Scripture Stories
Toko 28: Nandeha tany Missouri indray ny Mpaminany Joseph: martsa–mey 1832


Toko 28

Nandeha tany Missouri indray ny Mpaminany Joseph

Martsa–mey 1832

Sary
sarety
Sary
I Joseph mandre ny feon’ny Tompo

Naharay fanambarana i Joseph Smith. izay nilazan’i Jesoa fa ny Olomasina dia toy ny ankizy kely. Mbola nianatra izy ireo. Nilaza i Jesoa fa tokony ho faly sy ho feno fankasitrahana izy ireo. Izy no ho mpitarika azy ireo.

Sary
Olomasina manorina trano iray

Nilaza i Jesoa fa tiany hikarakara ireo mahantra ny Olomasina. Tiany hifampizara sy hifanampy izy ireo.

Sary
I Joseph miarahaba ireo Olomasina tao Missouri

Taoriana kelin’ny nandraisan’i Joseph Smith ity fanambarana ity dia nandeha tany Missouri indray izy sy ny namany sasany. Faly nahita azy ireo Olomasina tao Missouri.

Sary
I Joseph mivory miaraka amin’ny Olomasina

Nangatahin’i Joseph hamonjy fivoriana iray ny Olomasina mba hahafahany milaza amin’izy ireo momba ilay fanambarana.

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Joseph

Nanome fanambarana iray hafa ny Tompo nandritra ilay fivoriana. Faly i Jesoa fa nifamela heloka ny Olomasina. Koa satria nanao izany izy ireo, dia nilaza Izy fa hamela heloka azy ireo.

Sary
Olomasina mijinja ny saha

Nanome didy iray vaovao ho an’ny Olomasina koa i Jesoa tao anatin’io fanambarana io. Nolazainy fa nomeny azy ireo ny tanin’i Ziona, ary tsy maintsy mifampizara ny tany izy ireo. Tokony hanana izay nilainy ny tsirairay. Nangatahin’ny Tompo ihany koa ny Olomasina mba hivoatra amin’ny talentan’izy ireo ka hampiasa izany ho tombontsoa ho an’ny Fiangonana.

Sary
I Joseph mitsidika ireo Olomasina

Nitsidika ny Olomasina tany amin’ny tanàna maro i Joseph taorian’ilay fivoriana. Fotoana nahafaly azy izany. Nitia ireo Olomasina izy.

Sary
I Joseph mandray fanambarana

Tao anatin’ny fanambarana iray hafa noraisin’i Joseph raha tao Missouri izy, dia nilaza ny Tompo fa tokony hikarakara ny vadiny ny lehilahy. Tokony hikarakara ny zanany ny ray aman-dreny.

Sary
Olomasina mitsidika mpitondra tena

Nilaza ihany koa ny Tompo fa tokony hikarakara ireo vehivavy tsy manam-bady ny Olomasina. Tokony hikarakara ireo ankizy tsy manana ray na reny ny Olomasina.

Sary
Olomasina ao amin’ny trano fitehirizan’ny eveka

Nilaza i Jesoa fa tokony hanome sakafo sy zavatra hafa amin’ny eveka hataony ao amin’ny trano fitehirizana iray ny Olomasina. Nolazainy fa tokony hampiasa izay ao amin’ny trano fitehirizana mba hanampiana ireo izay mahantra ny eveka.

Sary
I Joseph sy ny Eveka Whitney manao dia

Rehefa nahatontosa ny asany tao Missouri i Joseph Smith dia nanomboka niverina nankany Kirtland izy sy ny Eveka Whitney. Nandeha sarety izy ireo.

Sary
Soavaly matahotra

Nisy zavatra nampatahotra ireo soavaly indray andro ka nahatonga azy ireo hiazakazaka mafy.

Sary
Eveka Whitney mitsirara eo amin’ny tany

Nitsambikina avy teny amin’ny sarety i Joseph, saingy tsy naratra izy. Nitsambikina avy teny amin’ny sarety ny Eveka Whiteny ka tapaka ny tongony.

Sary
Eveka Whitney matory eo ambony fandriana

Nipetraka tao amin’ny tranombahiny iray i Joseph Smith sy ny Eveka Whitney. Naka aina nandritra ny efatra herinandro ny Eveka Whitney. Nijanona niaraka taminy i Joseph nandritra ny nahasitranan’ny tongony.

Sary
I Joseph matory eo ambony fandriana

Nandritra ny fotoana naha-tao amin’ilay tranombahiny azy ireo dia nisy nanisy poizina ny sakafon’i Joseph. Nanjary narary mafy izy.

Sary
Eveka Whitney manome tsodrano an’i Joseph

Nangataka tamin’ny Eveka Whitney i Joseph hanome tsodrano azy. Nampiasa ny herin’ny fisoronana ny Eveka Whitney mba hitsofana rano an’i Joseph, dia sitrana izy.

Sary
Eveka Whitney sy i Joseph mivavaka

Nisaotra an’ Andriamanitra i Joseph fa nositraniny. Rehefa salama tsara afaka nanao dia i Joseph sy ny Eveka Whitney dia nandeha nody tany amin’ny fianakaviany avy izy ireo.

Hamoaka printy