Scripture Stories
Toko 20: Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy: 8 martsa 1831


Toko 20

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

8 martsa 1831

Sary
batisa
Sary
I Joseph mandray fanambarana

Nandray fanambarana maro izay nampianatra momba ny Fanahy Masina i Joseph Smith. Ny Fanahy Masina dia Fanahy iray izay manampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tsy manana vatana nofo sy taolana Izy.

Sary
Ankizy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina

Manome fanomezam-pahasoavana miavaka an’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Antsoina hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy na fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireny. Manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray farafahakeliny ny Olomasina tsirairay. Tokony hianatra momba ny fanomezam-pahasoavana ananany sy hampiasa ireny mba hifanampiana ny mpikamban’ny Fiangonana. Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph Smith ny sasany amin’ireny fanomezam-pahasoavana ireny.

Sary
Mpikambana mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany

Ny Olomasina sasany dia omena ny fanomezam-pahasoavana hahafantatra fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa maty ho antsika Izy. Ny Olomasina hafa nomena ny fanomezam-pahasoavana hahafantatra sy hino ny fijoroana ho vavolombelona marina ataon’ny hafa momba an’i Jesoa.

Sary
Mpitarika mampianatra ny olony

Nomena fanomezam-pahasoavana mba ho mpitarika ny Olomasina sasany.

Sary
Vehivavy iray mivavaka

Ny Olomasina sasany dia nomena ny fanomezam-pahasoavana hahafantatra ny maha-samy hafa ireo fanahy marina sy ireo fanahy ratsy. Ny fanahy marina dia avy amin’ Andriamanitra ary mahatonga antsika hahatsapa zavatra tsara. Ny fanahy ratsy dia avy amin’i Satana ary mitondra fahatsapana ratsy.

Sary
Lehilahy mampianatra avy ao amin’ny soratra masina

Ny Olomasina sasany dia nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny fahendrena. Manampy azy ireo hanao safidy tsara sy hampiasa am-pahendrena ny fahalalana omen’ny Ray any An-danitra azy ireo io fanomezam-pahasoavana io. Ny Olomasina sasany dia nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny fahalalana. Ireo izay manana io fanomezam-pahasoavana io dia natao hampianatra ny hafa sy hanampy azy ireo hanao safidy hendry.

Sary
Lehilahy manome tsodrano ankizy

Ny Olomasina sasany dia nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana mba ho sitrana. Ny hafa dia nomena ny fanomezam-pahasoavana mba hanasitrana ny olona marary. Omen’ny Fanahy Masina an’ny Olomasina sasany ny fanomezam-pahasoavana hanao fahagagana. Maneho ny herin’ Andriamanitra ny fahagagana.

Sary
Lehilahy miresaka amin’ny Indiana Amerikana

Ny Olomasina sasany dia nomena ny fanomezam-pahasoavana hiteny amin’ny fiteny tsy hain’izy ireo.

Sary
I Joseph mahazo sary an-tsaina ny Tempolin’i Salt Lake

Ny Olomasina sasany dia nomena ny fanomezam-pahasoavana ny haminany. Io fanomezam-pahasoavana io dia manampy azy ireo hahafantatra sy hahatakatra ireo zavatra izay nitranga tany aloha, sy ireo zavatra izay mitranga ankehitriny, ary ireo zavatra izay hitranga amin’ny hoavy.

Sary
Lehilahy mitory teny

Ny Olomasina sasany dia nomena fanomezam-pahasoava marobe. Tokony hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana nomena azy ireo mba hanompo sy hitahy ny hafa ny Olomasina rehetra.

Sary
Eveka mihaona amina rahavavy iray

Ny eveka dia afaka mamantatra ireo fanomezam-pahasoavana ananan’ny Olomasina tsirairay. Fantany hoe iza no ho mpampianatra tsara. Fantany hoe iza ireo Olomasina tia an’ Andriamanitra sy mankatò ireo didiny.

Sary
Zatovovavy mivavaka mandohalika

Tokony hanao asa sy hivavaka mba hahazo ireo fanomezam-pahasoavana ilainy ny Olomasina marina. Avy amin’ Andriamanitra avokoa ireny fanomezam-pahasoavana ireny.

Hamoaka printy