mba hahafahan’ny tsirairay manoratra ao anatin’ny diarin’izy ireo. Azonao atao ny manome fanontaniana mitaona mba hanoratra ao anatin’ny diary toy ny hoe: “Inona no nitranga tamin’ity herinandro ity ka tianao ho fantatr’ireo zafikelinao?” na “Ahoana no nahitanao ny fitantanan’ny Tompo teo amin’ny fiainanao tamin’ity herinandro ity?” Afaka manao sarin’ny zavatra niainan’izy ireo ny ankizy kely, na azonao atao ny mirakitra ny feon’izy ireo eo am-pitantarany ny tantarany. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny firaketana “tsy miato ny tantara”? (andininy 1).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48.Nodidina ireo Olomasina tany Ohio hizara ny tanin’izy ireo tamin’ireo izay nifindra monina ho any Ohio avy tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Inona no azontsika zaraina mba hanomezana ny zavatra ilain’ny hafa?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Seigneur j’ai tant reçu” (Cantiques, no. 139).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara sy ohatra. Matetika ny Mpamonjy no nampiasa tantara sy fanoharana entina hampianarana fitsipiky ny filazantsara. Mieritrereta ohatra sy tantara teo amin’ny fiainanao manokana izay hahatonga ny fitsipiky ny filazantsara iray ho azon’ny fianakavianao ampiharina (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,22).

Sary
olona any am-piangonana

Omen’ny Ray any An-danitra fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo zanany mba hitahiana ny fiainan’ny hafa.

Hamoaka printy