Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021
3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46-48: “Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”


“3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48: -Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2021 (2020)

“3–9 mey. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2021

Sary
olona mivory eo akaikin’ny dobo iray

The Camp Meeting, nataon’i Worthington Whittredge

3–9 mey

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48

“Katsahonareo fatratra tokoa ny fanomezam-pahasoavana tsara indrindra”

Mieritrereta an’ireo ankizy ampianarinao rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46–48 ianao. Jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” any amin’ny fiandohan’ity boky torolalana ity hahitana ireo hevitra fanampiny azo ampiasaina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny zavatra nianarany tao amin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa na tany an-trano nandritra ny herinandro lasa teo. Omeo fampahatsiahivana izy ireo raha ilaina. Dia avelao izy ireo hiresaka momba ny sary nataony avy eo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2–6

Afaka manampy ny hafa mba hahatsapa ho tongasoa ao am-piangonana aho.

Isika rehetra, anisan’izany ny ankizy, dia te hahatsapa fa tongasoa sy ekena. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hanao izay hahatsapan’ny hafa ho tongasoa ao am-piangonana?

Atrikasa azo atao

  • Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:5 ary lazao amin’ny ankizy amin’ny teninao manokana izay tian’io andininy io hambara. Mampisehoa sarin’olona avy amin’ny toerana samy hafa eto an-tany. Anontanio ny ankizy hoe iza amin’ireo olona ireo no tian’ny Ray any An-danitra hasaintsika hanatrika ireo fivoriam-piangonantsika. Ampio ireo ankizy hanao fanazarana amin’ny alalan’ny fanasana anao na hifanasa mba hanatrika fivoriam-piangonana na fiaraha-mientana iray ato am-piangonana.

  • Asaivo eritreretin’ny ankizy hoe sambany ny namana iray no tonga any am-piangonana. Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy ny naman’izy ireo hahatsapa ho tongasoa. Avelao izy ireo hanao fanazaran-tena ny amin’izay holazain’izy ireo na hataony raha toa ka mahita namana iray sambany vao miditra ao amin’ny trano fiangonana na ny kilasy izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26

Manome ahy ireo fanomezam-pahasoavany ny Ray any An-danitra.

Ny ankizy tsirairay izay ampianarinao dia zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra, ary nomeny fanomezam-pahasoavana ara-panahy izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Ampiasao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26 na ny “Toko 20: Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy” (Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 77–80) entina manazava amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana omen’ny Ray any An-danitra antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny sy ny antony hanomezany azy ireny. Raha azo atao dia mampisehoa zavatra na sary izay maneho ny fanomezam-pahasoavana tsirairay. Miatoa tsindraindray mba hanontaniana ny ankizy hoe ahoana no ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo mitahy olona iray.

  • Omeo zavatra iray izay azo zaraina ny ankizy iray, toy ny mofo iray na kilalao anankiroa. Asaivo zarain’ilay ankizy amin’ny ankizy iray hafa ao amin’ny kilasy ilay zavatra nomenao azy. Hazavao fa ny Ray any An-danitra dia manome antsika fanomezam-pahasoavana, ary tiany hoampiasaintsika izy ireo mba hanampiana ny hafa. Milazà fotoana iray izay nahazoanao fitahiana satria nizara fanomezam-pahasoavana ara-panahy taminao ny olona iray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–26

Manome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra mba hitahiana ny hafa.

Ireo fanomezam-pahasoavana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46—sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy maro hafa—dia avy amin’ Andriamanitra, omeny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Afaka manampy ieo ankizy hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana nomena azy ireo ianao—sy ireo hafa izay azon’izy ireo katsahina—rehefa mandalina miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 ianareo.

Atriksa azo atao

  • Soraty eo amin’ny taratasy kely maromaro ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26 sy ao amin’ny Fanekem-pinoana 1:7, dia afeno manerana ny efitrano izany. Asao ny ankizy tsirairay mba hitady ny iray amin’ireo taratasy ary hizaha ireo andininy hamantarana hoe aiza ao amin’ny soratra masina no voatonona izany fanomezam-pahasoavana izany. Dia vakio miaraka avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–9, 12. Nahoana no nanome antsika ireo fanomezam-pahasoavana ireo ny Ray any An-danitra?

  • Ampio ny ankizy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fanomezam-pahasoavana voatonona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46. Rehefa voatanisa ny fanomezam-pahasoavana tsirairay dia miresaha momba ny fomba ahafahana mampiasa izany fanomezam-pahasoavana izany entina hitahiana ny hafa. Ireo famaritana ao amin’ny “Toko 20: Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy” (Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, 77–80) dia afaka manampy. Lazao amin’ireo ankizy fa manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny tsirairay amin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy azy ireo hamantatra ny fanomezam-pahasoavana ananan’izy ireo sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa azy ireny mba hanampiana ny hafa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1, 3

Afaka mirakitra ny tantarako aho.

Niantso an’i John Whitmer ny Tompo mba hirakitra ny tantaran’ny Fiangonana. Ankehitriny isika dia voatahy tokoa satria noraketina nandritra ny taona maro ireo tantaran’ny Fiangonana.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 47:1,3, dia asaivo fantarin’ny ankizy izay nirin’ny Tompo hataon’i John Whitmer. Inona no dikan’ny teny hoe “lalandava” ao amin’ny andininy 3? Inona no fitahiana azontsika noho ny fahafantarana momba ny tantaran’ny Fiangonana?

  • Raha toa ka mihazona diary ny ankizy ampianarinao dia angataho izy ireo mba hilaza momba ireo karazana zavatra soratan’izy ireo ao anatin’ny diariny. Mety ho tian’ny ankizy ny handre tantara iray avy ao amin’ny diarinao fony ianao mbola zaza na avy ao amin’ny diarin’ny razambenao iray.

  • Ampiseho ny ankizy ny ohatra amin’ireo fomba ahafahan’izy ireo mirakitra tsy tapaka ny tantaram-piainan’izy ireo. Ohatra: azon’izy ireo atao ny manoratra ao anatin’ny boky iray, manangona sary ao anaty boky namboarina iray, manoratra amin’ny solosaina iray, na mirakitra feo na horonantsary. Ampio ny ankizy hanao lisitra ireo zavatra tsara ampidirina ao amin’ny tantaran’izy ireo manokana, toy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hanamboatra famantarana na peta-drindrina iray hoentiny mody ka misy ny sasany amin’ireo hevitra ireo entina mampahatsiahy azy ireo mba hirakitra ny tantarany manokana.

    Sary
    zazavavy manao fandalinana

    Ny diary dia fomba iray hiraketana tantara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:1–4

Afaka manampy ny hafa aho amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra izay nomena ahy.

Namporisika ny Olomasina tao Ohio ny Tompo mba hanampy ireo Olomasina hafa tamin’ny alalan’ny fizarana ny tanin’izy ireo sy ny volany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hahita fomba hizarany izay nomen’ Andriamanitra azy ireo amin’ny hafa?

Atrikasa azo atao

  • Asehoy amin’ireo ankizy ny sarintanin’i New York sy Ohio (jereo ny rindran-damina ho an’ny 12–18 aprily ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hazavao fa ny Tompo dia nandidy ny Olomasina tao New York sy ireo faritra hafa mba hiangona tao Ohio, kanefa maro tamin’izy ireo no tsy nanana vola ampy hanorenana trano rehefa tonga tany izy ireo. Ampio ireo ankizy hitady ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:1–4 izay nasain’ny Tompo nataon’ireo Olomasina tao Ohio mba hanampiana azy ireo. Anontanio ny ankizy izay irin’izy ireo atao entina manampy raha toa ka niaina tany Ohio tamin’io fotoana io izy ireo. Inona no nomena antsika ankehitriny ka azontsika ampiasaina mba hanampiana ny hafa?

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48:4, ary asao ny ankizy hijery ny zavatra izay nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina mba hanampiana amin’ny asany. Hazavao fa ny fampirimana vola dia namela azy ireo hividy tany sy hanorina tempoly taty aoriana. Hanaovana inona ny vola azontsika ampirimina mba hahafahantsika manampy amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hanontany ny olona ao amin’ny fianakaviany any an-trano mikasika ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay tsapan’izy ireo fa nomena azy ireo. Amporisiho ihany koa ny ankizy mba hivavaka sy hikatsaka fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay tian’izy ireo hokolokoloina.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina. Mety tsy hahay hamaky teny loatra ny ankizy kely, saingy mbola afaka manampy azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Ohatra, afaka mamaky andalan-tsoratra masina iray ianao dia manasa azy ireo hitsangana na hanangana ny tanan’izy ireo rehefa maheno teny na andian-teny manokana.

Hamoaka printy